
Mpanohana sy mpanao fihetsketsehana ao ivelan'ny tranoben'ny Minisiteran'ny Tontolo Iaianana izay nanaovan'ireo mpikatroka #YouStink [maimbo ianareo] sit in. Sary nozarain'i Joey Ayoub tao amin'nyf Twitter (@joeyayoub)
Nihitsoka tao amin'ny biraony ny Minisitra Muhammed Machnouk, satria nakaton'ny fanjakana ny minisitera mba hanakanana ireo mpikatroka tsy hanatevin-daharana ireo mpanao fihetsiketsehana, izay nijanona tao ivelany mitaky ny fametraham-pialan'i Machnouk. Notapahan'ny manampahefana ihany koa ny herinaratra tao an-tokontany nanaovana ny sit-in ary avy eo nandefasana tafika manodidina an'i Beirota. Nisy ihany koa ireo vondrona polisy misahana ny rotaka nalefa tany amin'ny minisitera, izay voalaza fa handamina ny sit-in ary fantatra fa nanomboka nidaroka mpanao hetsi-panoherana.
Mpanao fihetsiketsehana anjatony no nitangorona tao ivelan'ny minisitera, ary miha-mitombo ireo isa manatevin-daharana ny sit-in.
Deadline passed. We are still here. #Lebanon #طلعت_ريحتكم pic.twitter.com/nZG5ArlMEp
— Joey Ayoub جووي أيوب (@joeyayoub) September 1, 2015
Tapitra ny fe-potoana. Mbola eto izahay.
Crowd getting larger and larger in front of the Ministry of Environment. #Lebanon #طلعت_ريحتكم
— Joey Ayoub جووي أيوب (@joeyayoub) September 1, 2015
Miha-betsaka hatrany ny vahoaka eo anoloan'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana
Miventy hoe “miala miala i Machnouq ” ireo mpanao fihetsiketsehana.
#لبنان — مراسل الحدث: وزير البيئة محاصر داخل الوزارة من قبل حملة #طلعت_ريحتكم
— قناة الحدث (@AlHadath) September 1, 2015
Mpanao gazety Al Hadath: Voahitsoka ao anatin'ny ministera noho ny hetsika Maimbo Ianareo ny minisitry ny tontolo iainana.
Mitatitra ireo fantsom-baovao hafa fa niezaka namoaka ny minisitra tao anatin'ny tranoben'ny minisitera tamin'ny alalan'ny varavarana any aoriana ireo mpitandro ny filaminana. Na izany aza, nandà tsy hivoaka tao ny minisitra fa te hijanona ao anatin'ny tranobe miaraka amin'ny fiarovan'ny mpitandro ny filaminana.
Mpandrindra ny fifandraisana ao amin'ny Mpanaramaso ny zon'olombelona, Rita Nehme, manamafy hoe:
Min of Environment Mohammad Mashnouq says he will remain inside his office under the protection of ISF #YouStink pic.twitter.com/QmeMdGOfof
— Rita Nehme (@ritajnehme) September 1, 2015
Milaza ny minisitry ny tontolo iainana Mohammad Mashnouq fa hijanona ao anatin'ny biraony miaraka amin'ny fiarovan'ny ISF
Mandritra izany, manomboka mitangorona ao ivelan'ny minisitera ao Riyadh Al Solh ny olona ho firaisankina amin'ny fibodoana misokatra, nohidin'ny polisy ireo varavarana mba hanakanana ireo olon-kafa mbola hanatevin-daharana ny sit-in.
Misioka ny sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana ao anatin'ny minisitera i Luna Safwan;
Luna Safwan tweets a picture of the protesters from inside the building:
صور أولية شبان من “طلعت ريحتكم” يحتلون مبنى وزارة البيئة في العازارية #طلعت_ريحتكم via @yumnafawaz pic.twitter.com/KHRDUAm0c3
— Luna K. Safwan (@LunaSafwan) September 1, 2015
Sary voalohan'ireo mpikatroka #YouStink mibodo ny Minisiteran'ny tontolo iainana amin'izao fotoana izao
Nihaona tamin'ny minisitra Al Machnouq ny lehiben'ny polisy Mohammed Al Ayoubi ary nanapa-kevitra hamela solontena iray avy amin'ny ny mpanao fihetsiketsehana hiresaka amin'ny minisitra. Na izany aza, nolavin'ireo mpanao fihetsiketsehana ity fifanarahana ity fa nikiry ny amin'ny fametraham-pialàn'ny minisitra izy ireo.
Nanambara ny fanapahan-keviny hampiato ny fandraisany anjara ao anatin'ny vaomieran'ny minisitera natsangana vao haingana hisahana ny fitadiavam-bahaolana sy ny fitantanana ny olan'ny fako ao Libanona ny minisitra omaly. Na izany aza, tsy nankasitrahan'ireo mpanao fihetsiketsehana izay misisika ny amin'ny fialany amin'ny toerana maha-minisitry ny tontolo iainana azy ny fanapahan-keviny.
