Egypta: Nosakanan'ny Blogger ny bilaogin'i Nawara

(Marihina fa tamin'ny 16 Novambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Toa hita fa tsy ny mpitondra amin'ny firenena tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa ihany no manakana ny bilaogin'ny olona. Toa hita fa nanapa-kevitra ny hanaraka ity fiaran-dalambin-dry zalahy ity ny Blogspot an'i Google, ary nanakana ny Bilaogin'i Nawara Negm (Tahyees), tsy nisy filazana antony manokana. Ary nanoratra momba ity tranga ity i Ahmed Shokeir eto:

مع الساعات الأخيرة من الليل وبينما الكل يتأهب للذهاب للفراش ، فوجئ مجتمع المدونين على الجايكو بخبر غير متوقع صطدم الجميع … وهو تعليق مدونة نوارة نجم الشهيرة بجبهة التهييس الشعبية … لمخالفتها شروط الإستخدام حسب تعبير البلوجر
Raha iny handeha hatory iny ny olona rehetra dia nahita hafatra nanaitra tao amin'i Jaiku ireo bilaogera izay milaza fa voasakana ny bilaogin'i Nawara Negms (Gabhet El Tahyees El Shaabeya) satria nandika ny fitsipika sy ny lalàna mifehy ny Blogger izy.
نوارة … وطبقا لإحصائيات جوجل ريدر تنشر أربعة وعشرون وسبعة من عشر تدوينة في الإسبوع أي مايزيد عن أكثر من ثلاث تدوينات ونصف يومياً .. مَن مِن البشر يستطيع أن ينشر هذا الكم من التدوينات التي تحمل رأي وفكر وتحليل ؟ ، تدوينات نوارة بلاشك مدرسة خاصة في الكتابة حملت أسلوباً مبتكراً وجديداً في الكتابة العامية لا يجيده أحد سواها
Nawara … Ary araka ny antontan'isa avy amin'ny Google Reader dia namoaka bilaogin-dahatsoratra miisa 24,7 isan-kerinandro izy, izany hoe lahatsoratra mihoatra ny 3,5 isan'andro. Olona iza no mahavita mamoaka lahatsoratra marobe toy izany izay feno hevitra sy fanadihadiana? Manana ny fomba fanoratany miavaka i Nawara satria manoratra amin'ny tenin-jatovo Arabo tsy nentim-paharazana izy.
أتوقع أن مدونتها سوف تعود في خلال أيام قليلة بعد مراجعة بلوجر لها ورفع التعليق ، فلايوجد في مدونتها مايخرق بأي شكل من الأشكال شروط بلوجر ، ولكن حتى العودة يظل الجميع متشككاً في عودتها
Manantena aho fa hiverina tsy ho ela ny bilaoginy, aorian'ny fijeren'ny Blogger ny votoatiny, satria tsy misy na inona na inona ao amin'ny bilaoginy manitsakitsaka ny fitsipika sy ny lalànan'ny Blogger. Saingy hatramin'izao, samy miahiahy ny hiverenany ny tsirairay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.