Tantara mikasika ny Hafanam-po

Venezoela: Nakatona ny Sary amin'ny Twitter, mbola mitohy ny fihetsiketsehana

GV Mpisolovava  16 Avrily 2019

Omaly, roa andro taorian'ny hetsi-panoherana goavana nanerana ny firenena, nitatitra olana maromaro amin'ny fidirana amin'ireo tranonkala sasantsasany ny mpiserasera Venezoeliana. Voalaza fa nosakanana ireo tranonkala maromaro, ary tsy afaka nijery sary sy lahatsary ao amin'ny tranonkala tambajotra sosialy ny mpisera Twitter, izay tena nilaina tamin'ny fifandraisana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Tenenin'ny olompirenena ny governemanta hifidy ny fisokafana ao amin'ny ITU

GV Mpisolovava  13 Avrily 2019

Nandrisika ny governemantany hifidy ny fisokafana any amin'ny fihaonamben'ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an'ny Fifandraisandavitra (ITU) ireo mpanandratenin'ny zon'ny aterineto. Raha nanomboka ny Alatsinainy, nanapa-kevitra ireo Fanjakana mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana raha tokony ho hitarina mankany amin'ny fandrindrana ny aterineto ny fahefan'ny ITU - hetsika izay mety handrahona ny fiainana an-takonana...

Syria: Nosamborina indray i Razan Ghazzawi

GV Mpisolovava  08 Avrily 2019

Nisambotra ilay bilaogera Syriana sady mpiaro ny fahalalaham-pitenenana Razan Ghazzawi ny mpitandro filaminana Syriana niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy tao amin'ny biraon'ny Foibe Syriana ho an'ny Fahalalaham-pitenenana ao Damaskaosy.Faharoa izao no nisamborana an'i Razan Ghazzawi.Niteraka fisalasalana ho an'ireo mpisera aterineto ny vaovao izay tsy ela akory dia naneho hevitra.

Oman: Mpikatroka an-tserasera noafahana

Tamin'ny 21 Martsa 2013, navoakan'ny Sultan tao Oman ny famotsora-keloka ireo mpikatroka sy mpanoratra an-tserasera voaheloka noho ny faniratsirana ny mpitondra, nahavita "heloka bevava hita amin'ny teknolojian'ny fampahalalam-baovao," ary nandray anjara tamin'ny hetsi-panoherana tsy nahazoana alalana.