‘Tsarovy ny anarana': Nitondra fifaliana ho an'ireo mpankafy cricket any Antilles ny fandresena tsy nampoizina azon'i Shamar Joseph ao Goyana.

Sarin'ny sainan'ny Cricket Antillais amin'ny alàlan'ny Canva Pro.

Tamin'ny 28 Janoary, nifantoka voalohany indrindra tamin'ny tantara natao tao amin'ny Kianjan'ny Cricket tao Brisbane, antsoina am-pitiavana hoe The Gabba  ny lohatenin'ny fanatanjahantena maneran-tany. Tamin'io alahady io, ny ekipan'ny cricket any Antilles no nibata fandresena voalohany tamin'ny cricket hatramin'ny fitsapana tany Aostralia nanomboka tamin'ny taona 1997, ka namarana fahamainana goavana naharitra 27 taona. Nanao izany tamin'ny fomba miavaka ihany koa izy ireo, nahazo fandresena tamin'ny hazakazaka valo nampitaintaina fatratra — ary namarana tamin'ny fomba tsy nampoizina ny lalao izay noheverin'ny ankamaroan'ny olona fa anjakazakan'ny Aostraliana:

✔️ Fandresena voalohany tamin'ny Fitsapana tao Aostralia 27 taona naninjitra
✔️ Fandresena voalohany tamin'ny Andrana manoloana an'i Aostralia 21 taona naninjitra
✔️  Ekipa voalohany nandresy an'i Aostralia tamin'ny Fifaninanana Andro/ Alina

Nahomby tamin'ny famakiana an'i GABBA ny Antillais

Tena tsara izany, saika mandatsa-dranomaso. Tsy mino aho fa tsy hisy mpankafy cricket any Aostralia ho diso fanantenana tamin'ny faharesena tamin'ity fitsapana ity #Windies

Shamar Joseph, 24 taona, kavanana mpanipy kinga ilay mpilalao nahavita ity fandresena ity — sady naratra teo amin'ny rantsan-tongony — nahazo wicket fito sy nandrombaka ny anaram-boninahitra Lehilahin'ny Lalao sy Mpilalaon'ny Andiany (Man of The Match and Player of the Series ) noho ny ezaka nataony ihany koa.

“Raiso izany fanaintainana izany… alaivo ny wickets” #ShamarJoseph tena mpilalao mahay.

Fanombohana am-panetre-tena mankamin'ny toetra mahatoky tena

Nahatalanjona ireo mpankafy cricket manerana izao tontolo izao ny fotoan'ny fandresena.

Endrika Antillais amin'ny “Toota hai Gabba ka Ghamand” 🥵🙌🏻👏🏻 Shamar Joseph Ianao Kalaza Mandray fitsaohana 🙇‍♂️🫡 namotika tao an-tokotaniny ireo Aostraliana Tompondaka eran-tany.

.. na dia tsy nisy nankalaza tamim-pifaliana toy ny ekipa aza: 

Miaina malalaka ao an-tsaintsika ny Fotoana Cricket Malaza #1️⃣ manerantany. 🙌🏾

Ho an'ny mpankafy ny lalao efa ela, toy ny fiverenana amin'ny androm-boninahitra ny cricket Antillais, rehefa nanjaka tamin'ny fanatanjahantena ny ekipa tamin'ny andian-taona 1970 sy 1980. Ny fahatapahan-kevitra hisongadina tamin'izany fotoana izany no nanosika amin'ny ampahany ny fomba filalaovana maherisetra sy fanesoana mandratra nataon'ny ankolafy Aostraliana, izay, nampiharihary fanavakavaham-bolon-koditra am-polony taona lasa izay.  Tamin'ity indray mitoraka ity, ny niantsoan’i Rodney Hoggdia, mpilalao Aostraliana teo aloha, ny ekipan'i Antilles ho “tsy misy antenaina” sy “mampalahelo” no nanampy nandrisika an'i Joseph sy ny ekipa ambiny, nampiditra azy ireo tamin'ny hatezerana sy firehetam-po , ary nahatonga ny sasany hanontany tena raha nanatri-maso [] fahateraham-baovao ry zareo:

Latsa-dranomaso i Brian Lara.
Ity indray ve no fiverenan'ny Cricket Windies?
Mendrika fankasitrahana bebe kokoa i Shamar
Joseph.

Tena faly aho amin'ny endriky ny cricket Antillais amin'izao fotoana. Antenaina ny mpandray anjara rehetra voakasik'izany fa afaka mitazona izay mety, manatsara ny sehatra ilaina ka hijery antsika hiverina amin'ny androm-boninahitsika

Manantena aho fa mariky ny zavatra hoavy ity fandresena ity, alao sary an-tsaina ny mety hatsaran'ny fitsapana cricket raha toa ka miverina amin'ny tanjany mahery indray ny #windies.

Tsara ny lalao nataon'i Shamar Joseph sy ny #Windies, namelona indray ny cricket Antillais. Lalao tsara indrindra hatrany sy seho tsara indrindra rehefa mitifitra ry zalahy.

Fotoana mampangoritsana! Nahazo fandresena mahagaga tamin'i #Australia tao #Gabba ny Antillais Mahafinaritra. #ShamarJoseph, inona no nataonao?

