Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Jona, 2015
Tondroin'i Koety ho Saodiana ilay Nanapoaka Tena tao amin'ny Moskea Shiita
Fantatr'i Koety ho Saodiana ilay nanapoaka tena ary nosamboriny ny mpamiliny taorian'ny fanafihana mampihorohoro ny moskea shiita iray nahafatesana olona 27 sy naharatrana olona mihoatra ny 200.
Vakoka Tranainy Siriana Amidy Ao Amin'ny Facebook
Amidy amin'ny fomba tsy ara-dalàna ao amin'ny Facebook sy amidy an-tapitrisany maro any amin'ny varomaizina ireo vakoka fahinin'i Siria norobain'ny ISIS mpanara-maso ny faritra.
Jereo i Afrika Tsy Ho Asehon'ny Media Anao Mandrakizay
Matetika ny Fampitam-baovao Tandrefana namariparitra an'i Afrika ho toerana maizina, tsy misy fanantenana. Nifamory teo ambany hashtag #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou ny Afrikana mpisera Twitter hanaporofo aminao fa tsy marina izany.
Inona ny Mety Lazain'ny #SaudiCables Amintsika Momba ny Politika Ivelan'ny Fanjakana
Hita ao amin'ny telegrama naporitsaka avokoa ny lohahevitra isan-karazany hatramin'ny fanomezan'ny fanjakan'olo-tokana tsy refesi-mandidy "visa" amin'ny vehivavy mpihira ka hatramin'ny politikam-paritra sy iraisampirenena. Rehefa mamaky ireo taratasy naporitsaka ianao dia mety hanana tsoakevitra maro.
Tonga ny Fotoanan'ny Orana, Mitondra Hafaliana, Aretina an-Doha ary Sary Mahafinaritra
Zavatra natao hankalazaina ny fanombohan'ny fotoanan'ny orana saingy miteraka fikorontanan'ny andavanandrom-piainan'ny olona amin'ny ankapobeny ny tondradrano.
Nifantoka Tamin’i Yazan Halwani, Mpanakanto An’arabe Ao Beiroty, ny Sain’ny Maro
Nisy Libane mpanakanto niverina ho eny an-dalana ao Beiroty, hosodoko amin’ny rindrina iray hatrany. Miara-mipetraka amin’i Yazan Halwani i Joey Ayoub avy amin’ny Global Voices mba hihaino ny tantarany.
‘Ho An'ny Fianakavianay No Maha-Eto Anay': Mpiasa Filipiana Mitokona Mifampizara Fanantenana Ho An'ny Ampitso
“Mitolona ho amin'ny fanaovana izay haha-ara-dalàna izahay mba tsy hahavery fihinanana anay. Ho an'ireo rehetra mpiasa iharan'ny fanararaotan'ny orinasa ity.”
Djibouti Ao Anatin'ny Ady Amin'ny “djihadisma”
Tany feno zava-mifanohitra tsy takatry ny saina i Djibouti. Andrin'ny ady atao amin'ny djihadisma any amin'ny faritra misy azy, saingy loharanom-bola avy any ivelany ho azy koa io ady io.
Mbola Mitokona Hatrany Ireto Mpiasan'ny Ozinina Any Filipina Ireto Na Eo Aza Ireo Fanafihan'ny Mpiambina sy Jiolahim-boto
Mpiasa araka ny fifanarahana asa na mpiasa miserana ny 90 isanjaton'ireo mpiasan'ilay orinasa. Naparitak'ireo jiolahim-boto nolazaina fa vokaraman'ny orinasa tamin'ny fihetsika mahery vaika ireo mpiasa nitokona.