Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Jolay, 2011
Kolombia: Fahafatesan’ Ilay Mpihira Joe Arroyo
Kolombiana mpihira salsa i Álvaro José Arroyo González, fantatra amin'ny anarana hoe Joe Arroyo, nodimandry ny 26 Jolay tao Barranquilla. Tao amin'ny Twitter, bilaogy maro sy vohikala maro no nanehoan'ireo mpitia azy ny fahatsiarovana ny fiainany sy ireo hirany
Arzantina: Inona no mahasorena ny Arzantina?
Tamin'ny 22 Jolay, nanjary lohahevitra vaovao nironana ary narahina fihetsiketsehana sy fahasorenana momba ny politika [es], fifamoivoizana [es], ny fiarahamonina[es] eny fa na dia ny fianakaviana [es] sy ny tambanjotra sosialy [es] ny tenifototra hoe #irritante [es] (#mahasosotra).
Arzantina: 17 Taona Aty Aorian'ilay Fanafihana Ny AMIA, Mbola Tsy Hita Hatramin'izao Izay Marina
18 Jolay 2011, fahatsiarovana indray ny fanafihana ny Fikambanana Iombonana Ifanampian'ireo Israelita ao Arzentina (AMIA) tamin'ny 1994. Nisokatra indray ny raharaha noho ny tsy fisian'ny fanazavana marina, ireo fianakavian'ny niharam-boina sy ny fiarahamonina ao Arzantina dia mbola mitaky ny rariny ho an'ireo olona namoy ny ainy.
Goatemalà : DipuKids, Andia Tanora Vaovao Kandidà Kongresy
Ny ady an-trano tao Goatemalà tamin'ny (1960-1996) izay namono sy nandefa an-tsesintany ireo tanora mpitarika sy ireo mpianatra ambaratonga ambony marobe manana ny ho avy tao amin'ny firenena, no nampisy fahabangana lehibe teo amin'ny tontolo politika. Hatramin'ny nanaovana ny sonian'ny Fifanekem-pandriampahalemana teo amin'ny Goatemalteka tamin'ny 1996 dia nijanona ho ambany dia ambany ny...
Kolombia: 201 Taona Nahazoana Fahaleovantena
Araka ny efa nambaranay tamin'ny lahatsoratra farany, Kolombia dia nankalaza ny andro nahazoany fahaleovantena ny 20 Jolay lasa teo. Ny aterineto, araka ny efa nampoizina, dia sehatra iray nanehoana hevitra maro sy tranga samihafa noho ny fireharehana hoe teraka tao amin'izany Firenena izany ka hatramin'ny resaka kiana ara-politika.
Panamà: Faniratsiran'ny Presidansy Tanaty Aterineto
Ny Filoham-pirenen'i Panamà, Ricardo Martinelli, dia nahatezitra sy niteraka resabe tao amin'ny Twitter, taorian'ny niheverana azy ho nanevateva mpampiasa iray nanakiana azy tamin'ny teny mahery. Nandà mafy ho tsy nihevitra haniratsira izany anefa ny filoha. Miresaka momba ilay hatezerana ireo mponin'ny aterineto.
Pero: Fiainan'ny Indizeny Amazoniana ahiana hopotehin'ny Mpitrandraka Solitany
Lahatsary fampahafantarana mandritra ny ora iray, mampiseho ny fiainana nentim-paharazana an'ireo mponina ao Amazonia, sy ny fomba fiveloman'izy ireo izay ahiana ho potiky ny fitrandrahana solitany sy ny fambolena zavatra tokana atao loharanon'angovo tahaka ny [solika] menaka voanio. Ao amin'ny Amazonia, masato o petroleo (Amazonia, masato sa solika) nijery indray mipimaso...
Pero: Fitokonan'ny Mpitatitra Tao Lima: Fampielezan-Kevitra Ho Fanoherana Ny Ben'ny Tanàna?
Ny ben'ny tanànan'i Lima, Susana Villarán avy ao amin'ny antoko politika Hery Sosialy ho an'ny Fanapariahana [es], dia efa nahita karazana fanakianana maro sahady tao anatin'ny enim-bolana nitondrany. Ny fitokonana nataon'ireo mpiasan'ny fitaterana ny 13 jolay no isan'ny raharaha goavana miandry ny ben'ny tanàna. Bilaogera sy mpampiasa Twitter maro no nizara ny fahitan'ny olona, fanadihadiana maro, sary sy famakafana nandritra ilay fitokonana.
Bolivia: Mpiady Mpiangaly Cholitas Eny Alohan'ny Sehatra
Nahasarika ny sain'ny teratany sy ny mpitsidika efa ho am-polotaonany izao ny tolom-behivavy (catch) ao El Alto, Bolivia. Nampian'ireto vehivavy ireto zavatra kely avy amin'ny nentin-drazan-dry zareo ity lalao malaza ity: taiza koa no nahitanao zipo lava mirenty miaraka amin'ny atin'akanjo, fehin-tenda misy volombolony, volo matevina sy satroka bozaka entina miady eny ambony ringa?
Arzantina:Ny “Amboaran'ny Amerika” 2011 na ‘Copa América 2011′, Lionel Messi Sy Ny Ao Arzantina
Namoha fanehoan-kevitra isan-karazany ny "amboaran'ny Amerika" 2011 na 'Copa América 2011' tao Arzantina , indrindra indrindra naneho fanajàna ilay mpilalao baolina Lionel Messi sy ny fiezahany amin'io fifaninanana baolina kitra io. Tia an'i Messi ve i Arzantina sa tsia?