Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Jona, 2014
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe ‘Indraindray Tsara Ny Fanolanana’, Mijoro Ny #MenAgainstRape Ao Pakistana
#menagainstrape : Tovolahy aman-jatony avy any Pakistana no nanatevina an-daharana ny fanentanana nataon'io tenifototra io.
Mbola Mijery Ny Fiadiana Ny Amboara Eran-tany Amin'ny Lalao Baolina Kitra Avy Lavitra Indray I Però…
Tia lalao baolina kitra ny Peroviana, saingy tsy maintsy manohana ekipa hafa izy ireo amin'ity taona ity. Tsy voafidy handray anjara amin'ny lalao iadiana ny Amboara Eran-tany ny ekipam-pireneny tanatin'ny 32 taona izao.
Shina : Fetiben'ny Henan'Alika- Heloka Sa Kolontsaina ?
Miady mafy ireo mpikatroa mpiaro ny zon'ny biby any Shina mba handraràna ny fihinanana henan'alika, fa lazain'ireo mpankasitraka ny fomban-drazana sy ny mpakafy ny henan'alika ho fanitsakitsahana ireo zo sy ny kolontsaina izany.
Brezila sa Arzantina? Tonga Hatrany Bangladesh Ny Fifanandrinana Amin'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-Tany Amin'ny Baolina Kitra
Tsy afaka milalao i Bangladesh nefa voan'ny tazon'ny fiadiana ny amboara eran-tany. Mizara ho antokon'i Brezila sy Arzantina ny mponina. Sainam-pirenena, akanjo ambony, adihevitra mafana - nanomboka tamin'ny fiadiana ny amboara eran-tany lalao baolina kitra.
Didim-pitsarana Manatantara Mampanatrika An'i Brezila Ny Laza Ratsiny Fahiny
Telo amby efa-polo taona taty aoriana, manamboninahitra dimy misotro ronono no tsy maintsy nanazava tao amin'ny fitsarana ny fampijaliana, fanjavonana ary fahafatesan'ny solombavambahoaka Rubens Paiva.
Nahoana No Faly Amin'ny Fialàn'ny Governoran'i Michoacán Ny Olona Sasany
Nanambara ny governoran'i Michoacan, Firenena Meksikana fa hametra-pialàna noho ny antony ara-pahasalamana
Lehilahy Syriana Namadika Ireo Fitaovam-piadiana Ho Zava-kanto
Mamadika basy aman-tafondro ho zava-kanto. Izany no asan'ilay mpanakanto monina ao Douma, Akram Abu al-Fawz, izay manangona ireo balafomanga sy rokety ary mamadika izany ho zava-kanto sy haingo maro isan-karazany.
Espaniola an'Arivony No Mitaky Repoblika Taorian'ny Fametraham-Pialàn'ny Mpanjaka
Mpandinika maro no mahita fa andrana hitazonana ny rafitry ny fanjakana misy mpanjaka io fametraham-pialàn'ny mpanjaka io.
LAHATSARY: Nahoana Ireo Mpianatra Sasany No Mifindra Monina Mba Hialàna Amin'ny “Tsy Rariny” Amin'ny Fanadinana Fidirana Oniversite Ao Shina ?
Manome vahana kokoa ireo mpianatra avy amin'ny faritany sasany miohatra amin'ny hafa, ny rafitra mametra fetran'isa ekena, midika izany hoe tokony hifindra toerana any amin'ny faritra metimety kokoa mba hahabe ny vintanao, ka hahafahana miditra aminà anjerimanontolo tsara.
Ataovy Google Fotsiny? Tsy Ao Shina Anefa Satria Mbola Mikatona Ny Google Ao
Google, Gmail sy ny tolotra hafa ao amin'ny aterineto goavana no nanjary tsy azo idirana nanomboka tamin'ny 30 mey, saingy azo hidirana ao amin'ny tambajotra virtoaly mahaleotena (VPN) sy ny habaka fanitarana ao Shina kosa ireo.