· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Jona, 2013

Manafika Ny Fonenan'Ireo Shiita Ao Ejipta Ny Salafista, Efatra No Maty

Mpikambana Ejiptiana efatra ao amin'ny antokom-pivavahana Shiita no namoy ny ainy tao Ejipta androany tamin'ny fanafihan'ireo Salafista ny fiangonan'izy ireo, taorian'ny fihantsiana nataon'izy ireo tamin'ny Shiita nandritry ny roa herinandro. Araky ny filazan'ireo tatitra maro isan-karazany, nodorana sy notafihina ny fiangonan'ny Shiita tany Giza sy Kairo. Ny Al Badil News dia mitatitra ny fijoroana vavolombelon'ny avy tao amin'ny tranom-paty izay milaza [ar] fa novonoina ny iray tamin'ireo olona maty ireo ary ny telo ambiny naratra mafy ny lohany. Nahatonga fahatezerana tanaty aterneto izany tranga mahatsiravina izany.

Iray No Maty Tamin'ny Fisian'Ilay Hetsi-panoherana Nanerana An'I Brezila

  30 Jona 2013

Tovolahy iray no maty voadonan'ny fiara tao Ribeirao Preto ary ampolony maro no naratra tamin'ilay fifandonana tamin'ny polisy tao Brezila, Rio de Janeiro, ary tao Salvador satria efa maherin'ny iray tapitrisa ireo olona nidina an-dalàmbe teny amin'ireo tanàn-dehibe sy kely rehetra manerana an'i Brezila, io no hetsi-panoherana lehibe indrindra hita teo amin'ny firenena tao anatin'ny roampolo taona.

Loka Eropeana Ho An'ny Fanampiana Ireo Voakasiky Ny Krizin'ny Fanaovana Antoka any Espaina

  30 Jona 2013

Namoaka ny anaran'ireo mpandresy tamin'ilay fifaninanana Olom-pirenena Eoropeana tamin'ity taona ity ny Parlemanta Eropeana. Nomena ilay Sehatra ho an'ny Voakasiky ny Fanaovana Antoka (PAH amin'ny teny espaniola) ny iray tamin'izany, fikambanana iray any an-toerana natao hanamaivana ny fijalian'ireo olona any Espaina izay voakasik'ilay krizin'ny fampindramam-bola "subprime" sy ireo voaroaka niala tamin'ny trano fonenany. Nasiaka dia nasiaka ny antoko eo amin'ny fitondràna tamin'ny fomba fizaràna loka, raha toa ka nanaiky tanteraka izany ny mpampiasa aterineto.

Grenady Breziliana Hamelezana Tiorka

  28 Jona 2013

Ity lahatsoratra nosoratan'i Bruno Fonseca sy Natalia Viana, avy amin'i Agência Pública, ity dia nivoaka tamin'ny voalohany tamin'ny lohateny hoe “Bomba brasileira na pele turca” (grenady breziliana hamelezana ny Tiorka) , izy ity dia ao anatin'ny fanadihadiana manokana momba ireo vondron'olona mpanery ny manampahefana sy ny orinasa mpamokatra fitaovam-piadiana ao Brezila  #IndústriaBrasileiraDeArmas. Hisy...

Mitokona Mitaky Fisondrotan-Karama Ny Oniversiten'I Venezoela

  26 Jona 2013

Namoaka filàzana ny Oniversite ao Venezoela fa manao fitokonana tsy mitsahatra ho fitakiana fampiakaran-karama. Araka izany, eo an-dalàm-panoratana azy ny tohin'ilay fifandirana ela, noho ilay tsy fitovian-kevitra nisy teo amin'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta sy ny Oniversitem-panjakana taty anatin'ny volana vitsy.