· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Aogositra, 2010

Pakistana: Manao hetsika ireo mponina amin'ny aterineto hanampiana ireo tra-boin'ny tondra-drano

  28 Aogositra 2010

Naka ain'olona 1600 mahery ny tondra-drano a farany teo tany Pakistan ary nahakasika vahoaka manodidina ny 20 tapitrisa izay tena anatin'ny filàna fanampiana mihitsy amin'izao. Mitety ireo faritra mamakivaky an'i Pakistana ireo tanora Pakistane mponina amin'ny aterineto mizara ireo fanampiana ary maneho ireo hetsika ataony ho hita mivantana amin'ireo bilaoginy, sy ny Twitter, ireo sary sy ireo horonantsary.

Maneran-tany: Kisarisarin'ny Ramadany

Isan-taona, ireo silamo mpampiasa tranonkala maneran-tany dia mifampizara sary ho fankalazany ny Ramadany. Raha manetriketrika ny ankamaroan'ireo sary ireo, tahaka ny iray etsy ankavia, matetika dia feno hatsikana mivezivezy koa any, hoy ny voasoratr'i Jillian C. York, izay nizara sombintsombiny tamin'ity fifaliana ity.

Afghanistan : saripikan'ny mpamaham-bolongana ivelan'ny ady sy ny Wikileaks

  12 Aogositra 2010

Amin'ny alalan'ny fanehoana an-tsary ny endrika isan-karazan'ny fireneny no amoahan'ny mpamaham-bolongatsary Afghan izany Afghanistan ankoatra ny ady sy ny Wikileaks. Nasim Fekrat, ilay mpamaham-bolongana Afghan efa nahazo loka no manolotra antsika ny endrika kanton'i Afghanistan – firenena meva tontolo voahary – sy ny endrika “mikentrona” ao aminy, ny fahantrana. Afghanistan Meva...

Rosia: Tanàna sy vohitra maro may

Akon  05 Aogositra 2010

Doro ala sy afo be mivaivay no mandripaka manivatsiva an'i Rosia afovoany ; olona an'arivony no alàna amin'ireo faritra voakasika, ary ny mampalahelo dia, misy tatitra mikasika ireo fahafatesan'olona ( miisa 28 farafahakeliny , hatramin'ny androany ). Tamina tranga maro dia tsizarizary ny fandraisana an-tànana ny ezaka famonoana afo, ka nisafidy ny hihetsika amin'ny herin'ny tenany ireo mponina eo an-toerana sy hiaro ireo tanàna sy vohitra manodidina miaraka amin'izay fitaovana mety hananany eo am-pelatanany.

Tondra-drano nandrava tany Pakistan

  04 Aogositra 2010

Tondra-drano tany Pakistan, 02 aogositra 2010. Sary tamin'ny Flickr nampiasa Globovisión. CC BY-NC Tsy nitondra fitahiana ho an'i Pakistan tamin'ity taona ity ny Rivotra mousson. Raha noheverina ho fotoam-pankalazana sy fifaliana amin'ny firotsahan'ny orana izany hatramin'izay, ny zava-niseho kosa izay nisian'ny tondra-drano mahatsiravina dia izay tsy nandrasan'ny Pakistaney velively. Namely vao...

Maraoka: Blaogin-tsary vaovao an'i Agharass

Ilay mpitoraka blaogy Maraokana Agharass dia fantatra amin'ny blaoginy malala-pijery miaraka amin'ireo lahatsoratra (amin'ny teny Frantsay) momba ny lohahevitra isan-karazany manomboka any Palestina ka hatrany amin'ny kolotsaina pop, matetika voaravaka amin'ireo sary avy amin'ilay mpitoraka blaogy manokana. Agharass izao dia manana blaogin-tsary antsoina hoe "Portfolio de Agharass!"