Tantara mikasika ny Hafanam-po tamin'ny Avrily, 2018
Mem, Efitra Mihajan'ny Fiteny, Manasongadina Ireo Fiteny Madinika

Hisy ny hetsika mahaliana maro hatao any Ljouwert (Leeuwarden amin'ny teny Holandey) mandritra ity taona ity ao anatin'ny Renivohitra Ara-kolontsaina Eoropeana 2018. Fampisehoana, tantara, fampiratiana, tantara an-tsehatra, fianihana ary hazakazaka am-bisikileta ... saingy tsy misy tena mahaliana anay toy ny MeM (Efitra Mihajan'ny Fiteny).