Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Septambra, 2018
Egypta: Efa nazava ny fandresen'i Obama
Ninoana mihitsy fa samy nanana ny heviny ireo bilaogera Egyptiana momba ilay filoham-pirenena vaovao eto amin'izao tontolo izao ... ehm ... Etazonia rehefa fantatra tamin'ny fomba ofisialy fa i Obama no filohan'i Etazonia faha 44, hoy i Tarek Amr nanoratra raha nanadihady ireo bilaogy Egyptiana nandritra ny alin'ny valim-pifidianana manan-tantara.
Egypta: Nosakanan'ny Blogger ny bilaogin'i Nawara
Toa hita fa tsy ny mpitondra ny firenena mahantra ihany no manakana ny bilaogin'ny olona. Toa hita fa nanapa-kevitra ny hanara-dia ny Blogspot, ary nanakana ny Bilaogin'i Nawara Negm (Tahyees), tsy nisy filazana antony manokana. Ary nanoratra momba ity tranga ity amin'ny teny Arabo i Ahmed Shokeir .
Egypta: Voina nitranga ao Doweiqa
Nanoratra momba ny loza nitranga tao Doweiqa izay nahafatesan'olona maherin'ny 30 noho ny fianjeran'ny vato ny bilaogera Egyptiana. Azo natao ve ny nisoroka ity loza ity? Ary nahoana no ireo olona fadiranovana indrindra hatrany no tratran'izany?