Bahrain: Ao amin'ny tany misy lalàna

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2008)

Gaga ilay bilaogera Bahrainita Khalid [Ar] tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny governemanta – taorian'ny namoahan'ny Minisitry ny Atitany baiko handràra ny famoahana fahazoan-dàlana ho an'ny mpiasa avy any Bangladesh – ao amin'ny firenena izay mirehareha amin'ny maha-demaokrasia azy ao amin'ny lalàna sy lalàmpanorenana an-toerana.

Hoy izy nanoratra:

في العهد الجديد .. عهد ما يسمي بالحرية و الديمقراطية و حرية الصحافة يكتب البعض لكونه قد وجد أخيرا متنفسا ليعبر عن رأى ما..في موضوع ما !!! هذا المتنفس كان محظورا غالبا .. لأسباب يطلق عليها جزافا ..أسباب أمنية …!!! طبعا أمنية لطرف ما ..!!! فالحكومة مثلا يمنع ذكرها إلا بكل خير ..!!! انتقادها أو وضعها في قفص الاتهام يعد من الممنوعات بالمصطلح المدني أو من المحرمات بالمصطلح الديني ..!!! بالرغم من إن الحكومة ليست سوى مجرد بشر .. يصيب ويصيب ويصيب ..بمفهوم العهد السابق ….!!!تصيب و تخطيء بالمفهوم الجديد ..!!!

في العهد الجديد ظهر مصطلح الديمقراطية.. والمدعومة بدولة المؤسسات و القانون ..!! في هذا العهد .. حيث اى فعل أو توجه أو عمل يجب إن يستند إلى قرار أو مرسوم أو تشريع ..!!! ولكن مؤخرا ظهرت عدة أموار تناقضه أو تتجاهله وعلى المكشوف .. كما يقال ..!!! فحرية الصحافة أصبحت بعد فترة من العهد الجديد تشكل عبأ على السلطة التنفيذية وهذه الأخيرة بدأت في الضغط على ما يسمي بالسلطة الرابعة وهى الصحافة ..!!! وظهر ما يسمي بالتقنين على ما يطرح للنشر .. فجريدة تحظر نشر موضوع ما وأخرى تبتر فقرة و أخرى تحذف جملة أو كلمة ..!! وأخرى تنشر بالكامل ..وخاصة الصحف الالكترونية ..!!! هذا النشر أو الحظر أو البتر يعتمد على نوع العلاقة التي تربط الجريدة بالسلطة التنفيذية والمتمثلة بالحكومة ..!!!

مؤخرا صدر قرار أو تعليمات من سعادة وزير الداخلية – مملكة البحرين – بإيقاف إصدار تأشيرات العمل للرعايا البنغاليين…!!!! بسبب الجريمة البشعة التي ارتكبها احد رعايا بنغلادش ..!!! وهنا يطرح مجرد سؤال .. ما هي الدوافع الأساسية لمثل هذا القرار أو التعليمات ..؟؟!! وما هى المرجعية القانونية لإصداره ..؟؟!!! هناك جريمة و هناك تحقيق وهناك قضاء ..!!! فلماذا هذا الحظر على أمة ” بنغلادش “..؟؟!!! ولماذا هذا التمييز ..؟؟!! وتحت اى عرف أو قانون أو تشريع يتم معاقبة شعب بجريرة فرد أو مجموعة …؟؟!!! السنا في دولة المؤسسات و القانون …؟؟!!! هل كان قرارا صائبا ..؟؟!! بالتأكيد .. لا ..وهو خطأ فادح .. فاليوم يتحدث الجميع وعل كافة الأطياف إن كافة البنغاليين مجرمون … قتلة .. يجب طردهم ..!!

Ao anatin'ny vanim-potoana vaovao, manoratra momba ny antsoina hoe demaokrasia sy ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny olona sasany satria nahita sehatra hanehoana ny heviny amin'ny lohahevitra sasany !! Saika voaràra hatrany izany sehatra izany noho ireo antony antsoina hoe “antony ara-piarovana.” Mazava ho azy, fa raharaha ara-piarovana ho an'ny sasany izany! Ny governemanta, ohatra, dia tsy azo tononina raha tsy amin'ny zavatra tsara. Ny fanakianana azy io na ny fiampangany azy amin'ny zava-drehetra dia tsy ara-dalàna amin'ny heviny sivily ary fahotana amin'ny teny ara-pivavahana. Na dia vahoaka aza no mandrafitra ny governemanta, vahoaka izay manao ny marina amin'ny rafitra tranainy, manao ny marina izy ireo ary manao hadisoana ao amin'ilay vaovao.

Ao amin'ilay vaovao, nipoitra ny teny demaokrasia, ary tohanan'ny fanjakana iray, ny andrim-panjakany sy ny lalàna izany! Amin'izao vanim-potoana izao, ny zavatra rehetra ataonao dia tokony avy amin'ny fanapahan-kevitra, didim-panjakana na fanitsiana lalampanorenana !! Vao haingana, nisy tranga maromaro nifanohitra tamin'izany nitranga ampahibemaso. Nanjary enta-mavesatra ho an'ny governemanta amin'izao vanim-potoana vaovao izao ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, izay nanomboka nanao fanerena tamin'ny gazety. Nitarika fifehezana izay votoaty avoaka izany. Ohatra, mety mandrara famoahana lahatsoratra iray manontolo ny gazety iray; ny faharoa mety mamafa andalan-dahatsoratra; ary ny fahatelo mety manaisotra fehezan-teny na teny. Ny hafa, indrindra fa ny gazety antserasera, no hamoaka ilay lahatsoratra manontolo. Ny fanapahan-kevitra hamoaka na hanivana lahatsoratra dia miankina amin'ny fifandraisana misy eo amin'ny gazety sy ny sampana mpanatanteraka, solontenan'ny governemanta.

Vao haingana ny Minisitry ny Atitany any Bahrain no namoaka didim-panjakana mandrara ny famoahana fahazoan-dàlana vaovao hiasa ho an'ny Bangladeshita !! Izany dia noho ny heloka bevava mahatsiravina nataon'ny Bangladeshita iray !! Ary te-hanontany aho eto hoe: Inona no antony lehibe namoahana ity lalàna ity? Inona avy ireo antony ara-dalàna hamoahana azy io? Misy ny heloka bevava, ary misy ny fanadihadiana ary misy ny fitsarana sy ny rafi-pitsarana. Koa inona no anton'ity fandraràna ny vahoaka ao Bangladesh ity? Ary inona no anton'ity fanavakavahana ity? Ary amin'ny lalàna inona no voasazy ny firenena iray manontolo noho ny heloka nataon'ny olona iray na vondron'olona iray? Moa ve isika tsy ao amin'ny firenena misy andrim-panjakana sy lalàna? Ara-drariny ve izany fanapahan-kevitra izany? Mazava ho azy fa tsia ary fahadisoana lehibe izany. Androany, miresaka avokoa ny rehetra raha mpanao heloka bevava sy mpamono olona, ​​izay tokony horoahina ny Bangladeshita rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.