Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Septambra, 2012
Shina : Mampiahiahy ny fiverenan’ny Maoïsta Nandritra ny Fihetsiketsehana Manohitra ny Japoney
Mpanao fihetsiketsehana maoïsta no nibaha-toerana nandritra ny hetsika goavana manohitra ny japoney izay nitranga tao Shina tamin’ny 15 hatramin’ny 18 septembra 2012, nisy ny filanjana ny saritavan’ny filoha Mao nandritra ny filaharambe sy ny fiventsona ny hira taloha ho fanomezam-boninahitra ny mpanorina ny firenena. Ho an’ireo manampahaizana marobe, mampanembona ny fahatsiarovana mangidy...
Shina: Simban'ny Fitrandrahana Arin-Tany Ny Sahan'i Hulunbuir
Ny saha maitson'i Hulunbuir , iray amin'ireo saha kanto any amin'ny Mongolia afovoany, voakaoka noho ny fisian'ny fitrandrahana arin-tany manakaiky io faritra io. Mpiserasera aminà bilaogy Shinoa iray dia manamafy fa tsy fandravàna ny tontolon'ny zava-boahary fotsiny ihany ny asa fitrandrahana fa fandrobàna ny kolon-tsaina ihany koa.
Ekoatera: Hazolava Doro Ala
Nanomboka tamin'ny voalohan'ny volana jiona 2012, miisa 2568 ny doro ala niseho manerana ny firenena ao Ekoatera Vao nalefan'ny mponina sy ny mpitantana ny fanairana, nibahana tao amin'ny twitter ny tenifototra #incendiosforestales, mba ahafahan'ny olona manome vaovao sy manome ny heviny momba ny fanairana fa latsaka an-katerena ny firenena ankehitriny. Mitondra...
Mihetsika Noho Ilay Sarimihetsika Manohitra Silamo i Pakistan
Nihetsika noho ilay sarimihetsika manohitra ny silamo i Pakistan, ilay niteraka ny fahafatesan'ny Ambasadaoro Amerikana tao Libia. Nanamafy ny fiarovany ireo masoivoho diplaomatika manerana ny firenena, saingy hatreto an-katezerana ireo hetsi-panoherana saingy tsy misy herisetra.
Libya: Azafady Ry Chris, Tsy Naharo Anao i Benghazi
Andian'olona Libyana vitsy no nivory teo amin'ny kianja Al Shajara ao Benghazi ny andron'ny 12 Septambra 2012ho fanoherana ny fanafihana tao amin'ny Kaonsilàn'i Etazonia. Amerikana efatra, ka ao anatin'izany ny Ambasadora Christopher Stevens no maty raha nitifitra balafomanga ireo ny mpitolona nandritra ny nitondrana azy ireo tany amin'ny toerana tsara aro kokoa...
Espaina : Sintonin-dry Zareo Ny Sakafo Mba Homena Ireo Sahirana
Juan Manuel Sánchez Gordillo, solombavambahoaka ao Andalozia, mpikambana ao amin’ny Antoko Ankavia Miray (IULV-CA), solontena nasionalin’ny antoko mpiaro ny mpiasa (CUT-BAI) sy ben’ny tanàna andalò ao Marinaleda , ary mpikambana an-jatony avy ao amin'ny sendikà tafaray no niditra tranombarotra lehibe maromaro mba hanatontosa ny hetsika faritan-dry zareo ho « fisintonana ny sakafo hiala...
Bahrain: Nifanjevo Ny Tao Amin'ny Fitsarana Noho Ny Fanalavana Ny Fitazonana Ireo Ankizy Roa Tsy Ampy Taona
Nohalavain’ilay mpitsara Bahrainita fito andro ny fitazonana ireo zaza tsy ampy taona 12 sy 13 taona ao amin’ny “Ivon-toeram-piarovana ny Zaza tsy ampy taona” noho ny fiampangana azy ireo ho nandoro kodiarana sy nanao fivoriana tsy ara-dalàna. Fanitelony izao fanavaoza-pitazonana izao hatramin’ny nisamborana azy ireto izay midika fa efa 28...
Vehivavy Iraniana – Miteny ‘Tsia’ Amin'ny Fanerena Hirako-boaly Hijabs Hatramin'ny 1979
Maherin'ny 26.000 ireo olona nanatevin-daharana ny fanentanana iray tao amin'ny Facebook nataon'ny mpianatra Iraniana nangataka ny hampitsaharana ny fanerena ny firakofana voaly (hijabs) any Iran. Telopolo taona no efa nanoheran'ireo vehvavy Iraniana izany, saingy mbola mizaka hatrany ny antsojay ataon'ny mpitandro filaminana eny imasom-bahoaka hatrany izy ireo.
Philippines: Sary Nesorina Tao Amin'ny Facebook Hanamarihana Ny Andro Iraisampirenena Ho An'ireo Tsy Hita Nanjavonana
Nanaisotra ny sary teo amin'ny mombamomba azy daholo ireo mpikirakira Facebook tao Philippines tamin'ny 30 Aogositra lasa teo ho fangatahana ny rariny ho an'ireo tratry ny fanjavonana an-terisetra.
Costa Rica, Nasian'ny Horohorontany Nanana Tanjaka 7.6
Nibitsika momba ilay horohorontanin'ny 5 Septambra 2012 tamin'ny 8 ora 42 mn nanana namely ny fireneny ireo Costa Ricains, tamin'ny fampiasàna ny tenifototra #temblorcr sy #terremotocr hitaterana izany.