Las Vegas ao Eoropa… Tianao ho fantatra ve ny momba izany? Tranobe marolafy tsy mena-mitaha raha oharina amin'ny namany Amerikana izay ahitana trano filokana enina, tokontany filalaovana golf, efitra filalaovana tantara-tsangana sivy, ary hotely roambinifolo, tsy lazaina intsony ireo trano fisakafoanana sy magazay marobe.
Izany no tetikasa nampahafantarin'ilay mpanakarambe Sheldon Adelson, Tompon'ny Las Vegas Sands ary olona faha-14 manankarena indrindra manerantany araka ny navoakan'ny gazetiboky Forbes. Taorian'ny nahombiazany tany Amerika (Nevada sy Pennsylvania) sy tao Azia (Makao sy Singapore), manintona mafy an'i Eoropa ary indrindra ao Espaina ankehitriny ny tompon-dakan'ny filokana.
Tetikasa goavana hiteraka famoronan'asa maherin'ny 200.000, hisarika fampiasambola eo amin'ny 15 hatramin'ny 18.8 miliara euros hatramin'ny taona 2022, ary hampidi-bola maherin'ny 15 miliara euros amin'ny alalan'ny fizahan-tany ao anatin'ny folo hatramin'ny dimy ambinifolo taona eo ny Euro Vegas. Toa mampiseho izany fa vahaolana iray ho an'ny firenena tsy tafavoaka amin'ny krizin'ny Euro, anisan'izany i Espaina, iray amin'ireo PIGS (Portigaly, Italy, Gresy, Espaina), fiteny manokana nampiasana hanesoesoana ireo firenena manana toekarena marefo.
Faritra roa no voakasik'izany: Madrid sy Catalonia. Naneho ny fanohanany tanteraka izany tetikasa izany ny Filohan'ireo faritra mizakantena anankiroa ireo ary nanambara fa vonona hanao izay tratrany mba handrombaka ny tontona Euro Vegas.
Nandritra ny resadresaka tamin'ny onjampeo Espanola Cope, niarahana tamin'i Esperanza Aguirre, filohan'ny Faritra Madrid, nilaza izy fa ‘adidiny’ ny mametraka EuroVegas ao Madrid:
“[…] son 200.000 puestos fijos cuando se acabe, sin contar todos los de la construcción de este complejo hotelero. Hay mucha gente a quien no le gusta esto. Porque a la gente que tiene mi edad, le parece un espanto lo de Las Vegas, del juego, de los casinos… le parece sórdido. Pero la gente joven […] todos han ido a Las Vegas, porque el Las Vegas de hoy no tiene nada que ver con el Las Vegas de hace 40 años. Las Vegas es un lugar donde el juego representa el 18%, el resto son congresos, los mejores cantantes, los mejores espectáculos, los mejores teatros, los mejores lugares de deportes. Entonces es como un parque temático para adultos.”
Araka ny hevitry Artur Mas, filohan'ny Faritra ao Catalonia, mahita izany tetikasa izany ho toy ny fampiasam-bola madinika izy izay manintona fizahan-tany manokana. Ho valin'ny tsikera avy amin'ny olom-pirenena, tahaka an'i Aguirre, izay mahita ny lalao ho toy zavatra kely amin'ny antsipirahany tsy misy dikany:
Lo menos importante de todo esto son los casinos. Lo más importante es convertir el área de Barcelona y Catalunya en el primer centro turístico de largo de toda Europa, por encima de París y Londres”.
Na dia izany aza, mitaky fandeferana ny raharaha matotra tahaka izao. Ny gazety El País ao Madrid nampiseho ny lisitr'ireo takalo rehetra takian’ilay mpanankarembe, nokilasiana ho sokajy enina: asa, fampiasambola, fotodrafitrasa, tany sy ny urbanisation, ny resaka lalàna, ary ny hetra.
