Antigoa & Barboda: firenena farany indrindra ao Karaiba nanambara hoe tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana ny lalàna “mandrara ny sôdômia”

Toy ireo firenena maro hafa ao Karaiba, mbola mitahiry hatrany ireo lalàna fony faha-fanjanahantany ny ao Antigoa sy Barboda, manameloka ny fifanambadian'ireo mitovy taovam-pananahana, saingy tsikelikely, niverenana nametraham-panontaniana ny momba ireny lalàna ireny. Tao Bahamas, tamin'ny 1991, tsy natao ho heloka intsony ny firaisana ara-nofo any an-katakonana ataon'ireo mitovy taova, tamin'ny alàlan'ny Fanitsiana ny Lalàna momba ny Heloka Ara-Nofo. Tamin'ny 10 Aogositra 2016, ny lehiben'ny mpitsara ao Belize dia nanafoana ny Toko faha 53 ao amin'ny Ady Heloka Bevava ao amin'ny firenena, izay nanao ny firaisana am-body — na ho an'ny lahy na ho an'ny vehivavy — ho azo saziana 10 taona an-tranomaizina. Ny 12 Aprily 2018, Trinidad & Tobago nanaraka ny diany rehefa namoaka didy ny Fitsaràna Avo fa ireo toko sy andininy mitovitovy amin'ilay lalàna momba ny heloka ara-nofo ao amin'ny firenena dia “tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana.” Amin'izao fotoana izao, niditra ho anatin'ny lisitr'ireo faritany ao amin'ny faritra ihany koa i Antigoa & Barboda, izay nanery ny hamerenana mandinika ny momba ireo lalàna lany andro. Ny 5 Jolay, namoaka didy ny Fitsaràna Avo ao amin'ny firenena fa ireo votoatin-dalàna ao anatin'ny Lalàna momba ny Heloka Ara-Nofo, izay nanameloka ny fiarahan'ireo mitovy taovam-pananahana ary manambana fampidirana am-ponja 15 taona, dia mifanohitra amin'ny zo omen'ny lalàm-panorenana ireo olompirenena mba hanana ny fiainany manokana sy ny fahalalahana maneho hevitra. Araka izay nahitàna azy tao Belize sy Trinidad & Tobago, lehilahy pelaka no nitondra ny raharaha teny amin'ny fitsaràna tao Antigoa & Barboda. Vondrona mpikatroka roa no nanohana ny ezaka nataony, ny Eastern Caribbean Alliance for Diversity and Equality (ECADE), sy ny Women Against Rape, izay ny filohany, Alexandrina Wong, dia nilaza tamin'ny antsafa natao ho an'ny BBC fa:

Tena antenainay mafy tokoa hoe hanentana ireo rafi-pitsaràna hafa aty Karaiba hamerina hijery ny lalàna sy politika any amin-dry zareo ny fanapahankevitra noraisin'i Antigoa, ary ny fiantraikan'izy ireny amin'ireo vahoaka marefo.

Mandritra izany fotoana izany, antenain'ny ECADE fa ireo fanoherana hafa araka ny lalàm-panorenana, miseho amin'izao fotoana izao ao Barbados, St. Kitts sy Nevis, ary St. Lucia, dia ho tonga amina fandrisana fanapahankevitra alohan'ny faran'ny taona 2022. Nisy ihany koa ny fanamby iray araka ny lalàna natao tamin'ireo lalàna ao St. Vincent sy Grenadines, izay notoherin'ny fanjakana. Na eo aza ny zavamisy hoe zara raha misy fampiharana azy ireo lalàna ao amin'ny faritra mandràra ny fivadian'ny olona mitovy taova, marobe ireo vondrona LGBTQ+  no milaza fa ny fisian'ireo ao anatin'ny boky fotsiny dia efa mandoko ny fomba fijerin'ny vahoaka, mampitombo ny fanilikilihana atao an'ireny vondrompiarahamonina vitsy an'isa ireny ary manampy amin'ny famadihana ho toy ny marina sy mety ny fanavakavahana, ary hatramin'ny herisetra atao azy ireny, mandray anjara indrindra indrindra amin'ny fametrahana rivo-piainana mankahala ny olona pelaka izay tsapa any amin'ny faritany marobe ao Karaiba. Araka ny lazain'ny International Lesbian, Gay, Trans and Intersex Association (ILGA), izay mamoaka tatitra iray isantaona mitondra lohateny hoe “Fankahalàna Pelaka Vohizin'ny Fanjakàna, ampahany amin'ny olana ny hoe ireo trano mpamoaka vaovao ao amin'ny faritra dia mirona amin'ny fampiasana fomba fiteny toy ny hoe “sôdômia” mba hiresahana “momba ireo tranga mahatafiditra olon-dehibe nifanaiky sy ireo mpanolana.” Fanampin'izay, araka ny lazain'ilay tatitra farany indrindra avy amin'ny ILGA, azo sintonina, sy ny sarintany mampiseho ireo lalàna momba ny fironana ara-pananahana, misy hatramin'ny valo ireo firenena mpikambana ao amin'ny Caribbean Community (CARICOM) no mbola mitazona hatrany ireo lalàna manameloka, amin'ny lafiny samihafa, ny fivadian'ireo olona mitovy taovam-pananahana: Grenada, Jamaika, St. Lucia, ary St. Vincent sy Grenadines, (samy 10 taona an-tranomaizina), St. Kitts sy Nevis (10 taona mety hiampy asa an-terivozona), Dominika (10 taona mety hiampy fampidirana any amin'ny hôpitaly mpitsabo aretin-tsaina), Barbada sy Goiana (samy famonjàna mandra-pahafaty). Ny mifanohitra amin'izay, ireo firenena mifikitra amin'ny nentindrazana toa an'i Barbada, ary ireo firenena mpivavaka toa an'i Trinidad & Tobago, dia samy nisehoana fankalazana ny Fireherehana avokoa, nizotra tsy nisy olana, mariky ny fandeferana sy ny fanajàna ny maha-olombelona, izay misy na dia manoloana ny mbola fisian'ireo lalàna faran'izay manavakavaka any anatin'ny bokiny sy manan-kery aza, ary nanosoka hevitra fa ny fanafoanana ireny lalàna ireny dia mety ho dingana voalohany mankany amin'ny fahatakarana tsara indrindra sy ny fanekena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.