Maraoka: Resabe tamin'ny karaman'ny mpanazatra vaovaon'ny ekipam-pirenena baolina kitra (2010)

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jolay 2010)

Ny baolina kitra no fanatanjahantena malaza indrindra any Maraoka. Hany ka vonona ny hamoaka vola be hanakaramana mpanazatra vaovao ho an'ny ekipany, antsoina hoe Les lions de l'Atlas ny Fikambanan'ny baolina kitra Maraokana. Nanomboka nitady fomba hanarenana ny vokatra ratsy sy hanatsarana ny fahombiazan'ny ekipa nasionaly ny fikambanam-pirenena nandritra ny fiadiana ny Amboara Eran-tany. Natomboka ny fifampiraharahana niaraka tamin'ilay teratany Belza Eric Gerets,  izay notendrena ho mpanazatra ofisialin'ny ekipa Maraokana. Saingy nolavin'ireo mpitarika ny hanambara ny fe-potoana nifanarahana sy ny vola nekeny homena ilay mpanazatra vaovao raha ny marimarina kokoa. Nanontanian'ny parlemanta Maraokana momba ny karaman'ilay mpanazatra vaovao ny minisitry ny fanatanjahantena maraokana ary nandà ireo tarehimarika navoakan'ny fampitam-baovao [amin'ny teny arabo]. Araka ny tsaho nandeha dia karama azo lazaina ho betsaka indrindra ka hahatonga an'i Gerets ho ilay mpanazatra nasionaly be karama indrindra eran'izao tontolo izao aorian'ny Fabio Capello any Grande Bretagne. Nanaitra ny bilaogera sasany naneho hevitra momba ny vaovao izany. Na dia manan-danja any Maraoka aza ity fanatanjahantena ity dia maro no mihevitra fa azo nampiasaina tamim-pahendrena kokoa ilay vola.

Ekipa mpilalao baolina kitra any Maraoka nalain'i Wonker tao amin'ny Flickr

Tezitra i Abdelhamid ao amin'ny bilaogy Qalam Tha'ir noho ny habetsahan'ny karama izay tokony horaisin'ilay mpanazatra vaovao. Manoratra izy:

بعد تسرب أولى أخبار التفاوض مع البلجيكي علت أصوات الإعلاميين و المهتمين و المواطنين المغاربة منددة بهاته الخطوة، و لم تكن كفاءة الربان الجديد هي ما أجج نار الاعتراض, لأن الرجل و الحق يقال يملك سيرة ذاتية متميزة […] و لكن الجميع توقف عند قيمة الأجر الذي سيتقاضاه وفقا لعقده مع الجامعة، و الذي سيصل إلى 3 ملايير من السنتيمات سنويا [أي ما يعادل 3,4 مليون دولار أمريكي سنوياً].
صحيح أننا شعب يعشق كرة القدم حتى النخاع و يعتبرها أهم من أي شيء آخر كيفما كانت قيمته، و لكننا في نفس الوقت أمة تنتمي لبلدان العالم الثالث يرزح معظم سكانها تحت عتبة الفقر و تعاني من مظاهر البطالة و الفقر و الجهل المتجذرين منذ الأزل.
من المفارقات العجيبة التي تثير الضحك أكثر من أي شيء آخر هو أن كل مدربي منتخبات العالم باستثناء كابيلو يتقاضون أقل بكثير مما سيتقاضاه جيريتس، حتى إيطاليا و ألمانيا و إسبانيا و الأرجنتين و البرازيل تخصص ميزانيات أقل للتعاقد مع مدربيها رغم أنها تملك من الإمكانيات ما يتجاوزنا بكثير، و لكن الفرق هو أنها اتحادات تفكر بطريقة احترافية و تحترم أساسيات الممارسة الكروية السليمة، و تحترم – و هذا هو المهم – عقول مواطنيها.

