Brezila sa Arzantina? Tonga Hatrany Bangladesh Ny Fifanandrinana Amin'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-Tany Amin'ny Baolina Kitra

Football fever spreads in Bangladesh. Playing football in front of a wall colored with different national flags of the participants in the FIFA World Cup. Jatrabari, Dhaka. Image by Sourav Lasker. Copyright Demotix (8/6/2014)

Manerana an'i Bangaldesh ny tazon'ny baolina kitra. Milalao baolina kitra manoloana ny rindrina voaloko amin'ireo karazana sainam-pirenen'ireo mpandray anjara amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany karakarain'ny FIFA. Jatrabari, Dhaka. Sary avy amin'i Sourav Lasker. Fizakàmanana Demotix (8/6/2014)

Efa nanomboka ny 12 Jona 2014 izao tany Brezila ny fiadiana ny amboara eran-tany amin'ny baolina kitra karakarain'ny FIFA ary efa mahenika an'i Bangladesh ny ‘ tazon'ny amboara eran-tany’, tahaka izay miseho isaky ny efa-taona.

Tsy misy mahasakana ny fitiavan'ny aty amin'ny firenena Atsimon'ny Azia baolina kitra, na dia ambany  aza ny laharany amin'ny FIFA – 167 tamin'ity taona ity. Tsy mba nisy fotoana mba nankalazan'ny vahoaka bangla ny ekipany nandritra ny lalao fiadiana ny amboara eran-tany, nefa dia manaraka amim-pahatoniana sy mandrisika amim-pitiavana ireo ekipa iraisam-pirenena ankafiziny ry zareo. 

Mpanohana mavitrika an'i Brezila na i Arzantina ny ankamaroan'ny Bangladeshi. Mampifanakaiky ny mpankafy baolina kitra any Bangladesh io lalao io. Izao no soratan'i  Ahmad-Musa ao amin'ny Somewhereinblog :

১২ জুন সাও পাউলোতে শুরু হচ্ছে ফুটবল যুদ্ধ। এই যুদ্ধে বাংলাদেশের আপমর জনতা মূলত ভাগ হয়ে যাবে ব্রাজিল-আর্জেন্টিনা শিবিরে। ঘরে ঘরে চলবে এই সমর্থন যুদ্ধ।এলাকা মহল্লায় কার আগে কে কত বড় পতাকা উত্তোলন করতে পারে, কাদের সমর্থক বেশি তা নিয়ে চায়ের টেবিলে ঝড় উঠেছে।

Hanomboka any Sao Paulo amin'ny 12 Jona ny adin'ny baolina kitra.  Mizara ho antoko roa i Bangladesh manontolo – Brezila sy Arzantina. Hita taratra any amin'ny tokatrano tsirairay io fanohanana io. Efa entanin'ny fanahy ta mifaninana daholo ny mpiray vodirindrina miandry izay ho afaka hanainga voalohany ny sainam-pirenen'ny ekipa tohanany mialoha ny hafa. Amin'izao fotoana izao aza dia misy adihevitra mafana tsy mety vita miaraka amin'ny kaopinà dite mafana mila tsy ho tapitra, momba izay manana sainam-pirenena lehibe indrindra, ny ekipa be mpanohana indrindra sns…

Traders are out to make some quick money as the sale of jerseys of various countries soar ahead of the FIFA World Cup in Brazil. Image by Md. Manik. Copyright Demotix (5/6/2014)

Indreny sahady ireo mpivarotra mitady vola haingana amin'ny fivarotana ny akanjon'ny mpilalao avy amin'ireo firenena samy hafa mialoha ny fiadiana ny amboara eran-tany karakarain'ny FIFA any Brezila. Sary avy amin'i  Md. Manik. Fizakàmanana Demotix (5/6/2014)

Mitondra ny marika ahafantarana ny ekipa itokisany eny amin'ny tànan'akanjony ny tsirairay indrindra amin'ny haino aman-jery sosialy.

Nibitsika  tamin-kitsim-po i Marina Chawdhury (@M_e_R_i_n_a) fa tsy hifanditra amin'izay resaka baolina kitra izy (tsy toy ny hafa) :  

Mpanohana an'i Brezila aho, ary mpandala ny fandriam-pahalemana. Tsy mifanditra amin'ireo mpanohana ny ekipa hafa aho.

