Shina : Mampiahiahy ny fiverenan’ny Maoïsta Nandritra ny Fihetsiketsehana Manohitra ny Japoney
Mpanao fihetsiketsehana maoïsta no nibaha-toerana nandritra ny hetsika goavana manohitra ny japoney izay nitranga tao Shina tamin’ny 15 hatramin’ny 18 septembra 2012, nisy ny filanjana ny saritavan’ny filoha Mao nandritra ny filaharambe sy ny fiventsona ny hira taloha ho fanomezam-boninahitra ny mpanorina ny firenena.
Ho an’ireo manampahaizana marobe, mampanembona ny fahatsiarovana mangidy mikasika ny fampielezan-kevitra sy ireo andianà raharaham-pitsarana politika ny fiverenan’ireo maoïsta eo amin’ny tontolo politika, tahaka ny Revolisiona koltoraly, izay nampisongadina ny tantaran’ny Sinoa. Izany indrindra no antony nahasarika manokana ireo mpampiasa ny sehatra bilaogy madinika tamin’ny herisetra nataon’ilay profesora maoista Han Deqiang taminà rangahy 80 taona nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ny japoney tao Beijing tamin’ny 18 septambra.
Maoïsta avy ao amin’ny ankavia nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ny japoney
Tao amin’ny bilaoginy, Lao Ye naneho hevitra [amin’ny teny sinoa] mikasika ny fiverenan’ireo maoïsta nandritra ny famoriam-bahoaka manohitra ny japoney tao Beijing :
【从“小平您好”到“毛主席,人民好想您”】9月18日,北京学生和群众举行抗曰游荇。毛泽东的画像和标语异乎寻常的多。有学生打着“毛主席,人民好想您”的横幅。84年学生打着“小平您好”的横幅,曾作为历史的一个标志。但是今天,没有看到任何人举邓的画像或标语。这种变化值得关注
[Manomboka amin’ny “Manao ahoana, Xiaoping” sy ny “Filoha Mao, malahelo anao ny vahoaka] Tamin’ny 18 septambra tao Beijing, mpianatra marobe sy mpanao fihetsiketsehana no nanatontosa filaharambe ary nilanja sarintava sy teny filamatry Mao. Hoy ny iray amin’ireo sora-baventin’ny mpianatra milaza “Filoha Mao, malahelo anao ny vahoaka ». Tamin’ny taona 1984, toy izao ny teny filamatry ny mpianatra “Manao ahoana, Xiaoping”, teny fohy maneho fa mandalo vanim-potoana vaovao eo amin’ny tantarantsika isika [miaraka amin’ny fanovana ara-toekarena]. Saingy ankehitriny, tsy misy olona milanja sarintava sy teny filamatry Deng Xiaoping intsony. Fivoarana tokony marihana.
Nisy ny sampona niseho nandritra ny filaharambe tao Beijing. Raha niventso ny teny filamatra “Filoha Mao, malahelo anao ny vahoaka!” ny vondrona iray, mpanao fihetsiketsehana iray manohitra ny japoney namaly azy ireo mafy hoe: “malahelo azy ny vodiko!”.
Novelesin’iray tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana izy avy eo no sady notebahany hoe “mpamadika”. Bilaogera iray nanamarika [amin’ny teny sinoa] fa i Han Deqiang [amin’ny teny anglisy] ilay olona nihantsy, nasionalista sinoa malaza sy mpamorona ny tranokala maoïsta “Utopia“, izay mampianatra ao amin’ny oniversité Beihang ao Pékin.
Taty aoriana, nandefa fanambarana tamin’ny aterineto [amin’ny teny sinoa] tamin’ny fomba feno fihantsiana i Han izay niparitaka be tamin’ny bilaogy sy forum (fifanakalozan-keivtra) avy eo:
我一向反對打人,一向主張和平說理。但是,遇到不講理的人,遇到造謠、誹謗、污蔑開國領袖,破壞中國人民團結,給日本當漢奸的人,我忍無可忍,不能再忍!寧可為此被拘留,也不能讓這等漢奸放肆、猖獗!…… 在群情激憤聲討小日本、想念毛主席的游行隊伍中,不容許出現這種明目張膽的漢奸言論。今後如果在游行隊伍中遇到這樣的漢汗,該出手是我還會出手!犯了法的,我認罪伏法,但絕不認錯。
Manohitra ny herisetra foana aho hatrizay ary manohana ny fifampiresahana marina. Saingy raha mifanehatra amin’ny olona tsy manantsaina, olona manevateva ny mpamorona ny firenentsika, mampidi-doza ny firaisain’ny vahoaka sinoa sy manome vahana ny Japoney ho toy ny mpamadika, tsy zakako izany. Aleoko izaho no samborina toy izay mamela ny mpamadika tahaka azy hihira ratsy toy izany. Tsy azo leferina ny teny toy izany ao anatin’ny fihetsiketsehana manohitra ny Japoney sy ny fanomezam-boninahitra ho fahatsiarovana ny filoha Mao. Raha mbola mifanena aminy aho amin’ny fihetsiketsehana manaraka, dia haveriko indray ny nataoko. Nandika lalàna aho, vonona hizaka izay vokatr’izany aho. Ary tsy hifona izany mihitsy aho mandrakizay.
