Mifanome Tànana Ny Fisavoritahana Sy Ny Horohoro Ao Guinée-Bissau

Raha mbola mifantoka any amin'ny faritra iray hafa amin'i Afrika Andrefana ny sain'izao tontolo izao, ny olom-pirenen'i Guinée-Bissau, firenena kely iray mikorontana kosa, dia mitolona hitondra ny zava-misy momba ny zon'olombelona ho ao an-tsain'ny any amin'ny faritra sy ny iraisam-pirenena.

Namoaka tatitra iray mavesa-danja [pdf] ny Ligy Gineana momba ny Zon'olombelona, mikasika ny zava-misy ankehitriny momba ny zon'olombelona, tena dobok'amponga gavana ho an'ireo izay mihevitra ny fahanginana misy dia midika fa mandeha tsara ny zavatra rehetra ao amin'ilay firenena [pt]:

[…] a Guiné-Bissau tornou-se num país isolado de um mundo cada vez mais globalizado, país onde o pânico e o terror caminham de braços dados. A população vive entrincheirada no seu próprio receio de um amanhecer de novas violências, de fugas sem destino, agravadas pelo facto de de se aperceber que a comunidade internacional não consegue unir-se, para garantir os interesses e aspirações.

[…] Nanjary firenena mitka-monina i Guinée-Bissau ao anatin'ny tontolo izay tsy mitsahatra ny miditra amin'ny fanatontoloana, firenena iray izay ahitàna ny fisavoritahana sy ny horohoro mifanome tànana. Miaina anaty fiforetana anaty tahotra ny sao hanaitra horohoro vaovao indray ny vahoaka … vao mainka miharatsy atosiky ny zava-misy amin'ny tsy favitàn'ny fianakaviambe iraisam-pirenena miantoka ny tombontsoa[ny] sy ny hetaheta[ny].

Araka ny nitateran'ny Global Voices azy, fanonganam-panjakana iray tamin'ny Aprily no nanozongozona ny firenena, narahan'ny “tezamita” misy ankehitriny nelanelanin'ny Economic Community of West African States (ECOWAS / CEDEAO) izay notentenin'ny fingampingana sy ny fampanginana ireo feo politika.

Ny goavana sasany amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena mpiaro zon'olombelona dia nanakombom-bava nandritra nyvolana maro manoloana ny resaka Guinée-Bissau, ary tena voamarika fa tsy nampidirin'ny Human Rights Watch tao anatin'ny tatitra 2012 avy aminy akory ilay firenena, ka mahatonga ny tatitry ny Ligy Gineana mpiaro ny zon'olombelona ho faran'izay manana ny lanjany tokoa.

Guinean Human Rights League Report on Human Rights. Click the image to download the pdf file.

Tatitry ny Ligy Gineana Mpiaro ny Zon'Olombelona mikasika ny Zon'Olombelona. Potsiro ny sary mba hitrohana ny failo .pdf [pt].

Manoratra ny Ligy ao amin'ny tatitra hoe [pt]:

…este trabalho difícil, sobretudo por se realizar num contexto de ameaças de toda a orden, só foi possível graças aos esforços dos membros e estruturas a todos os níveis desta or- ganização, assim como às pessoas singulares, radicalmente comprometidos com as causas nobres de direitos humanos e paz

…ity asa sarotra ity, indrindra indrindra fa notanterahana tao anaty vanim-potoana feno izao karazana fandrahonana rehetra izao, dia tanteraka noho ny ezak'ireo mpikambana sy rafitra isaky ny ambaratongany ao amin'ireny fikambanana ireny, hatramin'ireo olona tsirairay, izay tena mirotsaka lalina amin'ny olana momba ny zon'olombeona sy ny fandriampahalemana

Raha toa ilay tatitra mitondra antontan-kevitra milaza fanitsakitsahana ireo zo ara-toekarena sy sosialy, hatramin'ny fanitsakitsahana ny  zon'ireo zaza amam-behivavy, ny ampahany tena misy ventiny dia ireo mifantoka amin'ny ‘tsimatimanota’, ny rafi-pitsarana ary ny tafika mitam-piadiana. Nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny Aprily, manoratra ny Ligy hoe  [pt]:

[…] os direitos e liberdades fundamentais nomeadamente, a liberdade de expressão, de manifestação e de reunião, foram e continuam a ser ilegalmente restringidas pelo Estado-Maior, detentor do poder real no país, em nome da garantia de uma paz e estabilidade inexistentes, numa clara violação da constituição da república e dos instrumentos jurídicos interna- cionais dos direitos humanos. A sociedade guineense vive hoje, independentemente da sua vontade, num clima de insegura e amargurada impotência e refém de uma classe política e castrense dividida, imprevisível e violenta.