Tailors sew Brazil and Argentina flags at a shop in Dhaka ahead of the World Cup.  Image by Rohit Rajib. Copyright Demotix (21/5/2014)

Mpanjaitra manjaitra ny sainam-pirenen'i Brezila sy Arzantina ao aminà fivarotana iray ao Dhaka, mialoha ny fiadiana ny amboara eran-tany. Sary avy amin'i  Rohit Rajib. Fizakàmanana Demotix (21/5/2014)

Miroborobo be ny fivarotana ny sainam-pirenen'ireo firenena mpandray anjara mandritra ny fotoanan'ny fiadiana ny amboara eran-tany. Afaka ny ho hita hihofahofa eny amin'ny tranon'ireo mpanohana sy mpankafy ny sainan'ireo ekipa tiany, tranga izay nahatonga ny mpitoraka bilaogy Sobak Pakh haneho ny heviny :  

বিশ্বকাপ ফুটবলের সময় ব্রাজিল, আর্জেন্টিনার পতাকা উড়ানোর উপর করারোপ করলে সরকার কিছু টেকাটুকা কামাইতে পারতো।

Tokony hahazo vola amin'ny fangalàna hetra amin'ny fanofahofana ny sainan'i Brezila sy Arzantina ny governemanta.

Ashiqur Rahman Rean kosa dia nanoratra tao amin'ny Facebook:

Tokony hahazo ny ” anjarany” avy amin'ny sainam-pirenena lafo any Bangladesh mandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany i Neymar sy i Messi : mety ho lasa adala izy ireo raha toa ka fantany ny isan'ny lafo aty.

Maneho hevitra momba ireo peta-drindrina ahitana ny sainan'ireo mpandray anjara hita na aiza na aiza, saika manerana ireo tranobe sy ireo fiara mivezivezy eny an-dàlana i Nillufar Sharmin Jessy :

Tazon'ny Fiadiana ny AMBOARA eran-tany any Bangladesh. Manofahofa saina eny amin'ny tranony na ny fitaterana ny olona. #LOVEFOOTBALL.@WorldCupPosts pic.twitter.com/sXl5tV7HfR

Zavatra mahaliana, na dia tsy mandray anjara amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany aza i Bangladesh, ekipa iraisam-pirenena fito no mitafy akanjo vita avy any Bangladesh. Mirehareha amin'izany i Zubayer Aziz, ary dia  nibitsika :

hatao aty Bangladesh ny akanjon'i Brezila amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany ary dia hireharehana ny milaza ny #MadeInBangladesh

 Nametra-paontaniana  ao amin'ny Facebook ny mpanabe sady mpitoraka bilaogy, Ragib Hasan :

কিন্তু আর্জেন্টিনা ব্রাজিলের এই পতাকার ভীড়ে আমার এই সোনার বাংলার পতাকাটা কোথায়?
বাংলাদেশের পতাকা আইন অনুসারে বিদেশী পতাকা কেবল তখনি ওড়ানো চলে, যখন বাংলাদেশের পতাকা ওড়ানো হয় এবং সব চাইতে উঁচুতে সগৌরবে। খেলা নিয়ে আনন্দ, উল্লাস এসব আমাদের জীবনের, আমাদের বেঁচে থাকারই অংশ। কিন্তু খেলার উন্মাদনায় বাংলাদেশের লাল সবুজের পতাকার মর্যাদাটা ভুললে চলবেনা, কারণ লাখো শহীদের অর্জিত এই পতাকাটা কোনো ব্রাজিলীয় বা আর্জেন্টিনীয়র রক্তে না, বরং এই বাংলার মানুষের রক্তে, আত্মত্যাগেই এসেছে। কাজে ওড়ান পছন্দের দলের পতাকা, মনের আনন্দে, কিন্তু একই সাথে বাংলাদেশের পতাকাও উড়ুক, আর উঁচুতে, আমাদের গর্বে, আনন্দ বেদনার চিরসঙ্গী হিসাবে।

Aiza amin'ireto sainan'i Brezila sy Arzantina mipetaka manerana ny tanàna ireto ny an'i Bangladesh ? Araka ny lalànan'i Bangladesh momba ny saina dia azo atao ny manofahofa sainam-pirenena vahiny raha toa ka ahofahofanao ihany koa ny sainam-pirenena Bangali izay tokony hihofahofa avo kokoa amin'ny voninahiny rehetra. Tsara ny fitiavana sy ny fahafinaretana manodidina ny fanatanjahantena (sy ny baolina kitra). Iainantsika izany, hery ho an'ny andavanandrontsika. Fa rehefa hanao tahaka izany, dia tsy maintsy tsaroana ny fanajana sy ny fanomezam-boninahitra ny sainam-pirenentsika. Tsy tokony ho adinointsika fa noho ny sorona nataon'ireo martiorantsika, ny ràny, ny sorona nataony no nahazoantsika io saina io- fa tsy rà Breziliana na Arzantina no nahazoantsika iny sainam-pirenentsika iny. Noho izany, ataovy, ahofahofay ny sainan'ireo ekipa tianareo ary mifalia, fa ankilan'izany avelao ny sainam-pirenentsika hihofahofa ambony kokoa ho mariky ny rehareham-pirenentsika, ny hafaliana sy alahelo lalina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.