Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Desambra, 2013
SARIPIKA: Olombelon'i Azia Atimo-Atsinanana (Humans of Southeast Asia)
Aingam-panahy nanosika mpakasary marobe tao Azia Atsimo-Atsinanana mba hizara saripika sy tantaran'ireo olon-tsotra eny an-dalambe eny, any amin'ny firenena misy azy ireo tsirairay avy, ny Humans of New York, pejy Facebook noforonin'i Brandon Stanton.
Hamid Khatib, Siriana Mpakasary, Mandositra Fahafatesana Mba Haka Sary Ny Fiainana
“Tsy misy ny Hamid mpaka sary raha tsy misy ny revolisiona. Antenaintsika mbola hisy iray rehefa mifarana ny revolisiona.”
SARIPIKA: Olombelon'i Komoro, Madagasikara ary ny Nosy Masikarenina
Nampisy aingam-panahy mpaka sary manerana izao tontolo izao ny Humans of New York. Manana sarintavan'olona maro dia maro azo aseho ihany koa ny faritra Masikarenina.
SARIPIKA: Olombelon'i Portiogaly
Ndeha isika hamantatra ny sasany amin'ireo olombelona izay monina na mandalo ao Portiogaly.
Krismasy Sambatra Avy Amin'ireo Siriana Artista
Azo jerena anatina taokanto iray monja fa tsara lavitra noho ny teny an-tapitrisa ny fahaverezam-panantenan'ny firenena iray. Et ny fomba nankalazan'ireo Siriana artista ny Krismasy
Hatsiaka, Orana ary Tondra-drano ao Gaza Amin'ity Ririnina ity
Manodidina ny 10 000 eo ho eo ireo vahoaka Palestiniana any amin'ny faritra avaratr'i Gaza no nafindra monina hiala ireo fonenany taorian'ny efatra andro niavian'ny oram-batravatra.
“Tour Builder”, tolotra hafa an'ny Google tsy azo ampiasaina any Kiobà
Manamafy i Google fa ny fanapahankeviny dia mifototra amin'ny fandraràna ara-toekarena ataon'i Etazonia amin'i Kiobà.
Mandeha Ny Fandrotsahambato Hifidianana Ny Ho Filoha Eto Madagasikara
Nandeha ho any amin'ny biraom-pifidianana, manantena ny hisian'ny ainga vaovao taorian'ny krizy maharitra, ny olom-pirenena Malagasy hifidy ny filoha vaovao ny andron'ny 20 desambra.
Saripika 7 Rakitry Ny Ela Mahavariana Tamin'ny Taonjato Faha-19 Tao Japana
Topazo maso ny fiainana tao Japana tany amin'ny 150 taona lasa, amin'ny alàlan'ireo andian-tsaripika izay tafiditra ho anaty sehatra ho an'ny daholobe, tsy ela akory izao
Nirotsaka Ny Oram-Panala Tao Ejipta Fa Hosoka Kosa Ny Sarin'ny Sphinx Feno Ranomandry
Nalaza haingana ity sarin'ny Sphinx tao Giza, Kairo, ity, raha nandalo ny tafiotran-dranomandry lehibe indrindra tao Ejipta tao anatin'ny 100 taona mahery izay. Saingy misy ny olana amin'ity iray ity na izany aza - tsy tena izy io.