Mpiangaly rap maneho hatezerana sy fanoherana amin'ny fitondrana miaramila

Ny fonon'ilay rakikira novokarin'ny Rap Against Junta tao amin'ny Twitter. Nahazoana alalana.

Nahita fomba hampiasana ny zava-kantony ireo mpiangaly rap Myanmar mba hanoherana ny fitondrana miaramila mampahory, izay naka fahefana tamin'ny volana Febroary 2021. Ankoatra ny fandraisana anjara amin'ireo famoriam-bahoaka, nanoratra hira manameloka ny habibian'ny fitondrana miaramila ihany koa ireo mpanao rap. Nitambatra izy ireo ary namorona ny Rap Against Junta (Rap Manohitra ny Fitondrana Miaramila) ho “fanoherana amin'ny fomba vaovao eo amin'ny sehatra Hip-Hop Myanmar manohitra ny Fitondrana Miaramila izay nanao fanonganam-panjakana tsy ara-dalàna.” Ahitana mpiangaly rap, mpamokatra, mpanodina kapila, injeniera amin'ny feo, mpanentana, mpikarakara, mpandihy, ary mpanakanto graffiti ity tarika ity. Ity ny manifesto feno fiantsiana avy amin'izy ireo:

We are all leaders using Hip-Hop elements to reject military coup. We could be shot in the head or brutalized if arrested but, fuck it, we would rather die than to live in fear.

- to express our rage against Junta's ruthless crimes in Myanmar
– to bring down the dictatorship and battle for federal democracy
– to use Hip-Hop as a creative means to bring unity, justice and peace

WE ARE ALL LEADERS.
JUNTA MUST FAIL.

Mpitarika mampiasa ireo singa Hip-Hop izahay rehetra hanoherana ny fanonganam-panjakana miaramila. Mety ho voatifitra eo amin’ny lohanay na iharan'ny herisetra izahay raha voasambotra, saingy aleonay maty toy izay miaina anaty tahotra.

- mba hanehoana ny hatezeranay amin'ny heloka bevava feno habibiana ataon'ny Fitondra miaramila eto Myanmar
– mba hanalàna ny didy jadona sy ny ady ho an'ny demaokrasia federaly
– mba hampiasa ny Hip-Hop ho fitaovana vaovao hitondrana firaisankina, fahamarinana ary fiadanana

MPITARIKA ISIKA REHETRA.
TSY MAINTSY RESY NY FITONDRANA MIARAMILA.

Namokatra rakikira izay navoaka tamin'ny volana oktobra ny fiaraha-miasan'izy ireo. Nampitondraina ny lohateny hoe DickCouncil [ဒစ်ကောင်စီ], kilalaon-teny amin'ny teny Birmana manondro ny “Filan-kevitra Miaramila”, ahitana hira 11 avy amin'ireo mpiangaly rap 15 ilay rakikira. Ampahany amin'ny fanambarana navoakan'izy ireo nandritra ny fampahafantarana ny rakikira ity:

The artists use their unique perspectives and critical voices to be heard across the world, using hip hop as a powerful communication tool. Myanmar hip hop will never be silenced. We come together, not because we are the same but because we are united as one.

Mampiasa ny vinavinany tsy manam-paharoa sy ny feony mitsikera ry zareo mpanakanto mba ho re manerana izao tontolo izao, amin'ny fampiasana ny hip hop ho fitaovam-pifandraisana mahery vaika. Tsy hangina velively ny hip hop Myanmar. Miara-mivondrona isika, tsy hoe mitovy isika fa mitambatra ho iray kosa.

Nandinika ilay rakikira ilay mpanoratra Roger Yiu:

Despite its political nature, DickCouncil is a hidden gem for those who have limited knowledge of Myanmar. Written in the Burmese language, the album ranges from robust Gangsta Rap, Punk Rap, Rock Rap, to playful Funky Trap and even soft electronic beats. Hip Hop has always been the tool of the unheard, and Rap Against Junta is here to put their perspectives in raps and to tell the world the people of Myanmar will not stop fighting for democracy.

Na dia eo aza ny toetrany ara-politika, vatosoa miafina ho an'ireo izay manana fahalalana voafetra momba an'i Myanmar ny DickCouncil. Nosoratana tamin'ny teny Birmana, manomboka amin'ny Gangsta Rap matanjaka, Punk Rap, Rock Rap, ka hatramin'ny Funky Trap mampilalao ary koa ny gadona elektronika malefaka mihitsy aza ilay rakikira. Fitaovan'ny tsy re hatrizay ny Hip Hop, ary eto ny Rap Against Junta hametraka ny fomba fijerin'izy ireo amin'ny rap ary hilaza amin'izao tontolo izao fa tsy hitsahatra hiady ho amin'ny demaokrasia ny vahoakan'i Myanmar.

Nilaza tamin'ny Global Voices nandritra ny tafatafa  ny mpikambana iray ao amin'ny Rap Against Junta fa nandany telo volana izy ireo vao nahavita ireo hira tamin'ny rakikira. Nohazavain’izy ireo ihany koa fa tsy te-hihantsy ny fitondrana miaramila fotsiny izy ireo fa ny handrava izany.

We had a hard time during the collection of music because of COVID-19 third wave (in Myanmar). We are not challenging them… We tearing them apart… We use HipHop as a medium to connect all the people and battle towards junta regime.

Nanana fotoan-tsarotra izahay nandritra ny fanangonana mozika noho ny onja fahatelon'ny COVID-19 (teto Myanmar). Tsy mihantsy azy ireo izahay… Mamotipotika azy ireo izahay… Mampiasa ny HipHop ho fitaovana hampifandray ny vahoaka rehetra sy hiady amin'ny fitondrana miaramila izahay.

Noderain'ireo mpiangaly rap  avy amin'ny firenen-kafa izay mijoro manohitra ny politika anti-demaokrasia ataon'ny governemantan'izy ireo tsirairay avy ihany koa ilay rakikira.

Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo hira novokarin'ireo mpiangaly rap anti-junta ao Myanmar:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.