· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Oktobra, 2017

Taiwan: Puncar Mampihena Ny Hantsana Nomerika

  30 Oktobra 2017

Mianoka ambaratongam-pandrosoana tsara i Taiwan ary raha ampitahaina amin'ireo faritra hafa amin'izao tontolo izao ilay nosy dia heverina ho manana zo mitovy ihany ny mponina ao aminy. Saingy mbola lalina ny hantsana nomerika misy eo amin'ny tanàndehibe sy ny ambanivohitra.

Shina: Ao Beijing Ireo Pandas Olaimpika

  27 Oktobra 2017

Toa miasa ao amin'ny Valan-javaboary Wolong ao Wenchuan, Sichuan, izay ivon-toeran'ny horohorontany tamin'ny volana lasa teo ilay bilaogera EastIsRed66 ao amin'ny sehatra famahanana bilaogy Sina.com ..........

Romania: Mihira Ny Noely

"Fahatsiarovana avy any Romania: Tamin'ny andro farany nijanonako tao [ Onesti ], maro tamin'ireo mpianatra no tonga tao amin'ny" Cancelarie "(efitranon'ny mpiasa) mba hihira ireo hiran'ny noely ho an'ny mpampianatra. Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe efa niomana ny hanao izany izy ireo, tena fahatsiarovana mahafinaritra tsy hay hadinoina :) "- avy amin'ny L-plate big cheese

Però: Ny Ranom-boankazo Amazoniana

  13 Oktobra 2017

Alejandro, Peroviana monina any Kalifornia izay namaritra ny bilaoginy samihafa ho "tetezana eo anelanelan'i Kalifornia, Però, izao tontolo izao, ny tenako, izy ireo no fitaratra." Niverina tany Però izy vao haingana ary sambany nitsidika ny faritra avaratra atsinanan'i Amazonia sy naka sary maromaro mampiseho ny fivarotana sakafo eny an-dalambe ao an-toerana ho an'ny tranonkalan'ny bilaoginy mampilela-molotra Peru Food.