[…] ireo zo sy fahalalahana fototra ka isan'izany ny fahalalahana maneho hevitra, hanao fihetsiketsehana ary ny fivoriana, no efa ary mbola mitohy fatopatoran'ny Mpitantana [Miaramila] amin'ny fomba tsy araka ny lalàna, tompon'ny tena fahefana marina ao amin'ny firenena, tamin'ny anaran'ny fiantohana fandriampahalemana sy fahamarinan-toerana izy tsy misy akory, tanaty fanitsahana mibaribary ny Lalam-panorenan'ny Repoblika sy ireo fitaovana rehetra iraisam-pirenena ho fiarovana zon'olombelona. Ankehitriny, miaina tsy sazoka anaty rivotra tsy fandriampahalemana sy firaviraviana tànana ny fiarahamonina Gineana, sady takalonaina anaty sarangam-piarahamonina mizarazara, tsy hay hoe ahoana sy mahery setra ara-politika ary ara-miaramila.

Resaka herisetra inona moa no resahana eto? Tamin'ny Oktobra, taorian'ny herisetra tany aminà toby an'habakabaka irey sy ny ahiahy fisianà fhokoana, dia voasambotra ny mpitarika izany (nitatitra ny Global Voices), mpitarika iray avy amin'ny mpanohitra no nalaina an-keriny sady novonoina tamin'ny fomba feno habibiana [tandremo: sary mahery setra]. Avy eo niseho masoandro ireo tatitra momba ny famonoana tanora tany Bolama [pt] ripaka tamin'ny famoretan'ny miaramila. Tamin'ny Novambra, ny Ligy Gineana Mpiaro ny Zon'olombelona dia niampanga fakana an-keriny iray nanjo lehilahy iray tsara fifandraisana [pt]  izay “tany amin'ny tranompatin'ny hopitaly lehibe iray tao amin'ny firenena no nahitàna ny fatiny taty aoriana”. Nanoratra ilay bilaogera Pasmalu [pt] tamin'ny Novambra :

Perante a inércia dos países democráticos e com a conivência activa da CEDEAO, que pinta este país como se a barbárie não tivesse assentado praça na Guiné-Bissau e tudo estivesse a correr da melhor forma, prossegue todos os dias a MATANÇA de pessoas em Bissau.

Já não são só por razões de perseguição política, embora esses casos sejam os mais numerosos, mas os militares e alguns civis ligados ao (des)governo, que fazem questão de estar presentes e participar não só nos espancamentos como nos assassinatos, aproveitam para ajustes de contas de ódios pessoais antigos e recalcados.

Manoloana ny tsy fihetsehan'ireo firenena demaokratika sy ny firaisana tsikombakomba ataon'ny CEDEAO, izay mandoko ny firenena ho toy ny tsy misy fanjakan'ny baroa izany mitoetra ao Guinée-Bissau fa mandeha tsara daholo ny zavatra rehetra, mitohy hatrany ny VONOMOKA atao amin'ny vahoaka ao Bissau.

Amin'izao fotoana tsy hoe ny fanenjehana ara-politika ihany, na dia izy ireny aza no tena maro an'isa, fa hatramin'ireo miaramila sy sivily sasany miray tendro amin'ny (tsy)governemanta koa, no misisika mba ho hitavatana mandray anjara, tsy amin'ny fidarohana fotsiny fa hatramin'ny fandatsahana aina mihitsy, maka tombony amin'ny fanaovana valifaty manokan'ny tenany noho ny lonilony ratsy efa niotrika ela.

Fanantenan'ny hoavy

Omany dia nanao antso ny Filankevi-pilaminan'ny Firenena Mikambana tamin'ny alàlan'ireo diplaomaty ambony avy aminy hoe misy “rivotra mitondra horohoro amin'ny fiainana ankapobeny” ao amin'io firenena io, toerana  halehan'i José Ramos Horta, iraky ny UN sady nahazo ny loka Nobel momba ny fandriampahalemana ato anatin'ny andro vitsy.

Hoy ny bilaogy Ação Cidadã quotes liberation hero Amílcar Cabral [pt] ao amin'ny vaovao tselatra nalefany :

a luta do nosso povo é contra tudo quanto seja contrário à sua liberdade e independência, mas também contra tudo que seja contrário ao progresso e à sua felicidade

ny tolona ataon'ny vahoakanay dia manohitra izay rehetra manohintohina ny fahalalahana sy ny fahaleovantena, nefa koa manohitra izay rehetra mibahana ny fandrosoana sy ny fahasambaran'ny vahoaka

Nahitàna ny fiakaran'ny fandraisana andraikitra avy amin'ny olom-pirenena ireo volana vitsy lasa teo, toy ny Movicidadão [pt], izay fiaraha-mientan'ireo olon-tsotra sy ireo vondrona izay handray anjara aminà fitezana amin'ny fiara mba handrakitra sy hizara antontan-taratasy ho an'ireo olom-pirenena marobe tsy manana azy ireny. Ação Cidadã [pt] koa dia mampiseho ny fomba ataon'ireo tanora “hakàna” ny toerana natao ho an'ny daholobe tao an-tanànan'i Buba tamin'ny nanomezany anarana ireo arabe sy toerana ho an'ny daholobe tahaka ny “Active Voice Alley” na “Patio of Justice“.

Mandritra izany ireo Gineana Poeta sy mpanakanto dia nikarakara hetsika mandritra ny herinandro iray ho an'ny kolontsaina  any Portiogaly [pt] mba hanehoana amin'izao tontolo izao fa “mbola manana be lavitra mihoatra noho izay miaramila raha i Guinée-Bissau”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.