Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Septambra, 2013
SARY : Fanaparitahana Amin-Kerisetra Ireo Mpanohitra Ny Fifidianana Any Kambodza
Nomelohin'ny mpiaro ny zon'olombelona ny fanaovana herisetra nataon'ny mpitandro filaminana hanaparitahana ireo mpanohitra ny fifidianana any Kambodza. Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy tena bala ihany koa ny mpitandro filaminana
26 Oktobra: Andro Entina Mankahatra Ny Fandraràna Ny Vehivavy Tsy Hamily Fiara
Napetraky ny vondrona iray ahitàna ireo vehivavy Saodiana mpikatroka mafàna fo ny 26 Oktobra 2013 ho andro iray entina mankahatra ny fandraràn'ny fanjakàna ny vehivavy tsy hahazo mitondra fiara.
Rivo-Doza ‘Manuel’ Manafo-Drano An'i Acapulco
Faty 34 ary tra-boina an'arivony raha ny tatitra azo, ambonin'izany ireo mpizaha tany 40.000 tsy tafavoaka .
Fa Maninona No Manosotra Varinesy Amin'ny Hohony Ireo Lehilahy Saodiana?
Manosotra varinesy amin'ny hohony ireo tovolahy Saodiana sady mampiseho ny volon-tongony ho fandraisany anjara amin'ny teny ifankahafantarana ao amin'ny Twitter midika hoe "Alaivo sary tahaka ny ataon'ny tovovavy ny tenanao".
Shina, Paradisa Vaovao Ho An'ny Mpikarakara Fizahantany
Ny isan'ny mpitsangatsangana sinoa 10 tapitrisa ny taona 2000 ary lasa 83 tapitrisa ny taona 2012. Jery akaiky momba io tsena vaovao mivelatra io.
Oroka no Niantombohany: Miteraka Adihevitra Momba Ny Fankahalana Ireo Olona Mitovy Fananahana Miaraka Ny Mpilalao Baolina Kitra Iray any Brezila
Niteraka tsy fitovian-kevitra sy resabe tao anatin'ny media sosialy ny sary mampiseho mpilalao baolina kitra iray manoroka ny namany lahy , mifanandrina ny "machismo" sy ny fanekena.
Kiobana Mpitsabo Efajato Ho Any Brezila
Nandefa taratasy misokatra ho an'ireo mpitsabo Kiobana maherin'ny efajato izay vao tonga vao haingana tany Brezila ary mandrafitra ny vondronà mpitsabo 4.000 voalohany andrasana ho tonga any amin'io firenena io alohan'ny volana Desambra amin'ity taona ity i David Oliveira de Souza
Mitaky Ny Fahaleovantenany Ny Katalàna Maneran-Tany
Fifampitantanana no nankalazan'ny vondrom-piaraha-monina Katalana era-tany mba hitakiany ny fahaleovantenany amin'i Espaina.
Kiobà Mandoko Mavo Ho Fanohanana Ireo Gadra “Los Cinco” Any Etazonia
15 taona izay no nisamborana ireo Kiobàna dimy izay niditra tao amin'ireo vondrona mpanohitra an'i Castro tao Miami. Nisy ny fanentanana vaovao hitakiana ny famotsorana ireo efatra sisa mbola voafonja.
Solombavambahoaka Jordaniana Nitifitra Tamin'ny Kalachnikov Tao Amin'ny Antenimiera
Mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena Jordaniana no nitifitra solombavambahoaka iray nandritra ny fotoam-pivoriana androany. Tsy nisy ny olona naratra tao anatin'izany korontana izany