· Jolay, 2008

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Jolay, 2008

Rosia: Solontenan'ny OSCE voampanga ho mpitsikilo

  26 Jolay 2008

Da Rússia (SPA) no milaza ny heviny mikasika ny tenin'ny mpikambana iray ao amin'ny vaomieran'ny fifidianana Rosiana fa mpitsikilon'ny Tandrefana ireo mpanaramason'ny fifidinana nalefan'ny vaomiera Eoropeana any aminy.

Costa Rica: Fokonolona Indizeny an-gazety

  26 Jolay 2008

Navoakan'i Alejandro Vargas Johannsen ny lisitry ny torolalana natsangan'ny mpianatry ny Anjerimanontolon'i Costa Rica ho an'ny mpampita vaovao tsy hampiseho fijery miiba rehefa miresaka Indizeny [es] ary, “hahatsiahy ny fanasoavam-bahoaka vitany tamin'ny resaka raokandro, fanolokoloanm-panahy, zavakanto, ary ny fiahiana ny akora voajanahary, indrindra fa ny rano.”

Bolivia: Ilaharana ny fanafody

  12 Jolay 2008

Dora Romero ao amin'ny Las Ideas Son Primero [es] no nanamarika ny fisian'ny filaharana manoloana ny fivarotam-panafody ao an-tanànan'i El Alto, Bolivia. Manontany tena izy raha marary vokatry ny hatsiaka ny ankamaroan'ny olona na noho ny fahazarana mihinam-panafody fotsiny amin'izao halavana filaharana izao.

Niara-niravoravo nohon'ny fahafahan-dRtoa Ingrid Betancourt ny faritry Amerika iray manontolo

  04 Jolay 2008

Niara-niravoravo tamin'ny vahoaka Kôlômbiana ny faritry Amerika Atsimo [Latina] iray manontolo raha vao nahare ny vaovao fa Rtoa Ingrid Betancourt sy olona 14 hafa izay nalaina sy notazonina an-keriny no avotra. Rtoa Betancourt, teratany Amerikana 3 sy miaramila Kôlômbiana 11 no indray afaka taorian'ny andram-panavotana nampitondraina ny anarana teti-panorona hoe “Jaque.” Mpiblaogy avy amin'ny firenen-drehetra...

Kôlômbia : Hanonerana izay fotoana very izay

  03 Jolay 2008

Tienen Huevo mankalaza ny fanafahana an-dRamatoa Ingrid Betancourt izay nalain'ny Mpiady anaty akatan'ny FARC ary notazoniny an-keriny [nandritra ny 2318 andro] any Kôlòmbia : Bienvenida Ingrid… Estamos a la espera de recuperar el tiempo perdido… “Tongasoa Ingrid… Tsy andrinay ny hanonerana izay fotoana very izay… ” [FANAMPIM-PANAZAVANA : kandida ho...

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es