Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Mey, 2010
Ny tafan'ny mpamaham-bolongana tamin'ny fifampitifirana sy ny fanovana governemanta
Nisy fifampitifirana nampandriaka ny ra teo amin'ny FIGN izay sangan'ny avy amin'ny zandary mpampandry ny fahalemana miisa 21 sy avy amin'ny mpitandro ny filaminana manoa ny fitondrana mivondrona ao amin'ny EMMOREG. Hoy ny tatitry ny Voice of America hoe: “Officaials in Madagascar's capital say one person was killed and five...
Trinite sy Tôbagô : Soratsorajatovo sy sarinjatovo amin'ny fotoam-pifidianana
Copy Book Page [pejin'ny kahìe] no manapariaka sarin'ny soratsorajatovo sy sarinjatovo amin'ny fotoam-pifidianana, sady manontany tena : Apparently Graffiti is only legal and accepted around election time. “Toa ohatra rehefa fotoam-pifidianana ihany vao ara-dalàna sy ekena ireo soratsorajatovo sy sarinjatovo.”
Rosia: Sary doro-ala
Ny mpiblaogintsary Igor Podgorny dia manapariaka porofo an-tsary ireo fahavoazavana nateraky ny doro-ala izay lavin'ny fanjakana Rosiana ny fisiany.
Rosia: Sarin'ny tondra-drano tany Môskoa
Alexey Yushenkov dia manapariaka andian-tsary nalainy nandritra ny tondra-drano izay nitranga tany amin'ireo lalambe izay isan'ny ivon-tananan'i Môskoa. Mizàra sary sahala saingy tamin'ny taona 2006 koa izy. Misy sary hafa mitatitra izany tondra-drano izany azo jerena ato sy ato.
Rosìa: Sary tany amin'ny “Zombie Mob”
Rà sandoka raofina aman-taonina, ratra maro tsy ampoizina sy maty-mitsangana miriaria ary biby mampivarahotsana samihafa no indray nameno ny araben'i Moskòa. Sary nalaina nandritra ny hetsika “Zombie Mob” [fifamotoan'ireo miakanjo sy maka-tahaka ireo mpilalao sarimihetsika mampatahotra] dia azo jerena ato, sy ato ary ato.
Japàna: Festival Sanja
Zuco dia manapariaka andian-tsary mahatalanjòn'ny Festival Sanja izay fety nentim-paharazana ankalazaina any Asakosà, Tokyo, Japàna.
Fanambarana ireo mpandresy tamin'ny “Breaking Borders”
Mba ho fankasitrahana ireo nampandroso ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny internet, ny Google sy Global Voices dia namoaka ny anaran'ireo voalohany tamin'ny fifaninana Breaking Borders (Azerao ny sisintany). Ny fankasitrahana, notohanan'i Thomson Reuters, dia omena ho fankasitrahana ireo web nahafinaritra indrindra nataon'ny olontsotra na fikambanana niasa tamin-joto, nahery ary nahay niara-niasa hanadratana...
Orogoay: Tatitra an-tsary fanatanterahana sarinjatovo
Ny blaogy Con la Cámara en el Bolsillo [miaraka amin'ny saripika ao am-paosiko] dia mitatitra sy manapariaka sary avy any amin'ny faritry ny tanànan'ny Montevideo, (renivohitry) Orogoay. Vao tsy ela i Fonzi no nanapariaka tatitra an-tsary fanatanterahana sarinjatovo amin'ny rindrina iray [es].
Japàna: Karnavaly Cosplay
The Englishman [Ilay rahangahy Anglisy] dia manapariaka andian-tsary maromaron'ny Karnavaly Cosplay [fiakanjoana sy fakan-tahaka ireo mpilalao tantara sariitatra] any Ozaka, Japàna.