Niverina tamin'ny fomba lehibe indray ny [Antillais] Indiana Tandrefana! #AUSvWI #GabbaTest pic.twitter.com/UAIricJgzP

Na ireo Aostraliana mpaneho hevitra aza voasarika tanatin'ny fientanentanan'ny fotoana:

Mitondra Fifaliana Be hatrany ny Fandresen'ny Antilles 🔥

Tsara  #ShamarJoseph #AUSvWI pic.twitter.com/CkpkuOVfPg pic.twitter.com/8WEVLHnZ8c

Mpisera One X (Twitter taloha) nanampy hoe:

Tena tsara izany, saika mampandatsa-dranomaso. Heveriko fa tsy hisy Aostraliana mpankafy cricket ho diso fanantenana tamin'ny faharesena manoloana ny #Windies

Azo takarina fa marobe ny fankasitrahana an'i Joseph tenany, amin'ny maha-maherifo tamin'ny lalao, ka niantso azy hoe “superstar,” “kalaza tsy azo ialàna [sy] fifaliana tsara jerena,” ary “mpanjaka” ireo mpisera media sosialy. Azo antoka fa niverina nody izy horaisina ho maherifo, izay nahazoana fifanarahana  iraisampirenena ho an'ny Cricket Antillais [West Indies] (CWI). Nosoniavin’ny Peshawar Zalmi ihany koa izy, mialoha ny Pakistan Super League (PSL) 2024. 

Nanjary mamy kokoa ny fahombiazan'i Joseph noho izy sambany nilalao sokajy voalohany tamin'ny cricket ho an'i Goyana tamin'ny volana Febroary 2023, nanao lalao anatiny vitsivitsy talohan'ny nahatongavany tany Aostralia. Ny tena zava-dehibe indrindra anefa, dia nanakoako teo amin'ny olona nanerana ny faritra ny diany manokana.

Avy any Baracara, tanàna lavitra iray voalaza fa andehanana an-tsambo 225 kilaometatra avy amin'ny tanàna akaiky indrindra ary tsy afaka niditra aterineto raha tsy tamin'ny taona 2018, sady tsy mba tafiditra mihitsy tao anaty fandaharana cricket ofisialy ilay tanora mpanao cricket. Ho solon'izany, nampiasa “izay rehetra miendrika baolina izy mba hilalao ny cricket-ny.” Niasa izy nandritra ny fotoana samihafa, ho mpanapaka hazo, mpiasa tany, ary mpiambina, saingy nanapa-kevitra ny hifantoka amin'ny cricket izy nony farany — ary tamin'izany, nanome aingam-panahy ny tanora Antillais[es] maro hino ny tenany sy hikatsaka ny nofinofiny manokana.

Nampiasa ny fahombiazan'i Joseph ho ohatra ny mpisera Facebook Trinidadiana Rubadiri Victor mba hanontany hoe firy amin'ireo zatovolahy hafa manan-talenta no tsy nojerena: “Firy ny Zazalahy izay nataontsika an-jorom-bala afaka ho Mpamonjy antsika?”

Tanaty vanim-potoana nahasarika mpankafy ny cricket Twenty20 (T20) (endrika fohy fanazavana ny lalao), niteraka[] fahalianana vaovao amin'ny andrana cricket ihany koa ny fandresena, izay maharitra andro maromaro ny lalao, saingy matetika manome fandresena tsy mampino miorim-paka amin'ny tetikady marani-tsaina sy faharetana tsy azo hozongozonina:

Fitsapana cricket amin'ny tsara indrindra. Arahabaina #Windies

Zava-bita mahatalanjona avy amin'ny #Windies tao #GabbaTest 🔥

Fihetseham-po ny fitsapana cricket ♥️@windiescricket @BrianLara #AUSvWI #TestCricket pic.twitter.com/ndzzCfTlyW

Ny andrana cricket no Renin'ny ligy cricket sy ny amboara manerantany

Nieritreritra i Amílcar Presi Sanatan, mpampianatra ambony Trinidadiana hoe: “Taona maro aho tsy maintsy niaritra ny nolazain'ny olona (amin'ny taonako) fa fandaniam-potoana ny andrana cricket. [Aiza ô], mety ho tompondaka T20 mandritra ny androm-piainanao sisa ianao. Okay…. Andrana cricket? Andran-dalao iray sy andian'andrana no tena fitsapana ho an'ny lehilahy/vehivavy iray. Mandray am-pahamatorana ny fifaninanana cricket ny firenena iray matotra milalao cricket. Manantena indrindra aho fa hanohy ny fampiasana ara-bola, talenta ary tsena amin'ny andrana cricket WI isika.”

Zavatra roa sisa no holazaina farany:

“Shamar Joseph” Tsarovy ny Anarana. Nitarika ny Antilles hanandrana fandresena tany Aostralia i Joseph fito amby roapolo taona aoriana.
FANDRESENA tena 🔥 mandrehitra 🔥 😍 👏tokoa izany

Zavatra tsara indrindra hitranga amin'ny fifaninanana cricket iraisampirenena ao anatin'ny 25 taona!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.