Mpitati-baovan'ny AFP ao Beirota, Maya Gebeily mitatitra hoe:
Lots of anger outside the Environment Ministry over Mashnuq's refusal to resign but withdrawal from trash crisis committee #YouStink
— Maya Gebeily (@GebeilyM) September 1, 2015
Hatezerana marobe ao ivelan'ny Ministeran'ny tontolo iainana noho ny fandavan'i Mashnuq tsy hametra-pialana amin'ny mahaminisitra saingy hiala ao anatin'ny komity misahana ny olan'ny fako
Sary marobe no niparika tao amin'ny media sosialy ahitana ny zava-nitranga ao anatiny sy ivelan'ny minisitera:
Protesters in MOE make victory signs and chant “#YouStink” #طلعت_ريحتكم pic.twitter.com/p0R98eEZ4R
— Myra Abdallah (@myraabdallah) September 1, 2015
Manao marika sy hira fandresena ireo mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny Minisiteran'ny tontolo iainana
وزير البيئة محمد المشنوق يحاول الخروج من مبنى الوزارة #طلعت_ريحتكم pic.twitter.com/mbmhm2xz8i
— Ekher El Akhbar (@EkherElAkhbar) September 1, 2015
Naeli-patrana ny polisy mba hanakatona ireo fidirana rehetra miditra ao amin'ny tranoben'ny minisitera, hoy ny siokan'i Abit Ghattas:
Riot police is deployed on all the entrances of the MEO #طلعت_ريحتكم #Lebanon #YouStink pic.twitter.com/XmNJb6Gjpm
— Abir Ghattas (@AbirGhattas) September 1, 2015
Nirahina hankany amin'ny fidirana rehetra ao amin'ny minisiteran'ny tontolo iainana ny polisy misahana ny rotaka
Mizara ny lahatsarin'ireo mpanao fihetsiketsehana miezaka mitady fomba hafa hidirana ao amin'ny minisitera i Myra Abdulla:
#YouStink protesters running towards another entrance of Azarieh building pic.twitter.com/ADoOFyA8rT
— Myra Abdallah (@myraabdallah) September 1, 2015
Mpanao fihetsiketsehana “Maimbo Ianareo” mihazakazaka manerana ny fidirana hafa ao amin'ny tranobe Azarieh
Mizara lahatsary hafa avy ao anatin'ny minisitera ny vaovaon'ny Mashable:
Protesters occupy Lebanon's Ministry of Environment, demanding resignations over waste management crisis pic.twitter.com/85LFWplDkb #YouStink
— Mashable News (@MashableNews) September 1, 2015
Mpanao fihetsiketsehana mibodo ny minisiteran'ny tontolo iainana ao Libanona, mitaky fametraham-pialana noho ny olana amin'ny fitantanana ny fako
Imad Bazzi, iray amin'ireo mpitarika ny Maimbo Ianareo, ary anisan'ny olona tafiditra tao anatin'ny minisitera nilaza tamin'ny fampitam-baovao fa tsy mikasa handoto ny minisitera na hanimba andrim-panjakana izy ireo, fa sit-in mandroso mitaky ny fametraham-pialàn'ny minisitra no ataon'izy ireo ary tsy hiala izy ireo mandra-pivaly ny fitakian'izy ireo. Ao ivelany kosa, mamerina izany fanambarana izany ireo mpanao fihetsiketsehana ary manamafy fa tsy hiala ny faritra ihany koa raha tsy mivaly ny fitakian'izy ireo.
Ankoatra ny fitakiana fialan'i Machnouk, anisan'ny takiana nomena fe-potoana farany androany ihany koa ny fitadiavam-bahaolana maharitra amin'ny olan'ny fako, izay antony voalohany mahatonga ny vahoaka nidina an-dalambe. Fitakiana hafa ny fanamelohana ireo tompon'andraikitra nandany volam-bahoaka nandritra ny fe-potoana farany ary tondroina ho tompon'andraikitra amin'izany ny minisitry ny atitany sy ireo rehetra nanome baiko hitifitra ny mpanao hetsi-panoherana.
Nanitatra ny fitakiany ny hetsika ny “Maimbo Ianareo” ankoatra ny tsy fahaiza-mitantan'ireo manampahefana ny olan'ny fako tamin'ny fanakatonana ny toerana lehibe indrindra fanariam-pako ao amin'ny firenena tamin'ny volana Jolay. Mitaky ny fialan'ny governemanta, ny fampitsaharana ny kolikoly sy ny fanaovana fifidianana solombavahoaka vaovao ireo mpikambana ankehitriny, ankoatra ireo fitakiana hafa. Tsy nanana filoham-pirenena nandritra ny herintaona mahery i Libanona, izay efa mijaly noho ny faharatsian'ny fotodrafitrasa sy ny fahatapahan'ny herinaratra isan'andro. Tamin'ny taona 2009, nanitata ny fe-potoam-piasana hatramin'ny taona 2017 tsy misy fifidianana ny parlemanta, noho ny korontana no lazaina fa antony.