Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Aogositra, 2017
Tata Genaro Ramírez: Ilay Mpiompy Namelona Indray ny Fiteny Náhuat any El Salvador
Namela lova lehibe i Genaro Ramírez en Santo Domingo de Guzmán, El Salvador tamin'ny famelomana ny teny nentin-drazany. Niresaka tamin'i Werner Hernández ny Global Voices, izy io izay mpikambana amin'ny Fikambanana Tzunhejekat, tetikasa izay mikendry ny hanaparitaka ny fiteny Náhuat amin'ny alalan'ny fitaovana maro.
Costa Rica: Fiantraikan'ny Aterineto Amin'ireo Fifidianana Filoham-pirenena ny Taona 2006
mandray anjara lehibe amin'ny famolavolana ny hevitry ny vahoaka sy amin'ny fanentanana fifanakalozan-kevitra tsara momba ny fifidianana filoham-pirenena satria efa akaiky ireo, ny ampahany lehibe amin'ireo bilaogy Kôsta Rikàna.
Tondradrano, Pisco, ary Fampianarana Maimaimpoana
Ny iray amin'ireo lohahevitra maro tena nahasarika ireo antoko liana tamin'ny adihevitra dia ilay tolokevitra naroso hanajanonana ny fandoavana saram-pianarana eny amin'ny anjerimanontolom-panjakàna
Sarimihetsika 15 Izay Miresaka Ny Fifandraisana Saropady Misy Amin'i Taiwan (Taioàna) Sy Japàna
Efa tany amin'ny faramparan'ny taona 1980 vao nanomboka nanadihady ny tantaran'ireo firenena roa ireo ny mpamokatra sarimihetsika, nanomboka tamin'ny fifehezan'ny fanjanahantany sy ny Ady Lehibe Faharoa ka hatramin'izao.
Nepal: Maoista Nitarika Fitokonana Nampihitsoka Ny Firenena
Nanomboka tamin'ny faha 1 Mey 2010, dia nandefa antso avo hanao fitokonana goavana mandritra ny fotoana tsy voafetra ny mponina maoista nepaley ho fitakiana ny fandravàna ny governemanta amperinasa sy ny firosoana tanteraka amin'ny dingana fanoratana ny lalàm-panorenana. Nandeha am-pilaminana ny hetsika amin'ny ankapobeny kanefa nandona mafy ny firenena izany. Manadihady ny toedraharaha misy ireo bilaogera ao Nepal.
Lahatsary : Ireo Fandaharana Fampahafantaram-baovao Ho An'ireo Tanoran'ny Kids News Network
Manome fahafahana ireo ankizy any amin'ireo firenena samihafa mba hijery ireo fandaharana mikasika ny zava-misy natokana indrindra ho azy ireo, amin'ny fahitalavitra na amin'ny aterineto, mba ho afaka mikaroka sy mizara amin'ny aterineto ireo heviny, ny tambajotra Kids News Network.
Lalao Cricket An-tanànakely, Amin'ny Endrika Karibeana
Amin'izao vanim-potoana izao, mitodika any amin'ny lalao cricket ny eritreritry ny Karibeana miteny anglisy . Rehefa mivezivezy manodidina ny iray amin'ireo faritra zanatany Britanika teo aloha ianao dia mety hahita sehatra maitso tahaka ity iray ity ao amin'ny tanànakelin'i Howsen, Trinite.
Revolisionan'i Nepal : Fandresena
Nanaiky ny tondrozotran'ny antoko fito miara-dalana ny mpanjaka.
Ny Olona Sy Ny Tranom-bitsika (Guyana)
Mankafy mijery ny tranom-bitsika ao avaratr'i Rupununi, Guyana any amin'ny Tendrombohitra Kanuku afenin'ny rahona eny lavitra eny.
Tsy Hampihena Velively Ny Isan'ny Tovovavy Mitondra Vohoka Ao Tanzania Ny Fanakànana Ireo Reny Tsy Hiverina Any An-Tsekoly Indray
Nomelohan'ny Filoham-pirenena ao Tanzania, John Magufuli, ny ONG iray ao Tanzania mamporisika ireo reny tanora mba hiverina any an-tsekoly, tamin'ny filazany fa "manimba ny firenena" izy ireo ary mitarika ny "fahasimban'ny toe-tsain'ny mponina" ao Tanzania