Nitory ny lehiben'ny repoblikan'i Sakha (Rosia) ireo mpikatroka zon'olombelona ao Moskoa noho ny fandraràna ireo mpifindra monina

Filohan'ny Repoblikan'i Sakha (Yakutia), Yasen Nikolayev, izay nanao sonia ny didy mandràra ny mpifindra monina rehetra tsy hiasa ao amin'ny Repoblika tamin'ny 27 martsa 2019. Sary:kremlin.ru, CC 4.0 

Nitory ny governemantam-paritany ao Yakutia tany amin'ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana ao Rosia ny fikambanana momba ny zon'olombelona ao Moskoa noho ny baiko teo an-toerana vao haingana izay mandràra ireo mpifindra monina vahiny tsy hiasa ao amin'ny repoblika.

Yakutia, iray amin'ireo repoblika 22 ao Rosia, dia faritany saro-dalana sy vitsy mponina any amin'ny farany atsinanan'i Rosia. Tany am-piandohan'ity taona ity, nanao fihetsiketsehana manohitra ny mpifindra-monina ireo mponina any Yakutsk, renivohitry ny repoblika taorian'ny tranga fanolanana nihatra tamin'ny Yakut iray ary ilay mpiherisetra (mpanolana) avy any Kyrgyzstan, Repoblika Sovietika teo aloha izay anisan'ny mpandray anjara lehibe indrindra amin'ny asa ataom-bahiny any Rosia amin'izao fotoana izao.

Tamin'ny faramparan'ny volana martsa 2019, nanasonia didy mampiadihevitra mandràra ny mpiasa mpifindra monina vahiny tsy hiasa ao amin'ireo indostria isan-karazany eo an-toerana, ary koa manery ireo orinasa ireo mba handroaka izay mpifindra monina efa niasa tao anatin'ny telo volana ny governoran'ny repoblika, Yasen Nikolayev.

Tamin'ny volana Aprily, nanambara tao amin'ny pejiny Facebook ny fikambanana ao Moskoa, nantsoina hoe “Ny tany tsy misy fanavakavaham-bolon-koditra sy fankahalana vahiny” fa hametraka fitoriana ny faritany izy ireo:

Мы считаем, что Глава Республики Саха (Якутия) Николаев А.С., злоупотребил правом, приняв решение, не основанное на региональных объективных особенностях рынка труда и необходимости в приоритетном порядке трудоустройства граждан Российской Федерации.

Nanatsoaka hevitra izahay fa nanampatra ny zony tamin'ny fanapahan-kevitra tsy mifototra amin'ny fepetran'ny asa tsy mitanila sy ny filàna asa laharam-pahamehana ho an'ny olom-pirenen'ny Federasiona Rosiana ny lehiben'ny Repoblikan'i Sakha (Yakutia), Yasen Nikolayev

Tsy mitovy hevitra ireo manam-pahaizana manoloana ny maha ara-dalàna na tsia ny fandraràna, saingy toa hita fa tao anatin'ny zony ara-dalàna tokoa i Nikolayev tamin'ny fampidirana izany. Manana ny lalàmpanorenany sy ny sampana mpanao lalànany manokana ny repoblika ao Rosia, ka tsy fikasana voalohany amin'ny karazany mikendry ny tsenan'ny asa eo an-toerana izany ary lavitra ny fanandramana voalohany hifehezana ny tsenan'ny asa eo an-toerana.

Na ahoana na ahoana, ny fandraràna ireo vahiny mpifindra monina ao Yakutia dia tsy hahavitana na inona na inona afa-tsy ny famotehana ireo hetsi-panoherana goavana.

Samy mpikambana ao amin'ny Sendikà Eoroaziatika momba ny Toekarena i Rosia sy i Kirghizistan, izay tsena tokana ahitana fivezivezena malalaka amin'ny asa. Izany no nahatonga ireo mpiasa Kyrgyz 640.000 izay mipetraka any Rosia amin'izao fotoana izao araka ny antontanisa manokana avy amin'i Kyrgyzstan tsy voafehin'izay lalàna rehetra itondrana ny mpiasa vahiny.

Ankoatra ny filazana ny lafiny maha-olombelona amin'ny lalàna sy ny fihetsika izay miantraika amin'ny olona an-hetsiny noho ny heloka bevava nataon'ny olona iray, dia tsy maintsy hiady amin'ny fihetsik'i Yasen Nikolayev amin'ny antony ara-pitsarana manokana ireo mpikatroka zon'olombelona Rosiana tahaka ny “The Land Without Racism and Xenophobia” (Ny tany tsy misy fanavakavaham-bolon-koditra sy fankahalana vahiny), milaza fa tsy ilaina ny fifehezana ny tsenan'ny mpiasa eo an-toerana any Yakutia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.