Andian'olona Libyana vitsy no nivory teo amin'ny kianja Al Shajara ao Benghazi ny andron'ny 12 Septambra 2012ho fanoherana ny fanafihana tao amin'ny Kaonsilàn'i Etazonia.
Amerikana efatra, ka ao anatin'izany ny Ambasadora Christopher Stevens no maty raha nitifitra balafomanga ireo ny mpitolona nandritra ny nitondrana azy ireo tany amin'ny toerana tsara aro kokoa rehefa nohodidinin'ny mpanao fihetsiketsehana ny Kaonsilà.
Notaterin'ny vaovao fa nihodidina ny Kaonsilà ny mpanao fihetsiketsehana, tezitra tamin'ny fanivaivana ny Mpaminany Mohammed tao anatin'ny sarimihetsika notontosaina Amerikan-Isiraeliana iray. Nisy fihetsiketsehana tahaka izany ihany koa tany Kairo, izay nananihan'ny mpanao fihetsiketsehana ny rindrin'ny Masoivoho Amerikana, nandrovitra ny sainan'i Etazonia ary nanolo azy io tamin'ny faneva Islamika.
Nahatezitra ny mpiserasera nanerana ny faritra ny namonoana an'Atoa Stevens sy ny mpiasa ao amin'ny kaosilàn'i Etazonia telo hafa.
Avy any Benghazi i Ahmed Sanalla mizara ao amin'ny Twitter ny sora-baventy nentin'ny mpanao fihetsiketsehana.
Nisioka izy:
@ASanalla: Small crowd gathered in Alshajra square in #Benghazi to protest against attack on US embassy & calling 4 activation of Army & Police #Libya
Anisan'ny hiaka ny:
Indreto ny notsongaina tamin'ny sary navoakan'i Sanalla nandritra ny fihetsiketsehana.
@ASanalla: Chris Stevens was a friend to all Libyans. Image from today's protest in #Benghazi #USEmbassyattack #Libya pic.twitter.com/jcCkMTUh

Naman'ny Libyana rehetra i Chris Stevens. Sora-baventy nentina nandritra ny fihetsiketsehana tao Benghazi androany 8 septambra. Saripika nozarain'i Ahmed Sanalla hita Twitter
@ASanalla: Sorry Chris #Benghazi couldn't protect you. Image from today's protest in Benghazi.

mpanao fihetsiketsehana iray tao Benghazi nitondra sora-baventy mivakyhoe: Miala tsiny ry Chris, tsy naharo anao i Benghazi. saripika nozarain'i Ahmed Sanalla ao amin'ny Twitter
@ASanalla: Thugs & killers don't represent #Benghazi nor #Islam. Image from today's protest in #Benghazi