Miserasera aterineto any amin'ny toerana ho an'ny daholobe ao Kiobà

Famantarana WiFi ao Havana taloha, Kiobà. Sary avy amin'i Nano Anderson, nalaina tao amin'ny Flickr, Lisansa CC BY 2.0
Amin'ny 10 ora alina fa toy ny hipoaka ao amin'ny zaridaina Agramonte, ao afovoan-tanàna Kiobàna ao Camagüey. Feno olona mifantoka mafy amin'ny efijery fotsy manazava ny aizina noho tsy fisian'ny jiro an-dalambe ao an-jaridaina. Tsy ampy ho an'ny rehetra ire dabilio rehefa alina. Mandritra ny andro, mandoro ireo izay mba te hiditra aterineto ao ny masoandro. Raha te-hipetraka any anaty fisotroana kafe mahazo Wifi ianao dia tsy maintsy mividy zavatra sy mandoa vola amin'izany.
Afaka mandray olona hatramin'ny 100 samy mampiasa aterineto ny La Rampa, lalana afovoan-tanànan'i Havana. Ao amin'ny zaridainam-bahoaka misy Wifi ao Camagüey, nidina hatrany amin'ny 50 isa fotsiny izany.
“Efa nahatratra faratampony izany,” hoy i Alejo, bilaogera ao an-toerana tamiko. “Fantatrao izany rehefa mahita hafatra milaza ianao fa tsy mety voavaly ny fangatahanao rehefa mampiditra ny solonanarana sy ny tenimiafinao ianao,” hoy izy manampy.
Raha hampiasa aterineto ao Kiobà, dia tsy maintsy misoratra anarana amin'ny kaonty ao amin'ny ETECSA, renin'ny orinasam-pifandraisandavitra rehetra ao amin'ny firenena ianao. Misy fomba roa ahazoana miditra amin'ny kaonty: afaka mividy karatra famahanana Nauta ianao, na mahazo fifanarahana amin'ny ETECSA ahitana fiseraserana aterineto sy mailaka. Amin'ireo fomba roa ireo, angatahana ianao mba hampiseho ny mombamomba anao manokana ofisialy nomen'ny fanjakana, na karapanondro izany na pasipaoro.
Manome tolotra fidirana amin'ny aterineto amin'ny vidiny manomboka amin'ny 4,50 dolara ka hatramin'ny 10 dolara isan'ora ireo trano fampiatranoam-bahiny, ary tsy mba mangataka izay mombamomba anao manokana. Saingy amin'ny karama ankapobeny isam-bolana 20 dolara, dia sarotra hoan'ny ankamaroan'ny Kiobàna izay fomba fidirana amin'ny aterineto izay.
Telo herinandro lasa izay, mitentina 2.50 dolara ny karatra Nauta eny amin'ny varomaizina. Amin'izao fotoana izao, miparitaka eny amin'ny varomaizina mirongatra ao La Rampa ny karatra fahana amin'ny vidiny 3 dolara rehefa hiditra aterineto eny amin'ny faritra misy Wifi. Any amin'ny magazay ETECSA mivarotra antsinjarany , mitentina 2 dolara ny vidin'izany, saingy tsy maintsy miandry ao anaty filaharambe miaraka amin'ireo olona mila mamahana finday amin'izany, na mandoa ny faktioran'ny telefaonina, na mividy zavatra isan-karazany.
At present, Cubans experience the Internet in fits and starts. It is expensive and short-lived.
Amin'izao fotoana izao, miaina aterineto mitsitapitapy ny Kiobàna. Lafo sy tsy mateza izany
Tsy ampy faritra misy Wifi ao an-tanànan'i Guanabo, tahaka izany koa ao Havana, saingy nanjary toeram-pihaonana malaza eo amin'ny tanora ny toeram-pivarotana ETECSA manana solosaina telo sy fitaovana famerana maripana – toerana tena mihaja raha oharina amin'ny Casino Deportivo mpifanolo-bodirindrina aminy. Efa manana kaonty Facebook i Jennifer ary mitahiry am-pireharehana ny pejy ao amin'ny aterinetony mba hampisehoana izany amin'ny reniny, amin'ny solosainy tsy misy aterineto. “Inona no tena jerenao indrindra amin'izao fotoana izao?” Hoy aho nanontany azy. Nampiseho ahy sary nalaina tamin'ny pejin'ny Los Angeles, tarika mpihira malaza iray izy.
