(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2005)
Ny dika voalohany amin'ity lahatsoratra ity dia afaka jerena ato amin'ny teny espaniola.
Tao amin'ireo bilaogy hafa tahaka ny La Suiza Centroamericana, matetika i Dean Cornito no mametraka ny tsy fahazoany aina amin'ny sokajy ara-politika eto amin'ity firenena ity. Bandidocr, iray amin'ireo vitsy be herim-po nahavita nijery hatramin'ny farany, manome famakafakana kely ny fahombiazan'ny kandidà tsirairay. Se salvó el pais indray miresaka fotsiny mikasika ny kalitaon'ny fanambaràna ampahibemaso na fampielezankevitra tahaka ny fanehoankevitry ny sasany amintsika teo aloha momba ny (tsy fahampian'ny) fahaizamanaon'izy ireo satria ny ankamaroan'izy ireo nitontongana ho fampihomehezana ary lasa fandaniam-potoana.
Ho famintinana, mandray anjara lehibe ny ampahany lehibe amin'ireo bilaogy Kôsta Rikàna tamin'ny famolavolana ny hevitry ny vahoaka sy amin'ny fanentanana fifanakalozankevitra tsara momba ny fifidianana filoham-pirenena arakaraky ny hanakaikezan'izy ireny. Tsy mbola nisy mihitsy teo aloha ireo kandidà no notsinkafonina antsipirihany tahaka ny mahazo azy ireo ankehitriny.