Tafiditra amin'izany ireto: ny fikarakarana manontolo sy maimaipoana ny tanim-panjakana ametrahana ny tetikasa; ny tsy fandoavana latsakemboka sosialy mandritra ny roa taona; ny tsy fandoavana hetra (TVA) mandritra ny folo taona; ny fanovana ny sata mifehy ny mpiasa, indrindra ny mpiasa vahiny; ny fandraisana anjaran'ny Faritra Mizakatena amin'ny fametrahana fotodrafitrasa fitateram-bahoaka mandra-pahatonga eny amin'ny trano marolafy; ny fanomezana alalana ny zaza tsy ampy taona hiditra ao amin'ny trano filokana fa raràna kosa izay hilalao, sns.
Raha hita fa hankato izany fepetra izany ny ben'ny tanàna ao Madrid, ny ben'ny tanànan'i El Prat de Llobregat (tanàna manodidina an'i Barcelona izay mety hanorenana ny tranobe marolafy), Lluís Tejedor, kosa manohitra izany tanteraka :
Tao amin'ny aterineto, na dia teo aza ny adihevitra mikasika ny asa nampanantenaina, hita fa tsy mankasitraka ny EuroVegas ny ankamaroan'ny mpiserasera. Indreto fanehoan-kevitra sasany nalaina tao amin'ny Twitter nampiasana tenifototra #eurovegas:
@jbasagoiti: #Eurovegas es el nuevo “maná” que va a resolver los problemas de Madrid o Barcelona. Yo creo que no es verdad. bit.ly/yJD9Vj
@Brigi34: El interés en #Eurovegas es por sus beneficios en economía y empleo: lavozlibre.com/noticias/ampli… vía @AddThis
@exp_catalunya: Un exdirectivo de Disney avisa a España sobre el tipo de ocio que supone #Eurovegasexpansion.com/2012/03/09/cat… vía @expansioncom
Naneho hevitra noho ny lahatsoratra navoakana gazety mpivoaka isan'andro El País [es] ny mpiserasera :
yosisoytonto: No escarmentamos ¿Eh?. Lo triste es que piense que este país es como una puta hambrienta. Lo indignante ,que la marquesita se comporte como tal. Este Mr. Forbes quiere un paraíso fiscal para seguir robando con su negocio del juego (estafa confundida con la suerte). Se pide un modelo productivo racional, tecnológico, avanzado y se trae a la mafia Yankee del juego . Sr. Marquesa, no todo vale por la pasta . Cierre usted las piernas ,que es muy desagradable verla de esta guisa a su edad.
asdf111: A mí lo que me parece una vergüenza es que El País intente echar a perder un proyecto que todavía está en fase de negociación. Ojala se construya algún día algo como lo que aparece en esa foto aquí en Madrid. Muchas de las reformas que pide son lógicas y, dado como estamos en estos momentos, necesarias. Tampoco veo por qué criticar ciertas exenciones durante los primeros años (como se hace con cualquier negocio).
‘EuroVegas No‘ , sehatra an-tserasera natsangana vao tsy ela ho fanehoan-kevitra amin'ny tsy fankasitrahana ny EuroVegas ary nisy koa ny tafatafa tamin'ny mpanao gazety nokarakaraina tamin'ny Alarobia 14 Martsa, nandritra ny fotoana nanomezan'ireo fikambanana isan-karazany ny heviny. Hevitra iray lehibe manohitra izany ny hoe mety hampiteraka paradis fiscal (hetra) ny EuroVegas.
Tokony ho vita amin'ny fahavaratra hoavy izao ny fifanarahana eo amin'i Adelson sy ny governemanta Espainola. Eo am-piandrasana izany, voatantara tsara tamin'ny fampahalalam-baovao marobe ny adihevitra manodidina ny fananganana ny EuroVegas, ka nanomboka teo ny nampalaza izany, tahaka an'i Roberto Saviano, Italiana, mpanoratra boky momba ny mafia Italiana, Gomorra, izay nanoratra tao amin'ny Twitter:
@robertosaviano: Si aprueban el Eurovegas (Las Vegas de la UE), Cataluña se convertiría oficialmente en el centro de reciclaje mafioso de Occidente.