Kolombiana mpianatra monina any Miami i Daniela Peláez izay niseho taminà lohateny vaventy tato ho ato amin'ny maha-tranga iray hafa ny azy amin'ireo mpianatra manana hoavy mamiratra, saingy tsy manana taratasy ara-dalàna ao Etazonia. 18 taona ankehitriny ary voalohany ao amin'ny kilasy misy azy ao North Miami High School, tonga tao Etazonia teo amin'ny faha-efatry ny taonany i Peláez, tamin'ny fotoana nahatongavan'ny ray aman-dreniny tany niaraka taminà fahazoan-dàlana hizaha tany, izay nahazoan'i Daniela taratasy fandroahana taty aoriana.
Kanefa, i Peláez dia manantena ny fanohanana mivantana avy amin'ny vahoaka, avy amin'ny tompon'andraikitra sy ny mpianatra ao amin'ny sekoly misy azy, hatramin'ireo mpikambana ao amin'ny kaongresim-bahoaka tahaka an'i Marco Rubio sy Ileano Ros-Lehtinen. Izy, sy ny rahavaviny, Dayana, dia nahazo famelàna avy amin'ny Departemantam-pirenena misahana ny Filaminana tamin'ny 6 Martsa, nanokatra indray ny adihevitra momba ny satan'ireo tanora mpifindra monina an'arivony izay tonga tao Etazonia tamin'ny andron'ny fahazazany, toerana nibeazan-dry zareo ary ankehitriny iatrehany fahasahiranana rehefa hiditra amin'ireo toeram-pibeazana ambaratonga ambony.
Ny raharaha Peláez dia tsy hoe fotsiny miankina amin'izay rafitra mahabe resaka momba ny fifindrà-monina, fa koa manome toerana vaovao handinihana vahaolana izay azon'ny tolo-dalàna ao amin'ny Kaongresy atolotra, toy ilay DREAM Act, izay toa nanome fahazoan-dàlana hipetrahana vonjimaika an'ireo mpianatra manomana diplaoma ambony teraka tao Etazonia avy amin'ireo ray aman-dreny tsy manana antontan-taratasy ka nampiseho “toetra mendrika” ary niaina teto tao anatin'ny dimy taona talohan'ny nandaniana ilay tolo-dalàna. Fanampin'izay, vakiraokanà tolo-dalàna iray izay i Peláez tenany mihitsy no nanampy tamin'ny famehezana azy, ny STARS Act, izay, tsy tahaka ny DREAM Act, dia hanome fe-potoana famindram-po enim-bolana aorian'ny nandaozana ny lisea mba hidirana any amin'ny ambaratonga ambony.
Ny bilaogy El Tercer Riel [es] dia mangataka ny hijerena indray ny lohahevitra momba ny fifindrà-monina vokatry ny tranga mahazo an'i Peláez :
El caso de la joven Daniela Peláez debe servir para concientizarnos sobre la necesidad de traer un tono serio a la discusión del tema migratorio. El primer paso necesario en esta discusión es separar la nobleza de la idea tras el DREAM Act de la ridiculez de las recientes propuestas legislativas que han mancillado ese nombre.
Ny bilaogy Eucario y su comentario [es] dia manamarika fa ireo mpianatra toa an'i Peláez dia tokony homena tamby amin'ny faharanitan-tsainy sy ny ezaka nataony, tsy ijerena izay satan-dry zareo manoloana ny fifindrà-monina
Un acto de justicia que una vez más demuestra la perentoria necesidad de que se legisle con prontitud para que en lo sucesivo no se frustren las ilusiones, el esfuerzo, la dedicación de estudiantes como Daniela cuyo propósito ha sido y será ser conseguir una educación adecuada mediante la cual pueda aportar su inteligencia y conocimientos al servicio del país en el que se ha educado.
Tsy miresaka fotsiny an'i Peláez ireo bitsika fa koa ny filàna miverina mijery ny DREAM Act, araka ny fanamarihan'i Arne Duncan (@arneduncan), Sekreteram-panjakana Amerikana misahana ny Fanabeazana :
Tsy maintsy nandany ny DREAM Act isika. Izany no zavatra tokony atao, & tsy azontsika atao ny mandà ny fanabeazana tokony ho an'ireo mpianatra manana fahaizana sy tena milofo fatratra
Veronique M (@VMblogger) dia mihevitra fa ireo mpianatra toa an'i Peláez no tandindon'ny hoavin'i Etazonia :
RT @VoxxiNews: Laharam-pahamehana ny DREAM Act satria ny ankizy toa ireo miatrika fandroahana ao Miami no antoky ny hoavintsika http://j.mp/AbRbl1#latism
Harry Reid (@SenatorReid), loholona, dia nanome toky fa handany ny DREAM Act rehefa avy nihaona tamin'i Peláez:
Niresaka tamin'i Daniela Pelaez aho, loharanon'aingam-panahy avy ao #Miami#DREAMER, ary nilaza taminy fa manohana tanteraka ny #DreamActhttp://yfrog.com/g0ltwxrj
Jose Dante Parra (@jdparraSenate) dia manasongadina izay heveriny fa lela roa ananan'ny Loholona Marco Rubio [es]:
Rubio c reune con Daniela Pelaez. Dice q’ la apoya. Despues dice a WTVJ-Miami q c opone al #DREAMACT? Double personalidad? #latism
Farany, Carlos Mendoza III (@EducatorMusing) dia naneho ny hafaliany noho ilay fanalavam-potoana nomena an'i Peláez:
Faly noho ny aminao. Mirary soa indrindra #edchat#in H.S. Valedictorian Daniela Pelaez Nahazo Fanalavam-Potoana Vonjimaika Roa Taona Tsy Hiharan'ny Fandroahana http://j.mp/w4huqU