Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Septambra, 2015
Nampisokatra Ny Mason'ny Peroviana Manoloana ny Fahafatesan'ireo Zanaky ny Fireneny Ilay Zazalahy Syriana Maty An-drano
Niteraka fiaraha-miory iraisampirenena ny sarin'ilay zazalahy Syriana maty an-drano, raha niteraka fifanoheran-kevitra kosa ny sarin'ireo ankizy matin'ny hatsiaka tao amin'ny tangoron-tendrombohitra Andes Peroviana.
Mandrava Ny Fitsaratsara-Poana Ara-kolontsaina sy Ara-pirazanana Mihatra Amin'ny Amerikana Latina Anaty Vazivazy
Nasehon'i Joanna Hausmann nandritra ny andian-tsarimihetsika nataony ny fahasorenany amin'ny fitsaratsarana an-tendrony ataon'ny olona amin'ny Latinos ao Etazonia", Joanna Rants.
‘Antso Ho Amin'ny Fitiavana Sy Fangorahana’: Tian'ny Ben'ny Tanànan'i Barselona Raha Mba Mandray Mpitsoa-ponenana Ireo Tanàndehibe Ao Espaina
Taorian'ny nampalaza be tao amin'ny Aterineto ny fanehoankevitra iray nataon'ilay ben'ny tanànan'i Barselona, Ada Colau tao amin'ny Facebook, lasa drafitry ny tany tontolo ny hamorona tambajotranà tanàna fialokalofana ao anatin'ny kirizin'ny mpitsoa-ponenana ao Eorôpa
Fandinihana Momba Ny Herintaonan'ny Fanjavonan'ireo Mpianatra Tao Ayotzinapa
"Ho anay, tsy tapitra ny alin'ny 26 Septambra," hoy ny olona iray tafavoaka velona tamin'ny loza Ayotzinapa. "Nihevitra izy ireo fa ao anatin'ny fotoana, afaka handresy antsika izy ireo. Saingy tsy izany no nitranga."
Mankalaza Ny Asa Mozika Sy Hatsikana An'ilay Mpikambana Tao Amin'ny ‘Les Luthiers’ Maty, Daniel Rabinovich
Taorian'ny fahafatesan'i David Rabinovich, mpikambana mpanorina ny "Les Luthiers", nizara fahatsiarovana tsara an'ilay mpanao hatsikana ireo mpampiasa media sosialy ary nisaotra azy noho ireo taona maro nanaovana mozika sy tsikitsiky.
Ny Tantaran'i Raiza Ruiz, Nolazaina Fa Maty Nefa Velona Mirijarija Be
Nambara fa maty i Raiza Ruiz taorian'ny fidarabohan'ny fiaramanidina iray tao Amazona. Na dia hita velona nony andro maro taty aoriana aza, hafahafa tsy mahazatra ny toerana misy azy manoloana ny lalàna.
Miserasera aterineto any amin'ny toerana ho an'ny daholobe ao Kiobà
Voafetra amin'ny tambajotra sosialy (Facebook), tolotra mailaka sasany, lahatsary sy fampiharana karajia (chat) ny aterineto ao Kiobà
Niteraka Fahatezerana Manerantany Ilay Mpanao Gazety Hongroà Nandaka Syriana Mpitsoa-ponenana
Hita mazava tsara mandaka ankizy roa nihazakazaka miaraka amin'ny ray aman-dreniny i Laszlo ao anatin'ny lahatsary. Ary mamingana lehilahy lehibe iray miaraka amin'ny zanany izay nianjera avy eo
Miteraka Fironana Ao Arzantina Ny Fampakarambady Sandoka
Amin'izao androntsika izao, vitsy ireo olon-droa manao fampakarambady any amin'ny faritra maro manerana ny tany, ary mba hanentsenana ny banga dia nampiditra ny atao hoe "fampakarambady sandoka" ny andianà Arzantina iray.
Kiobàna LGBT Mpikatroka Mafana Fo Mandray Ho Andraikitra Ny ‘Fehezan-dalàn'ny Fianakaviana’ Izay Mitahiry ny Fomba Hatrizay
Nahatonga resabe momba ny tsy maha-araka ny toetrandro intsony ny Fehezan-dalàna ho an'ny Fianakaviana Kiobana ilay lahatsoratra nalefa tao amin'ilay gazetim-panjakana Granma.