Sakanan'ny Manampahefana Saodiana Ilay Tranonkalan'ny Fitondran'ny Vehivavy Fiara

Tsy hoe fotsiny manakana ireo vehivavy tsy hitondra fiara i Arabia Saodita, fa koa manakana ireo tranonkala miantso an-dry zareo hitondra fiara.

Ny 21 Septambra, natombok'ireo Saodiana vavy mafàna fo ilay tranonkala Fanentanana ho an'ny faha-26 Oktobra izay nanana fanambaràna iray nitaky ny hanesorana ilay fandraràna ny vehivavy tsy hitondra fiara manerana ny fanjakana Saodiana. Ny 29 Septambra, nosakanan'ireo manampahefana ilay tranonkala kanefa tsy nanome fanazavana akory (saiky tsy manome mihintsy izy ireo), kanefa ilay fanambarana dia nahazo sonia mihoatra ny 13.000 talohan'ny nametrahana ilay sakana :

Fanentanana hitondran'ny vehivavy fiara amin'ny faha-26 Oktobra voasakana any Saodita م حجب صفحة #قيادة_26اكتوبر http://t.co/vHOmyPY9Ey

— EmanAlNafjanأم شادن (@Saudiwoman) 29 Septambra 2013

Nandefa tranonkala fitaratra ireo mpitolona mba handinganana ny sivana:

The standard blocking message shown in place of oct26driving.com and oct26driving.org.

Ilay hafatra fanakanana mahazatra aseho eo amin'ny toeran'ny  oct26driving.com sy oct26driving.org.

 الان حتى موقع http://t.co/8WrfejrKzU اصبح فعال وبإمكانك التوقيع هناك! #قيادة_26اكتوبر Namorona tranok'ala hafa izahay na dia nobahanana aza ilay iray!

— EmanAlNafjanأم شادن (@Saudiwoman) 2 Oktobra 2013

Ny 7 Oktobra, mazava ho azy fa nakaton'ireo manam-pahefana indray ilay tranok'ala fitaratra:

Nakaton'ny governemanta ihany koa ilay tranonkala fitaratra ho fanentanana hitondran'ny vehivavy fiara amin'ny faha-26 Oktobra  taorian'ny nibahanana ilay voalohany tena izy.

— EmanAlNafjanأم شادن (@Saudiwoman) 7 Oktobra 2013

Nanamafy manampahefana ambony ao amin'ny governemanta Saodiana, indrindra fa rehefa miresaka amin'ny media Tandrefana, fa hoe miandry fotsiny ny fankatoavan'ny fiarahamonina ny fitondran'ny vehivavy fiara ry zareo. Maneho ny andraikitra mavitrika lalaovin'ny governemanta amin'ny faneriterena ny fahafahan'ny vehivavy mamily fiara ny fihetsika tahaka izany.

jereo GV Face : Hamily Fiara Ny Vehivavy Saodiana, horonantsarinay niarahana tamin'ireo bilaogera Saodiana tamin'ny 4 Oktobra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.