· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Marsa, 2012

Honduras : Ao Sabanagrande, Vazivazy Tsy Fanao Intsony Ny Fanabarabaràna Polisy

  25 Marsa 2012

Teo anivon'ny fiampangana maro nahazo ny polisy mikasika ny kolikoly ataon'izy ireo ao Honduras, hetsika ara-kolotoraly nentim-paharazana fanao isan-taona ao an-tananàn'i Sabanagrande,no nampiakatra ny fahatezerana teo amin'ireo olon-tsotra sy ny polisy. Antokonà mponina maro no namaly ny famoretana tsy misy antony nataon'ireo polisy tamin'ny alalan'ny fananganana Komity Miaro ny Zon'olombelona voalohany tao an-tananàn'i Sabanagrande. Ilay bilaogera sady poeta Fabricio Estrada dia nizara ilay tantara tao amin'ny bilaoginy.

Espaina: Manohana Ve Sa Tsy Manohana Ny EuroVegas Ianao?

  24 Marsa 2012

Las Vegas ao Eoropa… Tianao ho fantatra ve ny momba izany? Tranobe marolafy tsy mena-mitaha raha oharina amin'ny namany Amerikana izay ahitana trano filokana enina, tokontany filalaovana golf, efitra filalaovana tantara-tsangana sivy, ary hotely roambinifolo, tsy lazaina intsony ireo trano fisakafoanana sy magazay marobe. Izany no tetikasa nampahafantarin'ilay mpanakarambe Sheldon Adelson,...

Torkia: Mbola Migidraka Amin'ny Kiorda Mankalaza Newroz Ihany Ny Polisy

Ny vahoaka Kiorda no foko maro an'isa indrindra any Torkia, fa mandrafitra ny 20 isan-jaton'ny mponina, izay manakaiky ny 20 arivoarivo izany. Tratran'ny fanavakavahana avy amin'ny fanjakana izy ireo ary itsakitsahana ny zony. Androany, tao Yuksekova, izay distrika any amin'ny faritany Tiorka antsoina hoe Hakkari, dia notafihana noho ny fivborivoriana fankalazana ny Newroz - izay taombaovaony ny Kiorda

Yemen: Mahatsiaro ny Zoman'ny Fahamendrehana

Taona iray lasa izay, nanodidina ny olona 52 no maty, nanakaiky ny 100 no voalaza fa naratra tao Sanaa. Mahatsiaro ny andron'ny 18 Martsa ireo mpiondana aterineto, kihon-dàlana iray teo amin'ny revolisiona tao Yemen, izay nahatonga olona marobe, olom-panjakana, diplaomaty, ary miaramila niala an-daharana ka nanatevina ireo mpanao hetsi-panoherana.

Bahrain: Hetsi-panoherana Goavambe Manohitra Ny Fitondrana

“Miala miala Hamad” no antsoantson'ireo vahoaka an'arivony manohitra ny mpanjakan'i Bahrain Hamad, nobahanan'izy ireo ny arabe midadasika ao Bahrain, akaiky ny fihodikodinana Pearl, famantaran'ny revolisiona Bahrain. Ity diabe goavambe ao amin'ny araben'i Budaiya tamin'ny Zoma ity dia ho fanehoana indray ny fitakian'ny vahoaka noho ny didy jadona ataon'ny fitondrana Barhainita izay...

Pakistana : Fandripahana ny Shiita – Hatrany Karashi ka hatrany Kohistana

  15 Marsa 2012

Fiovana ara-politika tany Pakistana tao aorian'i Osama Ben Laden no nametraka onja vaovao ny fampihorohoroana indrindra teo amin’ireo Shiita vitsy anisa. Tamin'ny taon-dasa dia Shiita maro no voafandrika tao Karashi hatrany Kohistana ary novonoina, Maro amin’ireo mpandinika moa no milaza fa fandripahana vondron'olona izy io.