Taorian'ny rivodoza Maria dia mbola miezaka hatrany Dôminika manorina trano mahatohitra ny fiovaovan'ny toetrandro, ka amin'ny COP28 izy dia hanao adisisika ho an'ny rafitra ara-bola ho an'ireo fatiantoka sy fahasimbàna.

Ireo vehivavy Kalinago nanao fampisehoana nandritra ny fety fanolorana an'ireo trano 18 mahatohitra ny fiovaovan'ny toetrandro tao amin'ny faritanin'i Kalinago ao Dôminika, ny 12 Oktobra 2023. Sary : Biraon'ny Praiminisitr'i Dôminika, nampiasaina nahazoana alalana.

Navoaka niaraka tamin'ny fanohanan'ny Climate Tracker's COP28 Climate Justice Reporting Fellowship ity tantara ity.

Avy amin'i Richie Ferrol

Any Karaiba, nitombo be tao anatin'ny folo taona farany ny faharavàna lafovidy nanjo ireo fotodrafitrasa, ary koa ny lafiny tsy azo tsapain-tanana amin'ny fiaraha-monina sy ny toekarena : ny fandraisana anjaran'ny olombelona amin'ny krizin'ny toetrandro, indrindra fa avy amin'ireo firenena indostrialy, no nitarika ny fiakaran'ny maripàna maneran-tany ary nanamafy ny asan'ny tafiotra mahery. Ny sehatry ny fanorenan-trano honenana no tena voakasika indrindra, izay vao mainka nampitombo ny filàna ny famoronana sy ny fampandehanana araka ny tokony ho izy ny Tahirimbola ho an'ny Fatiantoka sy ny Fahasimbana ho an'ny firenena tena voakasiky ny fiovaovan'ny toetrandro.

Ny Tahirimbola ho an'ny Fatiantoka sy ny Fahasimbàna dia manondro ny famoronana rafitra ara-bola manerantany izay vatsian'ireo firenena indostrialy indrindra indrindra, mba hanohanana amin'ny fomba mahomby ireo hetsika maitso izay misy idiran'ireo tetikasa fanalefahana sy fampifanarahana amin'ny toetrandro.

Nandritra ny fandalovan'ny Rivodoza Maria tamin'ny 18 Septambra 2017, fianakaviana Dominikana maro no very trano fonenana. Araka ny voalazan'ny Banky Iraisam-pirenena, ny totalin'ny fahasimbàna sy ny fatiantoka dia tombanana ho 1,3 miliara dolara amerikana, na 224 isan-jaton'ny Harinkarena Faobe an'ilay Nosy. Potika ny ala trôpikaly, izay nisy fiantraikany goavana mikasika ny fanendrena an'i Dominika ho toerana fizahantany “Nosy Voajanahary“, miaraka amin'ireo fatiantoka tena lehibe indrindra eo amin'ny sehatry ny fizahantany (19 isan-jato) sy ny fahasimbàna goavana indrindra miantraika amin'ny sehatry ny trano fonenana (38 isan-jato).

Ao Dominika, tao anatin'ny enin-taona farany dia samy nandray anjara avokoa na ny fanjakana na ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana mba hanentsenana ny banga, amin'ny alalan'ny fanomezana fanampiana mahomby sy trano fonenana mahatohitra ny toetrandro ho an'ireo olom-pirenena sy ireo mponina.

Tamin'ny 10 Aogositra tany Barbade, ny Praiminisitr'i Dominika, Roosevelt Skerrit, raha nandray fitenenana tamin'ny Fivoriana faha-28-n'ny Fihaonamben'ny Mpiara-miombona antoka amin'ny maha-filohan'ny Caribbean Community (CARICOM) azy, tamin'ny lahateniny nitodika tamin'ny Dr. Sultan Al Jaber, filoha voatendrin'ny COP28, dia nilaza fa ny “Fatiantoka sy ny Fahasimbàna” no ho anisany iray amin'ireo lohahevitra lehibe hoentin'ny delegasiona CARICOM eo an-databatra fifampidinihana COP28.

Tamin'ny fitarainana fa ny COP28 – izay hatao amin'ny 30 Novambra ka hatramin'ny 12 Desambra amin'ity taona ity any Dubaï, Emirà Arabo Mitambatra (EAU) – dia tsy tokony hiresaka ny “fametrahana hiasa sy fanararaotana ny Tahirimbola ho an'ny Fatiantoka sy ny Fahasimbàna”, ny Praiminisitra Skerrit dia nilaza fa ho lasa lavitra io amin'ny fanomezana “famatsiambola ara-toetrandro manan-danja ho an'ireo firenena tena marefo izay ravan'ny voka-dratsin'ny fiovaovan'ny toetrandro”. Nampiany fa “tokony ho endrika fanampiana ara-bola ilay tahirimbola”.

