Tantara mikasika ny Arabo
Palestiniàna ilay vehivavy mpampianatra mendrika indrindra, hoy ny Papa François
Hoy ilay ramatoa palestiniàna Hanan Al_Hroub : “Ho very ireo ankizy izay nijaly niaritra herisetra raha tsy omena azy ny fanampiana sy ny tohana ilain'izy ireo".
Manome toky hanatsara ny tontolo iasàn'ireo irakiraka mpanatitra entana i Shina. Mifanipaka amin'izany anefa ny fisamborany mpikatroka iray avy amin'ny sendikan'ny mpiasa
"Tany am-piandohan'ity taona ity, nosamborina ary nohelohina noho ny 'fandrantoana ady ' i Chen Guajiang, mpiasa mpanatitra entana nanampy tamin'ny fikarakaràna vondrona WeChat ampolony ho an'ireo mpamily". Fonja dimy taona no sazy miandry azy.
Maraoka: Resabe tamin'ny karaman'ny mpanazatra vaovaon'ny ekipam-pirenena baolina kitra (2010)
Ny baolina kitra no fanatanjahantena malaza indrindra any Maraoka, saingy niteraka resabe ny karama mihoa-pampana an'ilay mpanazatra Belza vaovaon'ny ekipam-pirenena Maraokana.
Ny fodiamandrin'ilay poeta palestinianina Mourid Barghouthi
Nanoratra i Mourid: "Tsy maninona ny maty, indray mandeha, ny tanantsika eo an-tratrantsika, foana sy hatsatra, tsy misy rangotra, tsy misy rojo, tsy misy faneva, ary tsy misy fanangonan-tsonia (fangatahana)."
Tontolo Arabo: “Tsy miteny hoe Israely intsony izahay…”
Nahoraka be tamin'ny hetsika manerana ny tontolo Arabo ny hafatra iray tao amin'ny Twitter miantso ny Arabo hitsahatra hanonona hoe Israely nandritra ny fihodinana farany tamin'ny ady an-tserasera taorian'ny fanapoahan'ny Israeliana baomba an'i Gaza. Mitatitra avy eny ifotony i Anas Qetyh.
Palestina : Natomboky ny Google ny “google.ps” ho an'i Palestina
(2009) Miaraka amin'ny fandefasana ny "google.ps", nihoarantsika ny isa 160 amin'ny anaran-tsehatra Google manerana izao tontolo izao.
Tontolo Arabo : “Jadona demaokratika iray i Iràna”
Mahavaky fo ny hoe any amin'ireo firenena andalampandrosoana, [...] samy miezaka daholo ny rehetra hanova ny zavamisy [manodidina azy], [...] afa-tsy [...] ireny mpanao jadona ireny ihany, efa nifandimby ampolo taona maro nitondra tao amin'ny governemanta ny ray sy ny zanaka lahiny, fa toa tsy mampaninona an-dry zareo velively izany.
Maraoka : Sida, vola, kilalaom-pilàna ara-nofo
Raha tsy hilaza ireo fanafarana manokana atao amina namana iray hivahiny any Eoropa, ary hitondra miverina miaraka aminy kilalaom-betaveta iray any anaty akanjony, dia misy tena tambajotra, miafinafina tanteraka sy tsara lamina, izay miandraikitra ny fivarotana ireny kilalao ireny ho an'ny olondehibe.
Ejipta: Antsafa natao tamin'ilay mpanao herisetra amin'ny “Baha'is”
Tsy nahagaga ahy ireo teny nambaran'i Mohamed; efa im-betsaka aho no nandre momba ireo Kristiana, Jiosy, pelaka sy "Ny Hafa" teto amin'ity planeta ity ; Ilay "Hafa' no tondroina mandrakariva ho tsy mpino ... ahilika...ankahalaina... [...] inona no hoavin'ny firenena iray izay ny ankamaroan'ny mponina ao aminy no manda tsy hanaiky ny "Hafa" ?
Ny fomba nataon'i ISIS nametrahany ny dindo maintiny tao Siria
Raha mitàna andraikitra amin'ny niroboroboan'ny ISIS i Siria, mbola ilay firenena ihany koa no mizaka ny vesatry ny herisetra ataon'ilay vondrona, hoy i Marcell Shehwaro.