Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Desambra, 2021
Nambara ho Andro Manerantany ho an'ny teny Kiswahili ny 7 Jolay; Tetikasa vaovao iray mikasa hahatakatra tsara kokoa ny karazan-tenim-paritra Swahili
"Ny antenainay koa dia ny hankalazana ny teny Swahili ao anatin'ny fahasarotany — amin'ireo karazany sy fitenim-paritra maro, amin'ireo vondrona mpiteny Swahili..." – Ny ekipan'ny Tetikasa
Miatrika vesatra kolikoly ny filohan'i Armenia teo aloha Serzh Sargsyan
Lazain'ny mpisolovavan'ity filoha teo aloha ity ho fiezahana hanodina ny fifantohana amin'izao krizy ara-politika sy ara-miaramila misy eo amin'i Armenia sy Azerbaijan izao ity fioampangana ny filoha teo aloha ho nanao kolikoly ity.
Tiorka kintan'ny gadona pop, nahatezitra vahoaka ny fanehoankeviny tsy miraharaha ny olana ara-toekarena misy ankehitriny
Raha ny olona milahatra be manoloana ireo kiôska fivarotana mofo, niteraka kiana maro tety anaty tambajotra ny antsafa iray natao tamina kintan'ny gadona Pop.
Hira ‘tsy mendrika’ miisa 42 voarara tsy mahazo mandeha radio amin'ny atoandro ao Indonezia
Voarara tsy mahazo mandeha amin'ny fampielezam-peo ao Indonezia manomboka amin'ny telo maraina ka hatramin'ny folo ora alina ireo hira toa ny an'i Bruno Mars, Jay-Z, Cardi, ary maro hafa. Heverina ho tsy mendrika ireo hira iray satria manonona firaisana ara-nofo, alikaola ary ditra.
Mozambika: hetsika media feno famoronana, ahafahan'ireo vondrona marefo mahazo vaovao
Ny TV Surdo, hetsika iray noforonina tamin'ny 2008, dia mikendry ny hamokatra votoaty ho an'ireo olona manana fahasembanana ara-pahitàna sy fandrenesana.
Nampiantrano e-fihaonambe momba ny asa fikarakarana tsy andraisa-karama i Oganda
Nomen'ny lanonana fotoana sehatra ny vehivavy tratran'ny COVID-19 hizara ny zava-niainany amin'ny hantsana amin'ny asa fikarakarana tsy misy karama sy handrisika kabary ampahibemaso momba io lohahevitra io.
Nosakanan'i Rosia ny fidirana amin'ny tranonkala Tor
Ampahany amin'ny paikady "fiandrianana ara-aterineto" ao amin'ny firenena izay mikatsaka ny hanamafy ny fifehezan'ny fanjakana foibe ny fotodrafitrasa amin'ny aterineto sy ny sehatra an-tserasera ny fanerena hisian'ny sivana anjotra goavana kokoa.
Mpiangaly rap maneho hatezerana sy fanoherana amin'ny fitondrana miaramila
"Tsy hangina mihitsy ny Hip Hip Myanmar. Miara-mivondrona izahay, tsy hoe mitovy izahay fa mitambatra ho iray."
Very ka hita: Fampodiana ny sarivongan'i Laxmi-Narayan tao Patan ao amin'ny Lohasahan'i Kathmandu
Ny fametrahana indray ny sarivongan'i Laxmi-Narayan antsasany lahy sy antsasany vavy ao amin'ny Patko Patan no ohatra farany amin'ny fiverenan'ny sampy nisy nangalatra.
Maty teo amin'ny faha-77 taonany ilay Rosiàna mpamokatra sarimihetsika, Sergei Solovyov dies at 77
Fantatra bebe kokoa i Solovyov tamin'ireo sarimihetsika novokariny manoritsoritra ny fiovàna nahamay teo amin'ny fiarahamonina rosiàna sy sôvietika, nitranga tany amin'ny faramparan'ny andian-taona 1980, vanimpotoanan'ny perestroika sy ny glasnost.