Tamin'ny 25 Janoary, nandritra ny famelabelarana nataony tamin'ny lanonana fanolorana ireo  trano fonenana 45 mahatohitra ny toetrandro, Suranga Kanandawa, manampahaizana manokana amin'ny fitantànana ny loza sy tandindon-doza no sady mpitarika ny ekipan'ny iraka avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena, no nanazava ny maha-zava-dehibe an'ireo trano ireo ho an'ny mpisitraka azy. Nozarainy ihany koa ny antontan'isa mikasika ny antony naha-henjana ny olana ara-toekarena sy ny fahasimbàna vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro, tahaka izay asehon'ity lahatsary an'ny GIS Dominica ity :

Ny marimaritra iraisana vita ho an'ireo fifampiresahana tao amin'ny COPP28 dia nahitàna ny fanafaingànana ny tetezamita ara-angovo sy ny fampihenana ny fandefasana entona alohan'ny taona 2030, ny fanovàna ilay fitantanambola mikasika ny toetrandro sy ny toeran'ny olona, ny fiainana sy ny fivelomana ho ivon'ny hetsika ara-toetrandro.

Na dia mitohy mitondra fitonian-tsaina ho an'ny maro aza ilay hetsika atao momba ny trano fonenana ao Dominika, na dia mitatao isan-taona amin'ilay Nosy aza ireo fepetra ara-toetrandro tsy azo antoka, dia tsy hoe tsy misy sarany ara-bola lehibe ho an'ilay firenena izany. Tamin'ny 2017, nambaran'ny minisitry ny Trano Fonenana ny fanekeny ny fehezandalàna eken'ny sehatra iraisam-pirenena ho fanorenana ireny trano  mahatohitra toetrandro ireny sy ireo fotodrafitrasa mifanaraka amin'izany. Tena vao haingana, tamin'ny 12 Oktobra dia nanolotra trano fonenana 18 izy io ho an'ireo fianakaviana vazimba teratany ao amin'ny  Faritra Kalinago ao Dominika, ao Avaratra-Atsinanan'ny Nosy. Ilay tetikasa vatsian'ny Vondrona Eoropeana (UE) dia mikendry ny hampihenana ambana mety hamparefo no sady hampitomboana ny fahafahafa-miatrika ny toetrandro ao amin'ny faritra.

Vao haingana no niteny ny governemanta fa handray anjara amin'ny famatsiana trano 50 fanampiny mahatohitra ny fiovàn'ny toetrandro izy, izay hatsangana amin'ny alalan'ny Tahirimbola Fampandrosoana faha-11 an'ny Eoropeana (FED), amin'ny valopy B an'ny Fanjakana sy ny Fifanarahana momba ny Fahazakàna sy ho an'ny Fanarenana. Nahazo fanohanana ara-bola lehibe avy amin'ny Vondrona Eoropeana ny firenena, izay nirotsaka hanatanteraka fandaharanasa feno iray ikendrena ny hanampiana an'i Dominika hanamafy ny fahazakàny manoloana ireo fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro taorian'ny ridodoza Maria. Tafiditra ao anatin'izany ny fikarakarana ara-pahasalamana, ny fanabeazana, ny fotodrafitrasa ho an'ny daholobe, ny trano fonenana sy ny fitantanana ireo loharanon-drano.

Raha miomana ho amin'ny COP28 ireo mpitarika ao Karaiba, dia manao ny anjarany amin'ny ady ara-toetrandro i Dominika amin'ny alalan'ny fanomezana vahaolana amin'ireo trano fonenana mahatohitra ho an'ireo olom-pireneny. Na eo aza ny fanolorana ny Fatiantoka sy Fahasimbàna izay nateraky ny loza voajanahary ara-toetrandro teo amin'ilay Nosy – sy ny tsy fisian'ny famatsiambola maika sy mahomby amin'izany lafiny izany ankehitriny – dia mazava fa tsy maintsy apetraka ilay “Fatiantoka sy Fahasimbàna”, rafitra ara-bola vaovao sy matanjaka mba hanampiana an'ireo Firenena Nosy Madinika sy Andalam-pandrosoana (SIDS) mba hiarina avy amin'ny fahasimbàna azo tsaboina sy ireo tsy azo avotana.

Mpikambana amin'ny famatsiambola COP28 Climate Justice Fellowship i Richie Ferrol sady handrakotra ny COP28 any Dubaï.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.