
Ny moron-dranomasin'i Gaza voarakotra anaty vovoka omaly folakandro. Saripika nozarain'i @shawajason ao amin'ny Twitter
Misy tadiom-bovoka goavana manavatsava ny ilany andrefana amin'i Afovoany Atsinanana omaly sy anio, izay mampihena ny fahitana any amin'ny firenena sasantsasany ary mahatonga ny olona hankany amin'ny hopitaly hotsaboina amin'ny aretin'ny fisefoana ankoatra ny zavatra hafa. Nandrakotra an'i Libanona, izay fahafahakeliny olona dimy no maty ary 750 no tsaboina any amin'ny hopitaly noho ny fahasemporana, sy i Syria, Palestina, Isiraely, Jordania ary ny faritra sasantsasany ao Arabia Saodita, Ejipta, Iraka, Torkia ary Shipra izany tadio izany. Tsy dia fahita ao Afovoany Atsinanana loatra ny tadio mahazatra an'i Arabia Saodita tahaka izao ka mahatonga ny sary ifampizarana fatratra sy mahatonga lavitra ao amin'ny media sosialy.
Indreto sasantsasany amin'ny pikantsary ahitana ilay tadiom-bovoka.
Jordania:
Tao Jordania, nizara ity sary avy ao amin'ny tobim-pialokalofana ao Zaatari, izay onenan'ny Syriana mpitsoaponenana eo ho eo amin'ny 80.000 mandositra ny ady ao amin'ny tanindrazany ity ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpialokaloka (UNHCR):
Terrible weather in #Zaatari today. Nine main clinics+hospital are providing nebuliser treatment & masks to refugees pic.twitter.com/DEaYYoCjvQ
— Za'atari Camp (@ZaatariCamp) September 8, 2015
Toetrandro henjana teto Zaatari androany. Nanolotra fikarakarana sy sarontava ahafahana miaina amin'ny mpialokaloka ny toera-pitsaboana sy hopitaly lehibe sivy.
Libanona:
Tsy misy fihatsarany ny zava-mihatra amin'ny Syriana mpialokaloka. Khaled Kabbara, Mpiara-miasa eo amin'ny fifandraisana amin'ny hafa ao amin'ny UNHCR, nizara ireto sary nampiseho ny toe-piainana mampahonena ireto:
Massive sandstorm hits North #Lebanon, affecting refugees already living in challenging conditions. pic.twitter.com/l0nLCO2SFT
— Khaled Kabbara (@khaled_kabbara) September 8, 2015
Tadiom-pasika goavana mahazo an'i Libanona avaratra, mahazo ireo mpitsoaponenana efa miaina ao anatin'ny fahasarotana
60 yrs. old Khodr covering his face from dust, he is one of many Syrian refugees affected by the sandstorm #Lebanon pic.twitter.com/HzlC7U81bO
— Khaled Kabbara (@khaled_kabbara) September 8, 2015
Khodr 60 taona, mandrakotra ny tavany tsy ho tratran'ny vovoka, iray amin'ireo Syriana mpitsoaponenana tratran'ny tadiom-pasika izy.
Alex Thomson nizaar ity lahatsary ity tona amin'ny Twitter ahitana ny tadio mitsofoka ao Beirota, tamin'ny filazana fa “tsy mbola nahatsiaro ho nahita tahaka izay hatrizay niainany ny mponin'i Beirota”:
Look what blew in from Syria pic.twitter.com/g0aSyXDTPC
— alex thomson (@alextomo) September 8, 2015
Jereo hoe inona no mipoaka avy any Syria
Syria
Mpanangom-baovaon'i BBC Jeremy Bowen, izay manangom-baovao any Syria amin'izao fotoana izao, no namoaka ny vaovao farany amin'ny toetr'andro ao amin'ny kaonty Twitter hatramin'ny nanombohan'ny tadio afak'omaly.
Big sandstorm across #Syria pic.twitter.com/hJGt1LMf2J
— Jeremy Bowen (@BowenBBC) September 7, 2015
Tadiom-pasika vaventy manerana an'i Syria
Omaly maraina izy nanontany:
Where's #Damascus gone? The huge Middle East dust storm continues. #Syria pic.twitter.com/tBBHWfJlWX
— Jeremy Bowen (@BowenBBC) September 8, 2015
Fa lasa aiza i Damaskosy? mitohy ny tadiom-bovoka maventy ao Afovoany Atsinanana
Ejipta:
Samer Al-Atrush nizara ity sary avy ao Kairo ity:
Central Cairo blanketed by dust pic.twitter.com/ntIK4huQgK
— Samer Al-Atrush (@SameralAtrush) September 8, 2015
Afovoan'i Kairo mirakotra vovoka
Isiraely:
Ary ity sary nozarain'i @ygurvitz avy ao Tel Aviv ny atoandron'ny omaly ity:
ללא פילטר. pic.twitter.com/JBMYA6YbbM
— ygurvitz (@ygurvitz) September 8, 2015
Sarin'ny NASA:
Mpandinika ny toetany Rob Bryant, avy ao Sheffield, Angletera, nizara itony sarin'ny NASA itony tao amin'ny Twitter:
Last few days have been seriously dusty in #syria #jordan and #Israel #modis Aqua data from 7 and 8 September #dust pic.twitter.com/7pA38QMvIU
— Rob Bryant (@sheffield_dust) September 8, 2015
Namovoka dia namovoka tokoa tao ho ao izay tao Syria,Jordania ary Isiraely, tahirinkevitra Aqua tamin'ny 7 sy 8 septambra
Heverina mbola hitohy anio (alarobia 9 septambra) ity tadio ity.