Lalao Cricket An-tanànakely, Amin'ny Endrika Karibeana

(Marihina fa tamin'ny 17 Aprily 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Howsen Village cricket match
Ny lalao cricket amin'ny Alahadin'ny Paka  — Tanànakely Howsen , Trinite. Avy amin'ny caribbeanfreephoto

Amin'izao vanim-potoana izao, mitodika any amin'ny lalao cricket ny eritreritry ny Karibeana miteny anglisy. Rehefa mivezivezy amin'iza faritra zanatany Britanika teo aloha tsidihanao ianao dia mety hahita sehatra maitso tahaka ity iray ity ao amin'ny tanànakelin'i Howsen, Trinite. Nifanandrina tamin'ity lalao natao tamin'ny Alahadin'ny Paska ity ny avy ao amin'ny tanànakelin'i Howsen sy ny avy eo ampitany (fifamaliana), ekipa iray avy any Valencia (an-kianja) ary olona miisa roapolo teo ho eo no nijery izany sy nozaraina labiera sy toakamena ary nanohana ireo mpilalao tao anatin'ny resadresaka momba ny raharaha teo an-toerana, anisan'izany ny adin'ny mpifankatia iray izay inoan'ny maro fa hiravina tsy ho ela (izany dia noho ilay vehivavy “nidaroka” ilay lehilahy). 121 sy 5 ny isa tamin'ny fotoana fisotroana dite.

Nanomboka ny 29 aprily ny vanim- potoana ho an'ny lalao cricket iraisampirenena tany Karaiba, izay nahitana an'i Zimbaboe nifanandrina tamin'i Antilles Andrefana any Antigua. Nanangona ireo resaka momba ny lalao Cricket any Antilles Andrefana ny The West Indies Cricket Blog any an-toerana.  .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.