Ao La Rampa, Guanabo, Camagüey, na Casino Deportivo, toa zavatra mitovy no jeren'ny rehetra. Ny aterineto ao Kiobà – ao amin'ny toerana fidirana aterineto hoan'ny rehetra – dia voafetra amin'ny tambajotra sosialy (Facebook), tolotra mailaka sasany, lahatsary sy fampiharana karajia (chat) ihany. Zara raha mahavita ny servisy finday lafo vidy sy tsy mahomby izany. Tahaka ny hoe vao indray mandeha ihany no niserasera tamin'ny aterineto, ary fahadisoana ny fidirana amin'izany. Saingy rehefa mandehandeha amin'ireo toerana ireo dia afa-mahita ny fomba fanjifana (fampiasana aterineto) mahazatra amin'ny ankapobeny.

Tanora Kiobàna miditra aterineto ao La Rampa, Havana. Sary avy amin'i Elaine Díaz.
Ampahany ihany amin'ny olana ny tsy fahafahana miditra feno amin'ny aterineto. Lafo dia lafo ny vidiny. Tsy misy safidy afa-tsy ny mitorovoka eny amin'ny tohatra, sisin-dalana sy ny lalana ho an'ny mpandeha tongotra rehefa miserasera tsy mampahazo aina eny amin'ny faritra misy aterineto. Ary tsy misy ny tetipanorona maty paika amin'ny fampianarana ny daholobe, ankoatra izay ampianarina ny mpianatry ny oniversite sy amin'ireo miasa amin'ny sehatra manan-danja fampandrosoana ara-tsiantifika ao amin'ny firenena. Mahatonga ny ankamaroan'ny Kiobana mpiserasera hiditra aterineto mihoatra noho izay tena ilaina ireo anton-javatra ireo
Amin'izao fotoana izao, miaina aterineto mitsitapitapy ny Kiobàna. Lafo loatra sy lany vetivety. Fampiasam-bola manokana, ary tsy maintsy mitondra tombontsoa sahaza hoan'ireo manao azy. Dokambarotra marobe no alefa ao amin'ny Revolico (tranokalam-barotra tsy ofisialy ao Kiobà, mitovy amin'ny craigslist) izay manome servisy fitantanana kaonty Facebook manokana. “Misy lehilahy iray monina eo akaikin'ny tranoko izay mitantana kaontin'ankizivavy telo manana vahiny mpifanoratra amin'izy ireo. Mamaly ny hafatra ru zavavy dia ralehilahy no mandefa izany” hoy ilay mpiserasera tsy te-ho fantatra tamiko.
Eo amin'ny zoron-dalana manaraka, manokatra ny kaonty Facebook-ny ny tovovavy iray. Mampiseho sarintava manafintohina milaza hoe “sexy aho” izany. Mihevitra ny ray aman-dreniny fa any amin'ny zaridainam-bahoaka miaraka amin'ny namany izy, izay marina raha ara-teknika. Saingy tsy nisy olona nanazava tamin'ny ray aman-dreniny fa rehefa ao anaty aterineto ianao, dia any amin'ny toerana marobe amin'ny fotoana iray, ary mety mampidi-doza ny sasany amin'ireo toerana ireo. Na angamba efa nahita izany tamin'ny fahitalavi-panjakana izy ireo, tatitra mamaritra izany ho loza mety ateraky ny aterineto, tahaka ny zavatra mitranga any amin'ireo firenena lavitra hafa, fa tsy ao Kiobà mihitsy, na ho an'ny zanak'izy ireo.
Manampy izany ny fahatsapana maimaika vaovao. Ao Kiobàn'ny taona 2015, zara raha mamaha ireo fanamby maharary indrindra izay nahatratra ny faratampony tamin'ny taona 1990 ny aterineto: Ny fifanakaikezan'ny vahoaka. Amin'ireo Kiobàna efa ho roa tapitrisa monina ao Etazonia ary an'hetsiny ny fianakaviana tafasaraka noho ny fifindramonina, dia mampihena ny sakana apetraky ny visa sy ny halafon'ny tapakila fiaramanidina ny fidirana amin'ny aterineto. Mampiray vahoaka izany. Izany angamba no tena zava-dehibe ankehitriny.
Hisy ny fotoana hanaovana zavatra hafa.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...