Ny fanondroana an'i Dominica ho voalohany manerantany toeram-pialokalofan'ny trozombe manampy iadiana amin'ny fiovan-toetrandro

Sary trozombe tamin'ny alàlan'ny Canva Pro.

Misy antony no iantsoana an'i Dominika ho “The Nature Island (Nosin'ny Natiora). Manankarena sy maitso mavana, malaza amin'ny ala mando sy renirano, loharano solifara ary riandrano izy. Ny fahaizanao miroboka ao anatin'ny zavamaniry sy biby ao an-toerana no mahatonga azy ho iray amin'ireo toeram-pizahan-tany ara-tontolo iainana mahafinaritra indrindra ao amin'ny faritra — ary ankehitriny, dia deraina ihany koa izy noho ny namoronana ny toeram-pialokalofana voalohany maneran-tany ho an'ny trozombe.

 Nanangana faritra arovana #an-dranomasina voalohany eran-tany ho an'ny iray amin'ireo #biby lehibe indrindra eto an-tany ny nosy #Caribbean kely ao #Dominica: dia ny #spermwhale atahorana ho lany tamingana

Araka ny tatitry ny Associated Press, fanapahan-kevitra lehibe ny fanondroana ny efa ho 800 kilaometatra toradroa (300 maila toradroa) amin'ny ranomasimbe any amin'ny ilany andrefan'ny nosy, izay amelomana sy itaizan'ireo karazam-biby atahorana ho lany tamingana amin'izao fotoana izao ny zanany. Tsy vitan'ny hoe manampy amin'ny fanatsarana ny fahafahan'ny trozona miteraka sy mivelona fotsiny izany, fa hanampy amin'ny ady amin'ny vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro koa.

Izany dia satria mangery eo akaikin'ny haavondrano ny trozombe izay mety hahatratra 15 metatra (50 dingana) ny halavany — miato avokoa ny asa rehetra tsy ilaina raha vao mitsoraka any amin'ny halalina mirefy 3000 metatra (10.000 dingana) izy ireo — ary mahazo tombony goavana amin'ny diky be otrikaina ireo taova-manan'aina (plancton) ireo, mampitombo isa an-dry zareo vokatr'izany. Miaramila manan-danja amin'ny ady amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro ireo taova-manan'aina ireo, amin'ny alalan'ny fakana gazy karbonika eny amin'ny atmôsfera, ary tsy azo tsinontsinoavina ny anjara asan'i Dominica, satria hita fa mangery bebe kokoa noho ny trozona mitovy aminy any amin'ny toeran-kafa ny trozombe monina ao amin'ny ranon'ny nosy. Ny diky bebe kokoa dia mitovy amin'ny hoe taova-manan'aina bebe kokoa, izay midika hoe bebe kokoa ny CO2, etona mangeja hafanana voafatotra.
Niaka-peo momba ny voka-dratsin'ny krizin'ny toetr'andro ao amin'ireo Firenena Nosy Kely an-dalampandrosoana (SIDS) ny praiminisitr'i Dominika, Roosevelt Skerrit, izay mitarika ihany koa ny vondrom-piarahamonina Karaiba (CARICOM) hatramin'ny faran'ny taona 2023. Tamin'ny taona 2018, noravan'ny Rivodoza Maria, rivodoza sokajy faha-5 ny fireneny. Nanambara mazava tamin'ny fihaonambe COP farany teo i Skerrit, miaraka amin'ireo mpitarika hafa ao amin'ny faritra, fa tsy maintsy atao ny fananganana Tahirim-bola ho an'ny Fatiantoka sy ny Fahapotehana [mg]. Ireo firenena nosy toa an'i Karaiba, izay kely indrindra ny fandraisany anjara [mg] amin'ny famoahana etona mangeja hafanana maneran-tany, no eo amin'ny laharana voalohany amin'ny voka-dratsy ateraky ny krizin'ny toetr'andro satria, ankoatra ny zavatra hafa, dia mora iharan'ny tafio-drivotra sy ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina izy ireo, ary tsy manana tahirim-bola afaka manonitra ny fatiantoka goavana iainan'ny firenen'izy ireo.

Ankehitriny, manao ny andraikiny amin'ny fiatrehana ny voka-dratsin'ny fiovaovan'ny toetr'andro ny toeram-pialokalofan'ny trozombe ao Dominica. Tombanana ho latsaky ny 500 ny trozombe monina ao amin'ny ranon'i Dominika, koa satria misy fotoana ny trozona lahy miala ao amin'ny fialofana, ary mazàna miteraka iray ny vavy isaky ny dimy ka hatramin'ny fito taona, faratampony indrindra ny fiarovana azy ireo.

Ny faritra arovana vaovao, izay ahafahan'ny jono kely lovain-jafy sy mamaritra lalan-tsambo iraisam-pirenena, no hanampy amin'ny fampitomboana ny isan'ny trozombe amin'ny fampihenana ny isan'ny maratra na matin'ny sambo na voafandrika ao anaty harato. Mikasa ny hanara-maso ny faritra ny governemanta mba hahazoana antoka fa voahaja ny fitsipika, ary ampiharina ny fitsipika mifehy ny fizahantany manodidina ny fijerena trozona, na dia mbola afaka milomano miaraka amin'ireo trozona sy mijery azy ireo avy eny ambony sambo aza ny mpitsidika, na dia amin'ny isa voafetra aza.​

Nahasarika ny sain'ny iraisam-pirenena haingana ny fanambaràna, natao tamin'ny 13 Novambra, na tao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra na tamin'ny media sosialy.

Nanantena ny vondrona Facebook Ocean Azores fa tsy hamela “na iza na iza hiara-milomano amin'izy ireo ny manampahefana Dominikana, satria mety hanelingelina ny biby izany,” ary nanontany tena raha afaka manaraka ny ohatra ataon'ny nosy Karaiba ny Azores ary manangana toeram-pialokalofan'ny trozombe ho azy manokana.

Isabella Askari, mpikirakira Facebook, nilaza fa “feno ny fony” mahita “firenena mijoro ho an'ny zavamananaina an-dranomasina”:

[Dominica has] such strict regulations regarding eco tourism. The local scientists and captains know many of these whales by name and can even tell you details of their personalities. They are part of the community and it shows. Dominica sets an example for the world and I hope others begin to learn.

Manana fitsipika henjana toy izany momba ny fizahantany ara-tontolo iainana i [Dominica]. Mahafantatra ny ankamaroan'ireo trozombe ireo amin'ny anarany ny mpahay siansa sy ny kapiteny eo an-toerana ary afaka milaza aminao ny antsipirian'ny toetran'izy ireo mihitsy aza. Anisan'ny fiarahamonina izy ireo ary mampiseho izany. Manome ohatra ho an'izao tontolo izao i Dominika ary manantena aho fa hanomboka hianatra ny hafa.

Nanampy i Kelly Cromie hoe: “Faly aho naheno ireo goavam-be malefaka ireo fa voaro ihany ny farany!”

Nizara ny vaovao mahafaly sy ny zava-misy mahaliana sasany momba ny trozombe i Ian Lambie, Trinidadiana mpiaro ny tontolo iainana, ary nanamarika fa “I Dominika no manana vondrona ara-tsosialy, zatra ny fisian'ny olombelona indrindra, manolotra fifandraisana miavaka.” Nanampy izy hoe: “Miarahaba ny Governemantan'i Dominika noho ity fisantaran'andraikitra ity.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.