· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Jolay, 2017

Rosia: Moskoa, Dimampolo Taona Lasa Izay

Nahita raki-tsary tsy fahita firy tao anatin'ny fakon'i Moskoa - Im Flug nach Moskau, avy amin'i Erich Einhorn, ARTIA, 1959 ilay mpisera LJ, fool_4_lifetime- ary ni-scan azy ireo sy nandefa ireo sarin'i Moskoa miisa 60 tao amin'ny fiarahamonina LJ moya_moskva (Moskoako).

Barbados: Ireo Famantaran-dàlana

  26 Jolay 2017

Namoaka ity sarin'ny famantaran-dàlana eo amin'ny sampanan-dalana any ambanivohitr'i Barbados ity ny bilaogeran-tsary Barbados in Focus (Mifantoka amin'i Barbados). "Tena manerana izao rehetra izao ny famantaran-dàlana." Na izany aza, misy ny karazana famantaran-dàlana mety natao manokana ho an'ny toerana iray toy ny asehon'ny sary eto ambany.

Hongria: Ny Paprika Ao Szentes

Hitako ity toerana ity omaly. Moa ve ny tompon'ity trano ity tena tia fatratra ny Paprika ? Sa fomba iray hahazoana vola fanampiny? Na inona na inona antony, ny zavatra azo antoka dia ny hoe, hiafara ho "zava-manitra" an-dakozia maro ao Szentes ireo paprika natao girilandy tsara tarehy (paprikafuzer) ireo.

Kenya : Maty i Echo, Ilay Reniben'ny Elefanta Ao Amboseli

  24 Jolay 2017

Maty i Écho, reniben'ny elefanta ao amin'ny Valan-javaboarin'ny Amboseli izay malaza eto amin'izao tontolo izao, araka ny fiheveran'ny Amboseli Trust for Elephants (ATE) azy dia noho ny fahanterany sy ny vokatry ny hain-tany izay namely ity valan-javaboary any amin'ny faritra atsimon'i Kenya ity nandritra ny telo taona no nahatonga izany.