Hira ‘tsy mendrika’ miisa 42 voarara tsy mahazo mandeha radio amin'ny atoandro ao Indonezia

Tamin'ny jona 2021, hira 42 no voarara handeha amin'ny radio amin'ny andro mazava ao Indonezia. Sary avy amin'ny lahatsary Youtube an'ny Times.

Namoaka tenimita ny vaomiera Indoneziana misahana ny fampielezam-peo sy sary (KPI), sampandraharaham-panjakana mpandrindra tamin'ny jona 2021, nilaza fa tsy afa-mandefa hira amin'ny fiteny anglisy miisa 42 mandritra ny andro mazava, ankoatra ny amin'ny folo ora alina ka hatramin'ny telo maraina. Ny hira tafiditra anaty lisitra dia lazaina fa manahirana amin'ny fahamendrehany satria manonona firaisana ara-nofo, alikaola na ditra (hafa). 

Saingy tsy vao sambany tsy akory ny vaomera no nametra hira tahaka izao amin'ny toby fampielezam-peo. Tamin'ny taona 2019 ny KPI efa nametraka fitsipika tahaka izao tamin'ny hira miisa 84, ka ao anatin'izany ny hira pop tandrefana miisa 17 avy amin'ny kintana tahaka an'i Ed Sheeran sy Ariana Grande. Tamin'izany fotoana izany ny filoha lefitry ny KPI, Rahmat Arifin, nilaza tamin'ny Tempo.co “Fa tsy ny hira no raràna, fa ny tononkira izay miaty pôrnôgrafia, zavatra mifandraika amin'ny pôrnôgrafia, ary vetaveta.”

Nanazava ny fandraràna ihany koa ny filohan'ny KPI tamin'izany fotoana, Dedeh Fardia, fa mametraka ny “vehivavy ho zavatra manao azy ho zavatra fitaovana amin'ny fananahana” ny sasany amin'ny tononkira.

Raha namaly tamin'ny tsikeram-bahoaka, nanambara ny KPI fa tsy voarara feno ny hira fa voafetra amin'ny endrika tsy mampiharihary ny tsy fampiseho masoandro. Efa niatrika fahasosoram-bahoaka ny sampan-draharaha tany aloha tany noho izao fitsipika manjavozavo izao, indrindra taorian'ny fielezam-botoaty feno teny ratsy sy “mahery setra” amin'ny sarimiaina tahaka ny Spongebob Squarepants

Nisy olom-pirenena iray, Fadhil Mulyono, nanangona anaty playlist iray ireo hira voarara ho ao amin'ny Spotify, izay azo tsidihana ato. Ny sasany amin'ireo hira lazaina ho tsy mendrika ireo moa dia ahitana ny Empire State of Mind an'i Jay-Z, Good Life an'i One Republic, ary Starships an'i Nicki Minaj.

Nisy hetsika manohitra ny ditra iray, fantatra ao an-toerana hoe anti-maksiat, nisandratra tao Indonezia tao anatin'ny taona vitsivitsy izay notarihan'ny fanentanan'ny fikambanana miozolomana mpandala ny mahazatra tohanan'ny fanjakana. Nanandra-peo io hetsika io ny hampanankery ny lalàna Sharia sy ny fitsipika eo amin'ny sehatra ara-paritany sy manerana ny firenena ka nahatonga ny governemanta handrara hira, media, ary tranonkala noho ny endrika manohintohina avy amin'ireto farany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.