Tamin’ny fomba mahagaga, mpiserasera maromaro no naneho ny fanohanany an’i Han [amin’ny teny sinoa] :
@张宏良:【支持韩德强正义之举,坚决打击汉奸】全世界所有国家都有捍卫信仰自由的权利,美国一部影片侮辱了伊斯兰的信仰,形成世界反美风暴。为什么唯独中国人民没有信仰自由?没有信仰毛主席的自由?没有捍卫自己信仰的自由?为什么专门立法允许任意侮辱毛主席?而人民群众却没有任何捍卫自己信仰的法律权利?
Zhang Hongliang : [Manohana ny fihetsiky Han Deqiang, vonona hanafika ireo mpamadika] Manan-jo hiaro ny fahalalahany ara-pivavahana ny firenena tsirairay. Niteraka fahatezerana manohitra ny Amerikana manerana izao tontolo izao ilay horonantsary amerikana manevateva ny finoana miozolomana. Nahoana i Shina no firenena tokana tsy manana fahalalahana ara-pivavahana? Nahoana isika no tsy manana fahalalahana hatoky ny filoha Mao? Sy ny zo hiaro ny finoantsika? Nahoana ny lalàna no manome fahafahana ny tsirairay hanevateva ny filoha Mao? Kanefa ny vahoaka tsy manan-jo ara-dalàna hiaro ny finoany manokana?
天马101:红潮的来临,摧毁了一切妄想变色中国的阴谋破产。美国及一切国内西奴走狗妄图在中国的阿拉伯自由之春没有迎来。却迎来了一场一切反动派谈之色变的毛泽东思想大潮。这不是以他们意志为转移的,人民向往的春天之风使他们始料不及!也一定会让那些过高估计中国汉奸西奴力量的外国势力重新评价中国人民!
Tianma101 : Ny onja mena no nandrava ny teti-dratsy nokasaina hanova an’i Shina. Nikasa hanafatra lohataona Arabo ho an’ny firenena i Etazonia sy ireo sinoa andevony, saingy nalemy tampoka ireo mpanohitra ny revolisionera raha nahita ny fibosehan’ireo maoista marobe. Tsy misy azony atao manoloana ireo vahoaka toy ny vitsika, nanangana ny lohataonany manokana ny vahoaka! Mazava ho azy fa mety hitarika ny manampahefana avy any ivelany hanombana indray ny herin’ireo andevony sinoa izany!
汪海林:事实上,近年来毛左被捕被禁言的不少,一有机会依旧上街公开打出旗帜和画像,这种勇气是yy公知所不能比的,敢于上街亮出身份并表达自己政治观点,是脱离键盘党和嘴炮党的必经之路。
Wang Hailin : Raha ny tena marina, nofaizina imbetsaka sy niharan’ny sivana ny foto-kevitra maoïsta tao anatin’izay taona vitsy lasa izay. Hetsika feno herim-po tanteraka ny fanaovana famoriam-bahoaka an-kalamanjana, raha misy ny fotoana ahafahana manao izany haingana. Fomba mahomby kokoa ny fanehoan-kevitra eny an-dalambe noho ny adihevitra tsotsotra resahina amin’ny aterineto.
mazava loatra fa marobe ihany koa ireo fihetsika manohitra ny maoista amin’ny alalan’ny fihantsiana. Indreto fanehoan-kevitra nofantenina izay somary manalasala: [amin’ny teny sinoa] :
范晓杨:与日本的军国主义相比,毛左给中国带来的危害更大,更值得我们警惕
Fan Xiaoyang : Raha oharina amin’ny fahasimbana ateraky ny fibaikoa-miaramila japoney, ny fahasimbana nateraky ny maoista ankavia tao Shina no goavana kokoa. Aleo fantarina tsara izany.
伯林2011:毛时代让中国人的智力、道德以及整个社会的文明水准都急剧倒退,可以说是前所未有的野蛮时代。然而在这几天的闹剧之中,仍只有毛式语言能堂而皇之的粉墨登场。乌有等网站虽曾被封,但毛左的言论自由度依然很大,他们可以公然叫嚣杀汉奸,公开打人,相比之下,自由派则备受打压,文明和民意不能上街。
Berlin2011 : Tamin’ny fitantanan’i Mao, mampahonena ny fitotongan’ny haranitan-tsaina sy ny fitondratenan’ny mponina, ary koa ny sivilizasiôna eo amin’ny fiarahamonina sinoa. Azo lazaina ihany koa fa niditra tanatinà vanim-potoana maizina feno faharatsiana isika. Tao anatin’izay andro vitsy lasa izay, tsy nisy afa-tsy ny maoïsta tao amin’ny fihetsiketsehana. Na dia efa nohidiana matetika aza ny toerana Utopia, manana tombony lehibe ny mpanohana ny maoista ankavia eo amin’ny fahalalaham-pitenenana. Afaka miantso malalaka hamono ny andevo izy ireo, ary mikapoka olona eo imasom-bahoaka. Ho an’ny liberaly kosa, iharan’ny famoretana izy ireo ary tsy afaka maneho ny heviny amin’ny fomba mendrika eny an-dalambe.
张林峰微博:【政治生态】2012是毛左势力走向衰落的开始。毛左势力将呈现极端化、暴力化与边缘化特征。他们也即将迎来内部分化的阶段。
Zhang Lifeng : [Tontolo iainana politika] Votsotra eo an-tanan'ny maiosta ankavia ny fahefana tamin’ity taona 2012 ity. Izany no mahatonga azy ireo mahery setra sy manao hetsika mahery vaika nefa maka an-jorony. Mety hiady an-trano ry zareo ireo ka hisy ny fisaraham-bazana.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...