· Mey, 2008

Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Mey, 2008

Arabia Saodita:Nahoana no tsy misy sarimihetsika?

  12 Mey 2008

"Nahoana no tsy misy sarimihetsika aty Arabia Saodita ? " hoy i Hayfa mpitoraka blaogy saodiana [Ar], manolotra ho antsika ny eritreriny mikarika ny hanaovana cineplexes sy fantina sary azo tanterahina tsara hifanaraka amin’ny fomban-drazana sy ny foto-pinoan’ny fireneny.

Shina:Fandalinana momba ny fitiavan-tanindrazana

  09 Mey 2008

Nony manakaiky an'i Shina ny fampitana ny Afo Olaimpika dia hitan'i Mo Yang hoe nisy fiantraikany tamin'i Shina ny “fiarovana” ny fampitapitana ny afo nataon'ireo Sinoa mpila ravinahitra any ivelany. 这次奥运火炬全球传递基本上是被中国的海外愤青给搞砸了[…]。圣火传递开始阶段,在伦敦和巴黎藏独分子出来破坏,抢夺火炬,阻挠传递的进行。这个时候,理亏的是藏独分子。[…]如果我们能够保持冷静,采取克制[…],继续按部就班地进行传递接力,把藏独破坏问题完全交给各国警察来处理,那么,[…]各国人民会说:“噢,看来,中国人确实是一心一意要办 好奥运会的,确实是把体育和政治分开的。”[…]但是,不知从哪里跳出来一大堆海外“爱国华人”,[…]反而给中国的形象带来了负面影响。 Ity fampitana ny afo nanerana ny tany ity dia nosembantsembanin'ireo Sinoa mpila ravinahitra “tia tanindrazana”. Tany am-piandohana, raha...

Misokatra ny vohikalan'ny Fihaonambe Global Voices taona 2008 !

08 Mey 2008

Tsindriandaonam-pifaliana izahay manambara aminareo ny fisokafan'ny vohikala mifantoka manokana amin'ny Fihaonambe Global Voices taona 2008 [Global Voices Citizen Media Summit 2008] ! Any Bodapestà, any Hôngria no ifamotoanantsika amin'ity taona ity, ny faha 27 sy 28 Jona 2008. Vangio ny vohikalan'izany fihaonambe izany ahafantaranareo bebe kokoa izay tanjon'izany fivoriana izany,...

Brezila: Famonoan-jaza ataon'ny fampahalalam-baovao fampisehoana

  03 Mey 2008

Maty tao anatin’ny toe-javatra tsy dia mazava loatra ny zazavavy iray. Ny rainy sy ny renikeliny avy hatrany no voalohany ahiahian’ny haino aman-jery sy ny hevitry ny olona amin’ny ankapobeny, saingy mbola andalana ny fanadihadiana ofisialy. Mba mety ve ny mampino mponina mahatratra 160 000 000 heloka famonoana ny zanany vavy alohan’ny fivoahan’ny didim-pitsarana amin’ity raharaha ity? Fa inona daholo ny resaka manodidina sy ambadik’ity raharaha ity ? miresaka momba izany ny tontolom-bolongana breziliana.

Egypta:rehefa mifangaro ny Finoana sy ny Pôlitika

  01 Mey 2008

Ao anatin’ity hafany eto ity i Zeinobia, Egyptiana mpitoraka blaogy, dia mamely ny Papa Shenouda III momba ny kabariny tamin’ny Paka tamin’ity taona ity, izay nilazany fa ho "mendy any amin’ny helo" ireo olona mampiasa ny Facebook, hoy ny tatitr’i Gr33nData avy any Le Caire.

Ireo pejinay momba an i Blaogy

Lahatsoratra ahitana endrika fampitan-kafatra maromaro na sary na lahatsary na feo na rakitra hafa.