Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Jolay, 2014
Faly Tamin'ny Faharesen'i Brezila Tamin'ny Fiadiana Amboara Erantany Ny Arabo
Faly Tamin'ny Faharesen'i Brezila Tamin'ny Manasa-dàlan'ny Fiadiana Amboara Erantany Ny Arabo
Tonga Hatrany Bahrain ny Fampihorohoroana Isam-paritra
Niteraka fifanoheran-kevitra teo amin'ny firenena, izay efa mangotraky ny tsindry hazo lena ara-sekta, ny vaovao manasongadina fa hitsidika an'i Bahrain ilay Saodiana mpitari-pivavahana henjam-pihetiksa, Mohamad Al Arefe.
Avotsory Sanaa, Mba Hitsiry Ao Ejipta Ny Fitiavana
Natambatry ny fitiavana, nosarahan'ny rindrin'ny fonja. Manoratra bilaogy i Mona Seif momba ny fitiavana, ny hirifiry ary ny fanantenana, ao anatin'ity lahatsoratra tsy azo lalovana fotsny ity, mikasika ny rahavaviny Sanaa, voafonja noho ny fanaovana hetsi-panoherana tao Ejipta.
Mampakatra Vidin-tsolika Hatrany Amin'ny 78 Isanjato i Ejipta
Tezitra mafy tamin'ny fampakarana vidin-tsolika ireo Ejiptiana mpisera anaty aterineto, fampakarana lazain-dry zareo fa mitondra ho any amin'ny fisondrotan'ny saran-dàlana, ny vidin-tsakafo ary ny tolotra rehetra.
Polisy Roa Namoy Ny Ainy Noho Ny Tsy Fandraisana Andraikitry Ny Governemanta
Araka ny filazan'ny mpiserasera, mety ho voasoroka ihany ireo fipoahana tao amin'ny distrikan'i Héliopolis, tanàna ao Kairo renivohitra, raha tena niady tamin'ny fampihorohorona ny polisy fa tsy nifantoka tamin'ny fisamborana sy ny fampidirana mpikatroka am-ponja .
Any Tonizia, Hifidy Sa Tsia No fanontaniana
Satria efa manakaiky ny fifidianana ao Tonizia, adihevitr'ireo mpisera amin'ny aterineto ny hoe mendrika handrotsaka ny vatony ve ry zareo amin'ireo fifidianana solombavambahoaka sy izay ho filoham-pirenena hatao ato ho ato.