· Desambra, 2017

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Desambra, 2017

Ilay Mpitrandraka Avy Any Shily

  24 Desambra 2017

Nalain'i Guillermo Olivares ity sarin'ny rainy Daniel ity ary navoaka niaraka tamin'ny fanazavana manaraka amin'ny teny Espaniola : Izy no raiko, 56 taona izy androany 20 Oktobra . Mpitrandraka izy nandritra ny fiainany iray manontolo ary .....

Ganà: Ny Ivontoerana Kofi Annan ho an'ny Fahombiazana Amin'ny ICT

  23 Desambra 2017

Ny alakamisy maraina teo, natomboko tamin'ny fitsidihana samirery ny Ivontoerana Kofi Annan ho an'ny Fahombiazana amin'ny ICT [TIC amin'ny teny Frantsay: Teknolojian'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana], ivontoeram-piofanana manaraka ny teknolojia avolenta natsangan'ny fitondran'i Inde sy Ganà, ny tontolo androko.

Tànana Mitari-dalana

  23 Desambra 2017

Nandefa ity sary ity "Fly, Hummingbird Fly" (Manidina ry Colibri, Manidina) i Gregory Smith, mpanorina ny Orina Mpanasoa ho an'ny Ankizy Tandindonin-doza, mba hanampiana amin'ny fanadihadiana ny tetikasa fanentanana farany indrindra nataon'ny fikambanana.

Brunéi : Amidy Anaty Bilaogy Koa Ny Mofomamy

  18 Desambra 2017

Momba ny sakafo mahasalama aho. Tsy mampiasa akory mpitahiry, hanitra na loko voatrolombelona aho ao anatin'ny mofomamiko. Tena hanitra avy amina voankazo tena izy, tahona lavanila tena izy, sôkôla tena kakaô, toy izany koa ny kafe sy ireo voan-javatra maro samihafa, no ampiasaiko.