Egypta: Efa nazava ny fandresen'i Obama

(Marihina fa tamin'ny 6 Novambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ninoana mihitsy fa samy nanana ny heviny ireo bilaogera Egyptiana momba ilay filoham-pirenena vaovao eto amin'izao tontolo izao … ehm … Etazonia rehefa fantatra tamin'ny fomba ofisialy fa i Obama no filohan'i Etazonia faha 44.

Nanoratra eto i Ahmed Doreiny fa tena efa nazava ny fandresen'i Obama.

معلوماتي تقول أن هناك مرشحان رئيسيان للانتخابات الامريكية:باراك أوباما وجون ماكين،لكن الأمر الواقع،ومن قلب إحدي
اللجان الانتخابية في نيويورك، يجعلني أقول لكم أن أوباما ينافس نفسه تقريبا.

كل الشباب في اللجان الانتخابية يقولون: أوباما..السيدات الثلاثينيات والاربعينيات يقلن :أوباما..يرتدون التي شيرتات التي تحمل صورته،يتحدثون عن التصويت له كما لو كان أمرا بديهيا.

Raha ny fahalalako azy dia nisy kandidà roa tao amin'ny fifidianana tany Etazonia, Barack Obama sy John McCain, saingy raha ny zava-misy, sy araka izay hitako tao, toa i Obama irery ihany no mpifaninana tamin'i Obama.

Niantso ny anarany ny tanora hatraiza hatraiza, niantso ny anarany ihany koa ary nanao t-shirt misy ny sariny ireo vehivavy eo amin'ny telopolo taona sy efapolo taona. Niresaka avokoa izy rehetra toy ny hoe efa mazava ny hifidianany azy.

Ary nanoratra eto niarahaba an'i Obama tongasoa ihany koa i Sara ao amin'ny  One Long Road :

I hope he's sincere and honest and true.
Being the first African-American President, he should have a lot of eyes watching him and a lot of pressure which I think he shouldn't give in to.

Manantena aho fa tso-po sy mahitsy ary marina izy.
Amin'ny maha-filoham-pirenena Afrikana-Amerikana voalohany azy dia betsaka ny maso mijery azy sy ny tsindry maro izay heveriko fa tsy tokony handeferany.

Raha nanoratra ato kosa i Mohaly :

I am not dreaming that US president will care about us, coz it is all about benefits in politics. But I am really happy that Obama won the presidency because he is a symbol of someone who challenged everyone, came over taboos and granted stuff, and was persistent enough to plan and reach his goals.
I respect the American people who had the guts to know that they were wrong for the last 8 years and it is about time to fix their mistake (67% of states voted for change)!
Obama is a really an international president, born in Hawaii, has african father, had his childhood in Asia, and is an American citizen…. black father, white mother…. Muslim father, secular mother, and Christian child… it is rare to find all these stuff in one person.

Tsy manonofy aho fa hikarakara antsika ny filoha Amerikana, satria resaka tombontsoa ara-politika izany. Saingy tena faly aho fa nandresy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena i Obama satria izy no mariky ny olona iray nifanamby tamin'ny tsirairay, naharesy ny fady ary nanome ny zava-drehetra, ary naharitra tamin'ny fanomanany sy ny fanatratrarana ny tanjony.
Manaja ny vahoaka Amerikana aho izay nanana ny risim-pony tamin'ny fahafantarana fa diso ry zareo nandritra ireo 8 taona farany ary tonga ny fotoana hanarenana ny fahadisoany (nifidy ny fanovana ny 67%-n'ny fanjakana)!
Filoha tena iraisam-pirenena i Obama, teraka tany Hawaii, Afrikana ny rainy, tany Azia izy no niaina ny fahazazany ary mizaka ny zom-pirenena Amerikana …. ray mainty hoditra, reny fotsy hoditra…. raim-pianakaviana Miozolomana, sy reny laika ary zanaka Kristiana … mahalana ny ahitana ireo rehetra ireo amin'ny olona iray.

Ary farany “nisy Egyptiana anankiray” nanana hevitra hafa eto :

I wish Obama you drop dead before you become the US president.

Matesa alohan'ny hahatongavanao ho filohan'i Etazonia ianao ry Obama.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.