Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Oktobra, 2013
Libido, Horan-tsary Fanadihadiana Nisarika Ny Ejiptiana Hiresaka Momba ny Firaisana Ara-nofo
Libido dia horonan-tsary fohy iray miresaka momba ny ara-pananahana ao Ejypta. Ankoatran'ny hetsika tao amin'ny aterineto, dia nanao famotopotorana akaiky sy resaka tamin'ny mpanatontosa horonan-tsary Youssef Aliman i Ahmed Awadalla avy ao amin'ny Global Voices Online.
Libanona: Ohatrinona Ny Pasipaoro Iray? Adihevitra Mangidy
Tafiditra ao anatin'ny folo ratsy indrindra manerantany ny pasipaoro Libaney raha eo amin'ny lafiny fahafaha-mivezivezy, niely tamim-pangidiana an-tserasera izany vaovao ts mahagaga izany.
Sakanan'ny Manampahefana Saodiana Ilay Tranonkalan'ny Fitondran'ny Vehivavy Fiara
Tsy hoe fotsiny manakana ireo vehivavy tsy hitondra fiara i Arabia Saodita, fa koa manakana ireo tranonkala miantso an-dry zareo hitondra fiara.
Fitakian-Jòn'Ireo Koesiana Tsy Mizaka Izany
Noho ny tsy fananan'ny Koesiana tsy mizaka zom-pirenena zo hotsaboina, hianatra, hiasa ary ireo karazana tahirin-kevitra isan-karazany, dia mitaky ny zony ry zareo amin'izao fotoana izao.
Saodiana 16 Taona Miady Ao Syria
Tao amin'ny Twitter, nidera ny zanany lahy 16 taona ilay Saodiana Reema al-Jourish, satria nanatevin-daharana ireo Jihadista ao Syria izy. Naneho hevitra momba izany ireo mpiserasera
“Faly Amin'ny Fanohizan'i Assad Ny Famonoana ireo Siriana izao Tontolo izao”
Nanaiky ny hametraka ireo fitaovam-piadiana simikany ho eo ambany fifehezana iraisam-pirenena i Syria. Milaza ireo mafana fo fa hanome fotoana an'i Assad hanohy ny famonoany vahoaka miaraka amin'ireo fitovam-piadina hafa eo am-pelatànany izany.
Namoaka Valim-pikarohana Ara-tsiansa Ny Saodianina iray Mpitondra Fivavahana Hanehoany Hoe Maninona Ny Vehivavy No Tsy Tokony Hitondra Fiarakodia.
Tokony tsy hitondra fiarakodia ireo vehivavy any Arabia Saodita satria misy fiatraikany ratsy any amin'ny valahany sy ny fihary atodinaina izany hoy ny relijiozy iray. Aza ihomehezana.