Oman: Mpikatroka an-tserasera noafahana

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2013 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tamin'ny 21 Martsa 2013, navoakan'ny Sultan tao Oman ny famotsoran-keloka ho an'ireo mpikatroka sy mpanoratra an-tserasera nogadraina rehefa voaheloka noho ny faniratsirana ny mpitondra, nanao “heloka bevava hita amin'ny teknolojian'ny fampahalalam-baovao,” ary nandray anjara tamin'ny hetsi-panoherana tsy nahazoana alalana. Nitondra ny fanjakana Hoala nanomboka hatramin'ny taona 1970 ny Sultan Qaboos Bin Said Al-Said .

Araka ny voalazan'ny Electronic Frontier Foundation , nahitana “heloka bevava amin'ny teknolojian'ny fampahalalam-baovao” ny “fanehoan-kevitra momba ny Sultan tao amin'ny pejy Facebook sy ny bilaogy.” Nohamafisin'ny Amnesty International [PDF] ny 22 Martsa 2013 ny famotsorana ireo mpikatroka.

Sultan Qaboos and US Defense Secretary Robert Gates. Photo by Master Sgt. Jerry Morrison, U.S. Air Force. This image is in the public domain.

Sultan Qaboos sy ny Sekreteran'ny Fiarovana any Etazonia Robert Gates. Sary avy amin'ny Master Sgt. Jerry Morrison, U.S. Air Force. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Mifanohitra amin'ny fitomboan'ny fanafihana ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera ao amin'ny faritra ny zava-nitranga, izay tsy nampoizin'ny ankamaroan'ny mpanara-maso. Farafahakeliny mpikatroka sy mpanoratra Omani miisa 50 no voasambotra tao anatin'ny famoretan'ny polisy izay natao teo anelanelan'ny faraparan'ny volana Mey sy ny fiandohan'ny volana Jona 2012. Voaheloka tamin'ny fiampangana toy ny fanevatevana ny mpitondra ao amin'ny firenena izy ireo tamin'ny fampiasana ny aterineto hamoahana fitaovana fanalam-baraka “teo ambanin'ny mody lazaina fa fanehoan-kevitra malalaka,” ary ny famoahana lahatsoratra manohintohina sy manao fandrangitana tamin'ny fampitam-baovao na tamin'ny tambajotra sosialy.

“Faly izahay fa niverina amin'ny fahafahana sy afaka namonjy indray ny fianakaviany sy ny namany ireo gadran'ny fanehoan-kevitra am-polony […],” hoy ny mpikambana iray ao amin'ny fandaharan'asa Amnesty International any amin'ny faritra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, ary nilaza ihany koa izy fa tsy tokony ho gadraina ny olona mampihatra ny zony amin'ny fahalalahana maneho hevitra.

Raha namaritra ilay fanapahan-kevitra ho toy ny dingana miabo ny fikambanana mpiaro ny zo dia nandrisika ny Oman hanaisotra ny lalàna famoretana sy ny famerana ny fahalalahana maneho hevitra .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.