Tezitra mafy tamin'ny fampakarana vidin-tsolika ireo Ejiptiana mpisera anaty aterineto, fampakarana lazain-dry zareo fa mitondra ho any amin'ny fisondrotan'ny saran-dàlana, ny vidin-tsakafo ary ny tolotra rehetra.
Araka ny hevitr'i Ahmed Kheir, mmpampiasa Twitter avy ao Kairo, manana mpanjohy 2.200 :
بنزين 92 زاد 40 % بنزين 80 بتاع نقل الغلابة زاد 78% سولار الميكروباص والنقل زاد 63% بنزين 95 بتاع الشريحة اﻷغنى زاد 7% #عدالة_اجتماعية
— Ahmed Kheir (@AhmedKheir) July 4, 2014
lasantsy 92 Octane , hatramin'ny 40 isanjato
lasantsy 80 Octane , hatramin'ny 78 isanjato
ny gaz-oil, ampiasain'ireo ‘minibus’ sy ny fitaterana, hatramin'ny 63 isanjato
lasantsy 95 Octane , ampiasain'ireo sarangan'ny manam-bola eo amin'ny fiarahamonina, hatramin'ny 7 isanjato #social_justice
Niverina ao anatin'ity tatitry ny Reuters ity ireo tarehimarika ireo, tatitra milaza fa nakarina ny vidin-tsolika satria “miezaka manapaka ireo tohana ara-bola ho an'ny angovo mba hanamaivanana ny fatiantoka mianjady amin'ny kitapom-bolany” ny governemanta Ejiptiana.
Manamarika i Kheir ao anaty bitsika iray hafa hoe:
زيادة تقارب النص في سعر البنزين، في غياب البرلمان، واتخاذ القرار في السر يوم أجازة.. دي كلها تصرفات حرامية pic.twitter.com/56xGVTnQTW — Ahmed Kheir (@AhmedKheir) July 4, 2014
Nakarin-dry zareo mihoatra ny antsasany ny vidin-tsolika, tsy nakàna ny hevitry ny Antenimiera. Noraisin-dry zareo tanaty tsiambaratelo tanteraka nandritry ny andro fialantsasatra ilay fanapahankevitra. Fihetsika fanaon'ny mpangalatra ny toy izany.
Peter Ramez, manana mpanjohy 500 ao amin'ny Twitter, dia manakiana ny filoha vaovao ao Ejipta, Abdelfattah El Sisi, tamin'io fampakarana io, tamin'ny hoe:
زيادة ٤٠% مرة واحدة في سعر #البنزين مرة واحدة يا كفرة؟ منك لله يا #سيسي وتستاهل كل الدعاوي اللي ها تتعدي عليك
— Peter Ramez (@peter_ramez) July 4, 2014
Fisondrotana maherin'ny 40 isantajo hoe ry ilay tsy azo itokisana ireto?
Hihatra aminareo anie ny fitsaran'Andriamanitra. Mendrika anareo izay ozona rehetra ho azonareo eo
Ary manampy i Ahmed Fathi El Badry hoe :
هو انت فاكر ان حبك الناس ليك هتشفعلك بعد القرار ده؟؟ بجد ده انتحار سياسي واجتماعي #ارتفاع_اسعار_البنزين
— احمد فتحى البدرى (@ahmedelbadry555) July 4, 2014
Heverinareo ve fa mbola hisy dikany inona ny fitiavan'ny vahoaka anareo aorian'io fanapahankevitra io? Famonoan-tena ara-tsosialy sy ara-politika tanteraka io.
Ny sasany nizotra tamin'ny làlan'ny hanihany mba hanehoany ny fahasorenany. Shay Sokar Bara, solonanarana iray manana mpanjohy 83.000, miteny hoe :
انا مقومتش بثورة ضد مرسي علشان الدعم يترفع ولا الكهربة تفضل تتقطع ولا علشان اتبرع وانا اصلا معاييش ولا علشان اتحبس لو قولت لا #ركز_ياسطى
— شاي سكر برا (@ShaySokarBara) July 3, 2014
Tsy nikomy nanohitra [an'ingahy filoha teo aloha Mohamed] Morsi noho ny fanafoanana ny tohana ara-bola aho na ny fanapahana ny an'ny herinaratra na hanome [ny volako ho an'ny governemanta]. Tsy manana na inona na inona aho sady tsy maniry ny hifonja raha miteny ny tsia.
Manamarika izy ao anaty bitsika iray hafa :
المصريين دلوقتي نزلوا عند البنزينة و كل واحد بيفول قبل الاسعار ما تغلى بكرة شعب ناصح بطبعه و كأن اللي هيحطه مش هيخلص
— شاي سكر برا (@ShaySokarBara) July 4, 2014
Milahatra eny amin'ny tobin-tsolika ny Ejiptiana ary samy miteny ny tsirairay fa hameno ny dàbany alohan'ny hisondrotan'ny vidin-tsolika. Firenena manan-tsaina isika. Tahaka ny hoe tsy mety ho ritra mihitsy ny solika any anaty dàban-dry zareo
Ary mivazivazy i Hesham Mansour :
زيادة سعر البنزين زيادة تكتيكية، بعد زيادة أسعار الغاز والكهرباء الحكومة عايزة تضمن إن المواطن مش هيلاقي فلوس يولع في نفسه
— Hesham Mansour (@Heshoz) July 4, 2014
Fampiakarana mifono tetikady io fampakarana vidin-tsolika io. Aorian'ny fampakarana vidin-tsolika sy herinaratra, te-hahazo antoka ny governemanta fa hoe tsy hahita vola handoroany tena intsony ny olom-pirenena
Mitondra antsika hiverina hahatsiaro ny pitikafo izay nandrehitra ny Lohataona Arabo io bitsika io, tamin'ny Desambra 2010., rehefa injay nandoro tena i Mohammed Bouazizi mpivarotra voankazo.
Mandritra izany, mampiseho ny filaharana lava ben'ireo fiara eo amin'ny tobin-tsolika iray ity lahatsary avy ao Mansoura ity, fiara izay lany solika :
Inona no havoaky ny ampitso ho an-dry zareo Ejiptiana?