Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Novambra, 2013
Mivadika Ho Kisarisary Mahatsikaiky Ilay Tantara Ratsy Momba Ny Trosan'ny Governoran'i Tokyo
Miala tsiny amin'ilay tantara ratsy mikasika vola notrosainy ny Governoran'ny tanànan'i Tokyo. Noraisin'ireo mpampiasa Twitter ao Japana ho vazivazy izany.
Mampiato ny Servisin'ny Kaonsiliny any Etazonia i Kiobà
Hisy fiantraikany any amin'ny olom-pirenena Kiobana sy ny avy ao Etazonia ny fampiatoana ny servisin'ny kaonsily, noho ny tsy fahafaha-mamita fanaovan-taratasy tahaka ny famoahana pasipaoro, visas, antota-taratasy misy sonian'ny manampahefana, ary ny servisy hafa.
Yemen: Fitiavana Anaty Fotoan'ny Safotofoto
Ilay Saodiana Huda sy ilay Yemenita Arafat no Romeo sy Juliette amin'izao andro maoderina izao, Noon Arabia no mitatitra
SARIPIKA: Lanitra Manga Mahafinaritra Tao Dhaka
Nahafinaritra ny nijery ny lanitra tao an-drenivohitr'i Bangladesh, tao Dhaka tamin'ny 17 Novambra ka nizara sary mahafinaritra sy ny niresaka momba izany ny tao amin'ny media sosialy.
Taorian'ny Loza Voajanahary Haiyan, Mitaky Fanampiana Sy Rariny Ho An'ireo Niharan'ny Fiovàn'ny Toetrandro i Filipina
Raha mbola mitohy mangataka fanampiana noho ny fiantraikan'ilay rivodoza mahery vaika Haiyan i Filipina,maro koa ireo Filipinos no nangataka ireo mpitondra erantany mba hiatrka ny fiovaovan'ny toetrandro
SARIPIKA: Tsinjaka sy Ankona Amin'ny Fiadian-Toerana Mondialy Ho Any Brezila
Raha nihinjakinjaka tanteraka i Alzeria, Côte d'Ivoire, Kamerona ary Frantsa, dia levona tanteraka niaraka tamin'ny kiririoka farany kosa ny fanantenan'i Burkina Faso, Senegal, Okraina ary Tonizia hitodi-doha ho any Brezila.
SARIPIKA: Tonga Maro Ny Mpifidy Hanangana Ny Antenimieram-Panorenan'i Nepal
Taha ambony indrindra mahatratra hatramin'ny 70 isanjato no voarakitra ao Nepal nandritra ny fifidianana voalohany taorian'ny faharavan'ny fitondram-panjaka. Ho tontosan'ity antenimieram-panorenana ity ve ny fandrafetana lalampanorenana tsy vitan'ny teo aloha?
SARIPIKA: Miandry Fanampiana Fatratra Ny Sisam-patin'ny Rivodoza Mahery Vaika Ao Filipina
Reraka sy noana, misy ireo sisa niangana tamin'ny tafiotra mahery vaika no lasa mandroba toeram-pivarotana sy ny fitehirizan'entan'ny governemanta mitady hanina, rano ary ny filàna fototra hafa.
SARIPIKA: Tantara Fohy Dimy Mikasika Ny Siriana Mpitsoa-ponenana
Saripika dimy milaza tantara no nofidian'i Rami Al Hames ho enti-mandravaka ny fiainana mafy sy ny tena zava-misy lalovan'ireo Siriana mpitsoa-ponenana lavitry ny trano fonenany.
Nofoanana Ny Zom-pirenen'Ireo Dominikana Mpiavy Haitiana 200.000
Nanao fihetsikesehana manohitra ny didy ireo fikambanana tsy miankina (ONG) sy mpikatroka ara-tsosialy marobe, didy izay manafoana ny maha-olompirenena ireo Dominikàna manana fiaviana Haitiana 250 000.