Rehefa nivoaka ny vaovao momba ny fifampiraharahana tamin'ny mpanazatra Belza dia nanomboka nanohitra ny fomba fiasa ny fampitam-baovao sy ny olona. Tsy ny fahaizan'ilay mpanazatra vaovao no nampirehitra ny afo, izay tsara laza […] fa ny habetsaky ny vola horaisiny avy amin'ny federasionan'ny baolina kitra Maraokana , izay mahatratra 3 miliara sentima isan-taona (2,6 tapitrisa euro isan-taona ).Marina fa liana amin'ny baolina kitra ny Maraokana ka izany no mampihevitra antsika fa tsy voavidim-bola izy io ary manan-danja kokoa noho ny zavatra rehetra, nefa miaraka amin'izay koa, dia firenena tany mahantra isika izay ahitana ny ankamaroan'ny mponina miaina anaty fahantrana lalina ary mijaly noho ny tsy fananan'asa, ny fijaliana sy ny tsy fahalalana hatry ny ela. Ny mahatsikaiky dia ambony noho ny karaman'ny mpanazatra baolina kitra rehetra manerantany, ankoatra ny an'i Capello any Angletera, ny an'i Gerets. Teti-bola kely kokoa no omena ho karaman'ny mpanazatra nasionaly na io any Italia, Alemana, Espana, Arzantina ary Brezila, na dia manana omena mihoatra izany aza izy ireo. Saingy ny mahasamihafa azy, manana federasionan'ny baolina kitra tantanana amin'ny fomba matihanina ireto firenena ireto, sy manaja ny fitsipika faran'izay tsotra sy mifanandrify amin'ny baolina kitra, ary indrindra indrindra, manaja ny fahiratan-tsain'ireo olom-pireneny.

Manontany tena i Anas ao amin'ny bilaogy Big Brother Maroc momba ny tsiambaratelo manodidina ny karaman'ny mpanazatra vaovao. Manoratra izy:

Quel est le point commun entre le salaire d'Eric Gerets et les nouveaux avions de l'armée Marocaine ? Le secret défense ? Même pas ! On connait le budget des avions, mais pas de Gerets ! […]
Mais pourquoi donc tout le monde évite de parler de ce salaire ? ou est le mal en nous disant, chiffres à l'appui, voici combien nous coutera Gerets ?

Inona no ifandraisan'ny karaman'i Eric Gerets amin'ireo fiaramanidina vaovaon'ny tafika Maraokana ? Ny tsiambaratelo fiarovana ? Tsia! Fantatray ny tetibolan'ny fiaramanidina, fa tsy ny an'i Gerets! […]
Fa nahoana ary ny olona rehetra no tsy miresaka momba io karama io ? Inona no tsy mety amin'ny filazana amintsika ny marina, miaraka amin'ireo tarehimarika, hoe ireto ny vola omena an'i Gerets ?

Mihevitra i Citoyen Hmida fa tokony handinika ny tena zava-misy ny manampahefanan'ny baolina kitra Maraokana.

A ce tarif, le nouvel entraîneur des « Lions » de l’Atlas sera payé :
Cinq fois plus que Raymond Domemech, coach de l’équipe de France.
Autant que Marcello Lipi, entraîneur de la Squadra Azzura.
Mieux que 29 des 32 entraîneurs nationaux présents au Mondial 2010.
Donc à vue d’œil, l’élu de la FRMF aura largement de quoi être « heureux » !
[…]
Le football national est malade de l’intérieur. Il souffre d’une gestion calamiteuse au niveau des clubs et de la fédération ! Il est victime de l’argent et des magouilles ! Il a perdu ses repères et son âme ! Ce n’est pas la venue d’un nouveau « messie » étranger qui le sauvera..

Amin'ity vidiny ity, ny karama homena ilay mpanazatra vaovaon'ny “Lions” Atlas dia: avo dimy heny noho ny an'i Raymond Domemech, mpanazatra ny ekipan'i Frantsa.
Mihoatra ny an'i Marcello Lipi, mpanazatra ny Squadra Azzura.
Mihoatra noho ireo mpanazatra nasionaly miisa 29 amin'ireo 32 nanatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany 2010.
Ka raha ny fahitana azy, ho “sambatra” tokoa ilay nofidian'ny FRMF !
[…]
Marary ao an-toerana ny baolina kitra nasionaly ary mijaly amin'ny fitantanana tsy mahomby any amin'ny ambaratongan'ny klioba sy ny federasiona! Lasibatry ny vola sy ny fanodikodinana ! Very fenitra sy fanahy! Tsy ny fahatongavan'ilay “mesia” vahiny vaovao no hamonjy azy..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.